album-art

Sorry, no results.
Please try another keyword
  • Nahoana no asa tsara ny mpitondra fiangonana. Marina sa tsy marina. Indro fizarana avy amin’ny traikefan’i Julia Darsot mpitandrina. Ny asa tsara miteraka fifaliana…
00:00

Ny Fahariana (3). Épisode 8 – La Création

Miarahaba anareo rehetra mihaino amin’izao fotoana izao eto amin’ny Site Tsodrano.com. I Julia Darsot mpitandrina no miresaka aminareo eto.  Manohy momba ny lohateny mikasika ny Fahariana isika. Fizarana faha 3 izy ity. Marihina fa ny tantaran’ny Fahariana ao amin’ny Gen.1  dia mitohy amin’ny Gen.2 : 3. Eo izy no mifarana.  Ary mifantoka hatreo aloha isika.

Toa izao no hamintinana ny voalaza rehetra teo aloha. (Fizarana I sy II).

Ny fandinihina  ny  rakitsoratra hita ao amin’ny Soratra Masina dia manamafy  fa hafa mihitsy ilay Mpahary  sy ny  zava-boahary. Samy manana ny toerany sy ny asany izy ireo. Ary tsy misy antony tokony tsy hahafantarana ny anjara-toeran’izy ireo sy ny andraikiny avy.  

Hatramin’izao dia mbola ilay voambolana Elohim no ilazana an’Andriamanitra amin’ny teny Hebreo. Rehefa dinihina koa dia tsy misy antony hiondrehana na hivavahana ny zava-boahary. Satria ireo zava-boahary ireo tsy nisy nahavita na inona na inona raha tsy teo ny Mpahary. Hany ka mandrara ny saintsika mba tsy hampifangaro an’Andriamanitra sy ny zava-boahary. Satria tsy ho Andriamanitra na oviana na oviana ny zavaboahary.

  1. Na dia atao aza fa fahagola taloha tena lavitra be tany dia nisy ary mbola misy  olona hatramin’zao mivavaka amin’ny zava-boahary.

Dia satria noheveriny ho toy ny andriamanitra ny zava-boahary sasany noho ny hery (na fanahy koa no ilazany azy) izay tsapany ao amin’izy ireny. Ka noheveriny fa manana laharana ambony ny zava-boahary noho izany. Tao koa ny mihevitra fa fomba fisehoan’ny fivavahana fotsiny izany fa ilay Mpahary dia hafa.  Any ka misy ny mpino kristianina  sasany manaraka izany firehan-kevitra izany izay mifanohitra amin’ny hevitra ao amin’ny Genesisy I. Ny fanajana ny zava-boahary ange tsy milaza fa misy ny hitovizana amin’Andriamanitra Mpahary ka afaka mitahy ny olombelona izy ireny. Ny maha Mpahary ‘’Créateur’’ sy ny maha ‘’cocréateur’’ ny olombelona dia efa nohazavaintsika tamin’ny fizarana faha2. Marina fa tsy tokony ho simbasimbana na atao tsinontsinona ny zava-boahary, eny na voly na biby na ny zavatra eny amin’ny habakabaka na any ambanin’ny tany sy ny any anatin’ny ranomasina.  Na dia tsy misy maha Andriamanitra ny zava-boahary akory. Aoka hieritreritra ny kristianina amin’ny finoana izay arahany.  Misy ny manaraka am-bokony fotsiny ny fiheveran’ny hafa noho ny fitadiavany fitahiana na fiarovana avy amin’ny zava-boahary. Noho ny tahotra sao hisy loza mitranga na fahafatesana.  Ary mametraka azy ireny ho toy ny andriamanitra mpiaro. Maro ireo karazan’andriamanitra natsangan’ny olona ho andriamaniny. Satria heveriny koa fa mamonjy azy ireny. Ary rehefa tsara ny ataony dia mihevitra izy fa mahazo valisoa eo amin’ny fiainana. Kanefa ireny dia zava-boahary mitovy amin’ny olombelona fa ambany noho izy na dia noforonina talohan’ny olombelona aza araka ny voasoratra ao amin’ny Gen.I.  Tsy misy antony izany hiankohofana eo anatrehany. Hitantsika ny loharano sasany  mikoriana izay heverina fa misy hery tsy azo kasiana na atonina ao  ka dia mivavaka aminy eo. Tahaka izany koa ny hazo isankarazany ary misy hatramin’ny biby aza  sy ny hafa koa  …Ary ao ny manao fanatitra ho azy ireny.

Inona moa no atao hoe fanompoam-tsampy fa tsy ny fianteherana amin’ny zava-boahary izay noforonin’Andriamanitra. Satria mametraka azy ho mitovy laharana amin’Andriamanitra izany. Avy amin’ny fisainana sy safidin’ny olombelona no namoronany ny fivavahana na fianteherana amin’ny zava-boahary fa tsy Andriamanitra akory.

B. Ny zava-boahary noharian’Andriamanitra dia tsara avokoa.

    Nohamafisiny hatrany izany. Naverimberina hatrany izany toy  ny mihira hoe : « Dia hitany fa ‘tsara’ izany ». Ary in-4 izany no voamarika. Misy hira amin’ny teny malagasy nataon’ny Antoko-mpihira teny Ambohimandroso Ambohimanarina taloha efa elabe tany amin’ ny  taona 1970 momba ny Fahariana. Ravo tokoa ny fo sy saina mahare ilay izy ary tena mifanaraka amin’ity Gen.I ity.  Tsy tadidiko na rizareo no tompon’ny tonon-kira fa mankasitraka ilay hira aho.  Indrindra ny fiverenana manao hoe : « Andriamanitra nanao hoe : misia mazava, misia mazava, dia nisy ny mazava re…misia ny habakabaka dia nisy ny habakabaka sy ny sisa ». Hitan’Andriamanitra fa tsara izany.   Ary nofaranan’ny Genesisy I izany tamin’ny faha-5 ka nataony hoe « Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka indro, tsara indrindra izany.  « Tena tsara ». Nohamafisina izany fahatsarana izany. Amintsika angamba no mety ho ratsy ny zava-boahary sasany – Nefa io voambolana ratsy io tsy nampiasain’ny  Genesisy I akory -. Fa matoa io voambolana ‘tsara’ io kosa eo dia satria ‘tsara’ sy ‘tena TSARA indrindra’. Raha tsy izany dia tsy nisy. Ary ny olombelona dia mitovy laharana amin’ny zava-boahary izay tao anatin’ny asan’Andriamanitra ka tsy natao ho andriamanitra akory. Mbola ambany noho Andriamanitra. Feno fahatsarana izany izao tontolo izao. Ary hafa-po Andriamanitra tamin’ny NANATONTOSANY izany asany rehetra  izany. Nametraka fifaliana ny mason’Andriamanitra tamin’ny zava-boahary nataony.

    Fa ny olombelona dia mametra-panontaniana ihany ny amin’ny antony hisiany eto ambonin’ny tany. Indrindra moa izy dia anisan’ireo izay farany tamin’ny fahariana. Ny olona ange dia manana harem-pahasoavana lehibe satria izy dia misaina ary afaka mieritreritra sy mamadibadika izany fanontaniana izany. Ny mpanoratra dia manamafy hoe ‘‘tsara indrindra’’ dia izay vao niditra tamin’ny andro fitsaharana Andriamanitra rehefa nahita izany. Avoitran’ity Gen.I ity anefa fa ambony noho ny zava-boahary rehetra ny olombelona. Ny antony dia satria nomen’Andriamanitra koa fahefana hanapaka amin’ny zava-boahary rehetra izy. Ary notsofin’ilay Elohim  rano hihamaro. Natao hivelona sy irihariha tamim-pahalalahana. Manana toerana lehibe izany « ny teny » tamin’ny fahariana. Ary ny  teny  no mahatonga NY FISIANTSIKA olombelona hiaina eto amin’izao tontolo izao. Mahatonga antsika hisy na fahiny  izay fotoana tsy takatry ny saintsika akory na ankehitriny. Hany ka na dia sarotra aza ny fiainana indraindray dia mamolavola antsika ny zava-mitranga rehetra eto amin’izao tontolo izao na dia misy ny mety tsy ho zaka aza. Ny maha izy antsika dia noho ny safidy sy ny fanapahan-kevitra entintsika hitondrana ny fiainantsika. Saingy tsy misy afaka mitantana ny fiainantsika afa-tsy ny Teny izay atolotr’Andriamanitra antsika tany am-boalohany. Ary tsy afaka miala amin’izany isika. Io no voalohany eo tamin’ny fisiantsika eto ambon’ ny tany.

    Dieny tany am-boalohany dia nanatrika izao tontolo izao Andriamanitra. Maika Izy ny amin’ny fifandraisana amintsika. Ny fifandraisan’izao tontolo izao sy Andriamanitra. Ny fifandraisan’ny olombelona sy ny olombelona ary ny zava-boahary rehetra. Ny asan’Andriamanitra dia efa niantomboka nefa dia mbola mitohy hatrany amin’izao fotoana izao. Ary manoro antsika ny hoavy ao anatin’ny fahasahiana. Satria mbola miasa ho amin’izany fahariana izany Andriamanitra. Tsy mamela antsika ho irery izy noho ny zavatra maro mitranga eto amin’izao tontolo izao. Mitohy tsy mijanona izany asany izany  ary isan’andro dia fahariana vaovao tsy mitsahatra  no iainantsika.

    Mahagaga ihany fa ireny zava-boahary nametrahan’ny olona  fitokisana ireny dia mampitahotra (peur) ny sasany sao misy tsy tokony ho izy ny fifandraisana taminy. Ary tsy misy antony izany tokony ivavahana aminy sy hanamasinana (vénérer) azy ireny. Raha mifanohitra amin’izay ny fihetsiky ny olombelona dia miditra ao amin’ny fanompoam-tsampy izy. Fa raha miteny kosa hoe : ny fahatahorana (crainte) an’Andriamanitra dia ny fanomezana azy lanja ambony dia ambony sy fanajana azy no dikany. Hafa izay hevitra izay. Ary ambony noho ny zava-boahary Izy.

    Ery amin’ny toko faha 2 an’ny Genesisy dia tamin’ny andro fahafito no nitsahatra Andriamanitra ary nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy izy. Amiko ireo zava-boahary rehetra dia efa ampy ho an’Andriamanitra. Ary novelarany izany fahatsaran’ny zavaboahary ao amin’ny toerana tonga lafatra mba hiainana araka ny tokony ho izy dia eto an-tany.

    Izay aloha ny androany fa lohateny goavana izy ity ary mbola mila halaninina any aoriana. Izay izany ny fitantarana Voalohany ny amin’ny Fahariana izao tontolo izao.  Samia miaina amin’ny fankahasitrahana an’Andriamanitra satria nohariana ho tsara ny zava-boahary rehetra ary cocréateur isika rehefa voakasiky ny Tenin’Andriamanitra ka mifoha sy mitsangana ao amin’ny fahatoriana. Vonona ve isika amin’izany ?  Tsy mandeha irery isika satria tsy afaka misaraka amin’ilay Mpahary antsika. Samia mazoto, manadiady, samia tia mamaky boky momba izany. Mandrapihaona indray. Veloma ary. Zarao amin’ny namanao.

    Vous aimerez aussi :