Teny ho vakiana

Isaia 61 : 1-11

I Tesaloniana  5 : 16-24

Jaona 1 : 6-8, 19-28

Asa raha tadidintsika roampolo taona lasa izay dia nahitana olona  mandeha mitory teny eny an-dàlambe sy eny an-tsena tany amintsika. Misy ny nijanona nihaino azy ireo  nefa ny an-kamaron’ny olona dia mandalo fotsiny. Nisy ny naneso. Nisy ny nihome. Tato aoriana moa dia noteren’ny fanjakana hanorina fiangonana ireny olona ireny.Somary nangina teo ilay fitoriana teny an-dàlambe. Tahaka ny fanaon’izy ireny no nataon’i Jaona Mpanao Batisa. Saingy teny amoron’ny ony Jordana izy no nitory.

Ny mahagaga anefa dia azo lazaina fa mitovy. Nefa tsy sahala  ny fihetsiky ny olona tamin’ny andron’i Jaona sy ny fihetsik’isika. Ho an’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa  dia toy  tsy teo an’Andriamanitra. I Malakia  mantsy no mpaminany farany ary hatramin’izay dia tahaka ny  tsy niteny intsony Andriamanitra. Nony nitranga i Jaona Mpanao Batisa dia maika ny olona nibosesika nanatona azy. Teo ambany ziogan’ny Romana ny olona ka naniry fatratra ilay Mesia nampanantenaina izay noheveriny fa hanakifika ny fanjanahana nataon’ny Romana

Fa ho antsika koa mba   tena tsaroana koa ve  ny tsy maha eo ny Tompo. Eny, angamba ny valiny fa hoy isika “ Raha eo  Izy dia ho izao   fahoriana be izao no hita eto amin’izao tontolo izao. Eo tokoa ve Izy dia ho hita be tahaka izao ny tsy fitoviana ka ny manana ihany no manana. Eo ve Izy dia mivoatra be tahaka izao ny fanjakazakana ataon’ ny mahery. Raha eo Izy dia miangatra Izy. Fa ny tena maha-lasa fisainana dia ny hoe: sao dia tsy nisy mihintsy ary Izy. Fa tsy hoe tsy ao fotsiny. Inona indray moa no ilana Azy, satria na eo Izy na tsy eo toa vita ihany ny fianan’ny olombelona. Hany ka tsy manaitra antsika na dia hisy hikikika eny an-dàlana sy eny an-tsena aza hanambara ny momba Azy.

Ho an’ny Jiosy tamin’izany andro izany nony nitranga i Jaona Mpanao Batisa dia maika ny olona ka nanotany azy hoe : Hianao va no Kristy ? Tsotra ny valiny nomen’i Jaona : « Tsy izaho no Kristy fa… eto aminareo misy Anankiray izay tsy fantatrareo …tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. » Jaona 1 : 26-27 . Tsy nahafaly ny fariseo sy ny mpanora-dalàna izany satria aminy izy no mahafantatra tsara ny momba an’io Mesia io.  Raha tonga io Mesia io dia izy no voalohany  hahafantatra izany. Saingy mbola tsy eo io Mesia io fa mbola andrasana koa ahoana no ilazan’i Jaona fa eo aminareo io Mesia io.

Tahaka ny fariseo sy ny mpanora-dalàna koa isika. Hay Andriamanitra tsy lavitra antsika  fa tsy hitantsika na tsy fantatsika. Takon’ ny rendrarendran’izao tontolo izao Izy ka tsy hitantsika. Marenin’ny horakorak’izao tontolo izao isika ka tsy re intsony ny feony.

Nefa efa roa arivo taona mahery Izy no niseho.  Toa tena mbola lavitra be ny fahalalantsika ny Tompo. Hatraiza ny fahatsapantsika ny fisin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Moa ve efa mba nanova ny fiainantsika ny Tompo. Hoy isika fantatro Jesosy satria efa voavakiko manontolo ny Baiboly. Ary betsaka ny andininy ao amin’ny Soratra Masina haiko tsianjery.  Fa tsy izany no zava-dehibe fa ny fahatsiarovatsika Azy ao amin’ny fianantsika. Sa kosa tahaka ny Jiosy isika ka mbola hiandry hatrany ny fiaviany.

Nitohy ihany ny fanontaniana napetrakin’ny Jiosy :  “ Elia va hianao  ?… Ilay Mpaminany va Ianao ? » Valiny  : « Tsy izy aho… Fa iza ary hianao … Izaho ny feon’ny miantso mafy any an’efitra. » Jaona 1 : 20-23. Nambarany koa fa Ilay Izy tadiavianareo dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. Tena nahatsiaro sahirana izy ka nampiana aza hoe “Izaho tsy maintsy mihetry fa Izy tsy maintsy misandratra”. Ny miasa no niantso azy. Ny asa nilana azy dia ny hanamboatra lalana.

Dia hoy isika  raha lazaina hoe Elia i Jaona Mpanao Batisa dia tsy marina izany fa ahoana kosa no tsy nanekeny ho ny Mpaminany. (Jaona 1 : 21)

Mpahazo ny olombelona  ny manora-tena mazàna. Tsy hanotaniana akory dia maika ery hilaza tena  ho izao sy izao. Angamba tsy misy maharatsy izany saingy takonantsika Andriamanitra. Ny tena no tiantsika haseho mialoha. Ireo teny nataon’i Jaona ireo dia mampianatra antsika koa hahatsiaro ny andraikitra napetraka amintsika . Ny miasa no anjaratsika, ny manompo. Indraindray tsy ekentsika raha misy olona mihoatra antsika na dia eo amin’ny asan’ny Fiangonana aza. Mazàna mihevitra isika fa tsy misy mahasolo antsika mihintsy ary raha misy mitady hioatra antsika dia enjehina.

Raha vao nandray ny asany i Jesosy dia nanomboka tsy heno intsony i Jaona. Nanokatra ny làlana no anjarany. Rehefa hitan’ny olona ny làlana dia nietry izy ary nomeny tanteraka an’i Jesosy ny toerana.  Na dia ireo mpianany aza izay nitady hiaraka amin’i Jesosy tsy nosakanany.

Izay zava-dehibe tamin’i Jaona Mpanao Batisa dia ny iraka nomena azy dia ny hanamboatra ny làlan’ ny Tompo Andriamanitra. Rehefa tsy manaiky ny aroso mialoha isika dia tsy maintsy koa misaina ny hanatotosana ny iraka napetraka tamintsika. Ny hanamboatra ny làlan’ny Tompo. Hanomana ny olona handray Azy amin’izao Krismasy izao.

Ny kristiana dia mankalaza ny Krismasy. Misy antokom-pinoana kristiana  izay tsy manao izany. Tsy misy maha ratsy izany. Satria ho tsaroana fa teraka ao anatin’ny fon’ny tsirairay ny Tompo.Isan’andro izany dia tokony ho Krismasy.  Raha izany dia tokony koa ho isan’andro ny iraka nomena antsika dia isika ilay manaiky ho ny feo miantso any an’efitra.