Alahady faharoa amin’ny Advento

Marka 1: 1 – 8

Raha mijery ny soratra voalohany amin’ireo filazantsara 4 isika dia mahita ny fahasamihafana.

  • Ny an’i Matio dia manokatra ny bokiny amin’ny alalan’ny tetiharana.
  • Ny an’i Lioka dia nanomboka tamin’ny famotorana ny zavatra niseho.  (Marihina fa ny Asan’ny Apostoly dia filazantsara izay tohin’ny an’i Lioka.)
  • Ny an’i Jaona kosa dia novelariny teo ny amin’ny maha zava-dehibe ny Teny ary narindrany amin’ny alalan’y tononkalo izany.
  • Ny faha-4 kosa dia i MARKA izay tena miavaka. Izao no voalaza ao « ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. »

Ireo fanamarihana ireo dia mampiseho amintsika fa tsy mitovy ny fomba fitantarana nataon’ny evanjelistra fa samihafa na dia Jesosy Kristy aza no lazainy.

Mahafaly ahy ny fomba filazan’i Marka ny amin’i Jesosy Kristy izay nasainy nambaran’i Jaona Mpanao batisa.

  • Hoy izy « ny niandohan’ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. »

Efa taty aorian’ny nitsangananan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty ity soratra ity. Efa zavatra maro no nikasika ny fiainan’i Jesosy. Maro ny vavolombelona. Maro ny mpanadiady na dia tsy nanoratra avokoa aza ny olona rehetra. Maro no lasa fisainana.

Ny mpanao heviteny dia milaza fa ny filazantsaran’i Marka dia voasoratra talohan’ireo 3 hafa. Ary toa tao no nanovozana sy nanitarana ny tantaran’i Jesosy Kristy.

Mahay tokoa izany ireo hafa izay nanampy ka indraindray aza dia heverina fa toy ny boky iray ihany ireo.

Fa ny mampiavaka an’i Marka dia ny filazan’i Jaona Mpanao Batisa ny amin’i Jesosy izay efa toa olon-dehibe. Tovolahy handray ny asany. Ary alohan’ny hidirany amin’izany dia nampiomana ny rehetra i Jaona Mpanao batisa fa indro ho avy ilay Mpamonjy. Ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Fantatra fa ny firenena Hebreo izay nantsoina hoe Israely taty aoriana ary mbola nantsoina ihany koa hoe « jiosy » rehefa niparitaka ary nijaly ka  niandry tanteraka ny fiavin’ny Mesia. Niandry fanafahana. Niandry famonjena.

Izany rehetra izany dia mampiseho ambaratongam-potoana samihafa. Izany hoe samy manana ny fotoany ny zava-drehetra.

Eny àry, fa miandoha ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy. Hilaza zavatra tsara Izy. Ho liana avokoa izay handre izany raha tokony ho izy. Tahaka antsika hihaino vaovao na aiza na aiza haharenesantsika izany. Liana mihitsy aza amin’ny fiandrasana ny ora hihainona hoe : Toy izao no vavao.

Ny an’i Jaona Mpanao batsisa dia toa izao : « Fiandohan’ny Filazana Tsara. Filazantsara .

Manomboka eto dia  ho tsara hatrany ny vaovao ary ilaina ho zaraina izany.

 Noho izany :

  • Ataovy mahitsy ny lalana alehany. Olona hitondra soa Izy ka raiso tsara.

Ary ny zava-dehibe

  • Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina.

Hahazo hery ianareo ary tsy ho kivy amin’ny fiainanareo. Ny amin’ny zavatra mitranga aminareo. Izy no hiady ho anareo. Izy no hampahery satria Izy no hahatonga anareo ho mpandresy. Satria ny batisa dia mifono anareo ho amin’ny fahasahiana sy ny fitiavan’Andriamanitra izay nanadio sy nanafaka anareo amin’ny fahotana.

Eny natambatr’i JAONA Mpanao batisa ny anarana « Jesosy Kristy : dia ny maha olona izay tonga tety ambonin’ny tany ary nanatanteraka ny asa nomen’Andriamanitra Rainy azy. Ary ny maha Andriamanitra azy dia Kristy rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy. Ary ny Fanahy Masina no nampitsangana Azy.

Jesosy Kristy dia Zanak’Andriamanitra hoy Jaona dieny aty am-piandohana. Io no mahavariana satria io koa no mahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra noho ny nananganany antsika tao amin’i Jesosy Kristy ho zanany. Raha tsy izany tsy tanteraka ny famonjena antsika.

 « Ny Filazantsara Zaraina » ho ADVENTO SAMBATRA no diavintsika.