Vao maraina Rahely dia nisaotra an’Andriamanitra nahatratra ny fetin’ny ray.

«  Fetinao, fetinao, arahabaina ry Dada ». Misaotra indrindra anaka, ary misaotra an’ Andriamanitra noho ny soa lehibe noraisiko taminy.

Andao ary aloha, hihinana ny vary sosoa vao maraina. Dia miomana andeha avy eo. Androany afaka manatitra sy maka anao any am-pianarana aho fa naka fotoana amin’izany. Avy eo isika mianakavy kely miara-misakafo ny ataoandro.

Eny ry Dada, safononoka ny hafaliako fa mbola afaka miara-paly isika.

Eny, anaka, tena zava-dehibe tokoa. Fa aza hadino ireo tsy manan-dray, na ao koa ireo ao anatin’ny fahasahiranana. Entintsika amam-bavaka izy ireo satria na dia tsy eo intsony aza ny rainy dia misy ilay Ray izay tena ambony sy lehibe noho ny olombelona tahaka anay. Dia tsy iza fa Andriamanitra.

Misaotra ry Dada fa azoko resahina amin’ilay namako any am-pianarana izay tsy mana-dray intsony izany. Ho ela velona sy ho tahian’Andriamanitra ianao.