Vita printy ny 21 Jona 1835 ny Baiboly malagasy voalohany. Nohezahan’ny misionera ho vita haingana araka izay azo atao izany satria efa antomotra ny fanenjehana ny kristianina izay noman’i Ranavalona Reniny. Nony nitranga tokoa izany dia ireo Baiboly vita printy ireo no nozaraina ho an’ny kristianina izay niery tany an-davabato ka takelaka aza ny anjaran’ny sasany noho ny mbola fahavitsin’ny boky voatonta.

Niamboho ny 16 Jolay 1861 Ranavalona reniny. Tapitra teo koa ny fanenjehana. Ny mpanoratra maro dia nilaza izany ho ny andro niposaka indray.

Nanomboka niverina ny misionera . Teo ireo efa tonga teo aloha no niverina tahaka ny avy amin’ny LMS, FFMA ary ny Katolika. Fa nisy ireo nanampy toa ny SPG (Anglikana) sy ny NMS (Norveziana) . Nahafaly ny fisiany saingy nanahirana ny fandrindrana sy ny fandaminana. Ireo misionera nanana fireha protestanta dia nitambatra ka nanorina ilay natsoina hoe : Comité Intermisionnaire. Natao ho andraikiny ny fitsinjarana ny toerana iasana ary io no voaloahany. Fa ny lehibe koa  dia ny fanitsiana ny dikatenin’ny Baiboly izay noho ny hahamehana dia tsy tonga lafatra izany teo aloha.  Noforonina ny komity hanao izany samy nanome solontena ny misiona tsirairay ka : 3 ny an’ny LMS, SPG 1, NMS  2, FFMA 1. Ny Malagasy kosa dia nanana anjara ry Josefa ANDRIANAIVORAVELONA rainy, ry Josefa ANDRIANONY ary Franck RASOAMANANA.

Tsy tao anatiny kosa ny Katolika fa niezaka ry zareo andika ny Baiboly avy amin’ny Baiboly Frantsay. Noho izany ireo anarana rehetra ao Baiboly protestanta sy Katolika dia tsy mitovy, na dia ny anaran’ny Tompo aza. Ny mahasamihafa koa dia tsy nahazo namaky ny Baiboly  ny Katolika.

Tarazo naharitra ela izany. Rehefa niforona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto  Madagasikara  vao nifanarahana fa hampitoviana ny fanonona ny anaran’ny Tompo, ka natao hoe « JESOA ». Natsangana ihany koa ny Komity handika ny Baiboly iraisana eto Madagasikara na : ny DIEM. Misy fiangonana tsy nampiasa afats’io intsony tao amin’ny fanompom-pivavahana  nataony. Dingana lehibe no vita saingy tsy voazava tamin’ny mpiangona ka nanahirana be. Namaky teny ny olona iray ka nampiasa ny DIEM dia izao no natao «  Ho vakintsika ny Evanjely nosoratan’i Joany »  Betsaka no sahirana ka nifanontany hoe : « Aiza izany ». Fa ny tena nanahirana be ny Mpitandrina indrindra dia ity. Ao amin’ny Epistily dia nisy hoe : «  Ialao ny toetranareo tsy mendrika » izay nadikan’ny DIEM hoe : « Toetranareo tsy valahara ». nihiaka ny iray Fiangonana.

Tsy ela dia nanangana komity ny FJKM ka nanao ilay natsoina hoe : « Ny Baiboly Malagasy ». Nefa na dia io aza izay efa nitsina tsy hisy zava-manahirana intsony dia  mbola misy ihany izay tsy  afa-po. Nisy namaky ny Salamo faha 23 dia izao no ao : « Ny Tompo no mpiandry ahy… » Dia hoy ny sasany dia inona indray ity ? Jehovah no nazatra ahy dia tazoniko io.

Farany nohezahan’y Fikambanana Mampely Baiboly ny nandika ny Baiboly amin’ny tenim-paritra. Ny Filazantsara aloha no natao. Tena zava-dehibe izany indrindra tany an-toerana. Saingy indro kely nisy nitondra io filazantsara voadika io teto an-drenivohitra ka nampisavorovoro ny iray Fiangonana satria mbola manavao.

Herim-po very maina ary ve ireo ezaka rehetra natao hatramin’izay .  Amiko tsia.  Izay no manambara fa velona ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tompo mihitsy no niteny hoe : Izao rehetra izao ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona.