album-art

Sorry, no results.
Please try another keyword
00:00

Tsy misy olona tsy mandoka ny fireneny,
Tsy misy olona manenjika ny fireneny,
Fa indraindray misy fotoana mampagintakita
Aoka hijoro iray hina ny mpiray firenena
Hanohitra sao miverina ny tsindry hazo lena.
Aza hadino fa efa afaka tamin’ny fatorana
Satria efa nambara hoe : mahaleo tena.
Tsy hiankin-doha amin’iza n’iza intsony
Afaka hifanome tanana ny rehetra
Ka tsisy ampianjera amin’amboletra
Ny zo sy ny kolon-tsaina tsy voafetra
Mahasahia, aza mety ho tapenam-bava
Mba ho foana tanteraka ny hasomparana
Izay misisika toy ny bibilava
Sy miseho toy ny olo-kendry
Kanjo mpamitaka lalandava.
Te hamatotra ny maro ka handrava.
Te handemy ny saina isan’andro
Ka hamerina ny fanagadrana ny maro.

Fa raha izany moa no mitranga
Iza no antenainao ry firenena ?
Mahaiza mandinin-tena sao mahonena
Ka toa manome tsiny ny hafa.
Sao mba nisy nahasolafaka anao ihany
Ka manakipy maso tsy hanontany.
Nomen’Andriamanitra saina mahay mamakafaka ianao
Ka tompon’andraikitra amin’izay hevitra tapakao.
Tazaniny ao aminao raha misy olona azo itokisana
Tazaniny koa ianao raha manaja ny voady nataonao.

Hoy Andriamanitra aminao ankehitriny :
Iza moa Izaho sy ianao no tompon’ny firenena ?
Iza moa Izaho sy ianao no namelona ny firenena ?

Izaho ilay Andriamanitra no Tompon’ny firenena !
Izaho no manome aina mamelona ny rehetra.Tsy terena !
Raha tsy eo Aho dia toy ny vovoka ihany ny firenena !

Hilentika sa Hitsangana amim-boninahitra ?
Saino tsara fa anao no misafidy ry firenena !