Fa nahoana no nandrasana  Ianao Jesosy ka tsy tonga

Tsy tianao ve ny tranonay  noezahana no haingona

Nasianay hazo krismasy anie  feno ravaka mihaja

Ny sakafo tsy toan’ny  isan’andro fa sahaza olo-mihaja

Ny sakafonay   anim-pitoloha fa tsy sakafo maivana.

Tena tsara sy mafilotra na dia noezahana ho haingana

Ny fiatafianay mianakavy amin’izany  tonga lafatra

Raha ny marina izahay rehetra efa  niandry Anao fatratra

 

Fa nankaiza loatra  Ianao no nandrasana sa voatana,

Ny ambotaka moa tsy hay lazaina eto an-tanana.

Sao dia niatrano atsy atsimo ilay miady aminay

Na niditra  atsy avaratra ilay matikambo be izay

Dila ity ny sasak’alina mbola tsy tonga ihany Ianao

Sahira-tsaina izahay ka dia tapa-kevitra fandrao

Sendra ireo jiolahimboto misotasota lian’ady

Ka niezaka nivoaka ny trano mba hikaroka hitady

Mody maina anefa izahay  fa na taiza na taiza

Tsy nisy nahitana Anao ary tsy hita hoe nakaiza

 

Efa ho tonga tao an-trano vao nisy olona nilaza

Fa misy olona miresaka sy toa tomanin-jaza

Ao an-tranon’omby ao izay faritra tsy faleha

Ka fady amin’ny olona ny mandalo sy mandeha

Fa maloto sady ratsy no mamofona aoka izany

Ka ny mpandalo  manampim-bava hatrany hatrany.

Tonga ihany anefa izahay nanoloana izato fahitra

Teha hiverina handositra fa ny fofona tsy haritra

Nandroso ihany anefa ka nahita zaza nandry

Tao ampihinanambilona ka ny saina tsy tafandry

Nefa nambara taminay fa io lay nandrasanay

Hay tamana tao izy, tsy tsarony intsony izahay

Ny tranonay, ny sakafonay ny haingonay sy ny sisa

Maro be  ny voahomana handraisana  tsy voaisa

Menatra aho Jesosy ,  tsy zavatra ivelany ihany

No nahamaika Anao sy notadiavinao  hatrany

Fa ny foko voadio, tia Anao sy tia ny namana

No tadiavinao,   irianao ary tinao ho tanana

Koa mba ekeo Jeso ity foko   tsy soa

Na dia tsy mendrika  aza  hitoeronao tokoa