Ho gaga angamba ianao mahita io sary io.Vazaha iray be volom-bava hodidin’ny malagasy. Tsy maka toerana eny aloha fa any aoriana. Sary nalaina tamin’ny fanompoam-pivavahana tao Montpellier  tamin’ny fankalazana ny faha-70 taona nijoroan’ny FPMA tao.Roa taona  lasa izay ary io no fotoana nahitanay azy farany. Ary tsy iza fa i André LANVIN mpitandrina efa nisotro ronono

Fa iza moa i André LANVIN ?

Tonga tany Madagasikara nananteraka ny fanompoam-pirenena ( service militaire) tao amin’ny fifampiraharana ny amin’ny « Coopération »  i LANVIN André.Tsy nisalasala mihitsy izy ny hifandray sy hahalala ny malagasy.Hany ka raha niangona tao amin’ny  « Paroisse internationale » tao Andohalo aza izy satria tao ny niangonan’ny vahiny maro nanaraka ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny frantsay dia tsy nataony ambanin-zavatra ny nandeha tao amin’ny fiangonana Ambavadimitafo. Nahagaga  ny rehetra ny nahita azy miangona amin’ireo toerana roa ireo.  Ho azy tsy dia olana loatra izany satria raha tonga tany Madagasikara izy dia ny hamantatra sy ny hifanerasera tamin’ny malagasy no nahatongavany.Ary anisan’izay nanampy azy amin’ny fianarana ny teny malagasy izany.  Nandray azy tokoa ny fiangonan’ Ambavahdimitafo  ary indrindra  i RALIBERA Daniel mpitandrina no Aumonier  protestanta voalohany taty Frantsa

Rehefa vita ny fotoanan’ny fanompoam-pirenena  dia nanohy nianatra tao amin’ny Collège Saint Michel tao Amparibe izy. Tsy nijanona teo fa  nandeha nampianatra tany Ambatomanga avy eo.Voalaza fa nanararaotra izany fotoana izany hianarana  tao amin’ny Kolejy Pastoraly. Frantsay mianatra ho mpitandrina miaraka amin’ny malagasy.  Rehefa lasa nody i ANDRIEU Aumonier  ny mpianatra teny amin’ny Université teny Ankatso dia notendrena hisolo azy izy ka lasa «  Aumonier des étudiants teny Ankatso ». Tao ary no nifaneraserany betsaka tamin’ny mpianatra malagasy.

Tsy ho hadino ny asa lehibe izay nataony dia ny niarahany namorona tamin’ireo mpianatra malagasy ny   Fikambanan’ny «  Mpianatra Kristiana Malagasy » nafohezina hoe «  MPIKRIMA » niaraka tamin-dry RAMAHANDRY Charles, ry RAHAINGOSON Henri sy maro hafa koa. Maro dia maro ny mpianatra tao ary mbola misy ny velona amin’izy ireny amin’izao fotoana izao. Vavolombelon’ny asa nataony teo amin’ny famakafakana  ny Baiboly ireny. Maro ny tonga saina ny amin’ny ho avy na ara-pivavahana na ara-tsosialy na ara-pirenena.  Nanohana koa ny Kolon-tsaina malagasy tokoa izy. Ny lasy izay natao niaraka taminy dia nahitana soa . Nanatanteraka tokoa ny asan’ny maha- mpitandrina aumônier azy.

Tia mianatra lalandava LANVIN André, hany ka tsy nijanona na dia efa niasa aza tamin’ny maha-aumônier azy tany Madagasikara dia nanohy fianarana ka niditra tao Sorbonne. Rehefa nangataka ny hiditra ho Mpitandrina tao amin’ny Eglise Protestante Unie de France (izay Eglise Réformée tamin’ny androny »  dia nasain’ny ERF nanampy ny zavatra azony tany Ambatomanga tao amin’ny Faculté de Théologie Boulevard Arago izy vao noraisina . Taloha mantsy dia ny fananana baccalauréat en Théologie (izay mitovy amin’ny licence) vao voaray ho mpitandrina. Ary tamin’ny androny dia ny « maitrise en théologie »  (izay Master 1 amin’zao fotoana). Ny fianarana tany Ambatomanga dia nisy vidiny tamin’ny ERF ary dia ny nameno no nataony tany tao amin’ny Faculté de Théologie Protestante tao amin’ny Boulevard Arago – PARIS .  Vita ireo dia tafiditra ho mpitandrina ERF izy.

Anisan’ny toerana niasany ho mpitandrina ny ERF Cergy. Tamin’ny fotoana nananganana ny Tafo FPMA Cergy dia tsy nikely soroka izy nanampy tokoa.Rehefa tonga ny fisotroany ronono tao dia nanohy niangona tao izy ary nanatrika ny fanompoam-pivavahan’ny FPMA hatrany. Tsy nisaraka tamin’ny malagasy mihitsy izy.

Taty aoriana dia nifindra tany Atsimon’i Frantsa izy. Raha misy hetsika ataon’ny Malagasy  na miaraka amin’ny vazaha ka mikasika an’i Madagasikara dia teo izy tany amin’izay nisy azy tany. Hany ka rehefa miakatra eto Paris dia tsy manadino an’i Cergy fa dia tonga mitsidika ny malagasy ary dia mifanakalo hevitra hatrany ary mitantara ny vaovao avy any Atsimo.

Ireto misy resaka mafonja ary tsara ho eritreretina nifanaovanay fony izaho mpitandrina tao amin’ny FPMA Cergy. Inoako fa misy taminareo koa efa nilazany izao ary tsy mitsahatra ny mamerina izy :

  • Rehefa manao fanompoam-pivavahana ianareo dia ataovy amin’ny teny malagasy. Rehefa ataonao miadana ny teny dia azoko sy ho an’izay mianatra miteny.
  • Raha misy Vazaha tonga miangona dia tsy ilaina ny mandika teny ho an’ny daholo be. Fa ny tsara dia ilay nanasa azy no tokony handika azy. Raha mihena ny fampiasanareo teny malagasy dia ho faty ny tenin’ny malagasy. Maro ny mpandinika fa mety ho afaka 30 taona any dia tsy hisy intsony io teny io.
  • Ny zavatra tsikaritro koa dia ny fahavitsin’ny malagasy manatrika ny valan-dresaka momba ny taniny raha tsy arahina sakafo sy fetifety izany.
  • Nirehareha mihitsy izy nahita ireo malagasy mpitandrina na lahy na vavy tao amin’ny ERF na EPUdF izay nanana andraiktra lehibe teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana ary nanantanteraka izany tamin’ny fitiavana. Ny nahavariana dia ny fahafantarany sy ny fitanisany ny anaran’ny tsirairay.

Izany rehetra izany dia miverina ao an-tsaina. Koa nahoana moa no tsy ho taitra rehefa tonga  ny fahafatesany. Fotoana mandalo tokoa ny eto an-tany. Malahelo ny fo satria mijanona hatreo ny dinidinika natao taminy momba an’I  MADAGASIKARA rehefa mihaona aminy. Fa na izany aza dia namela zava-mamy teo amin’ny fampianarana sy nanasondrontra ny olona.Ary ny famporisihiny tsy mitsahatra ny hianarana sy hahaizana ny teny malagasy.

Andriamanitra tompon’ny fiainana hanome fampaherezana sy fampiononana  ny fianakaviany sy izay rehetra nahalala azy. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.