Lioka 1 : 26 – 38

Tamin’ny fahenim-bolana dia nirahin’Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna iray any Galilia antsoina hoe Nazareta, ho any amin’ny virijiny iray, izay voafofo ho vadin’ny lehilahy iray atao hoe Josefa, avy tamin’ny taranak’i Davida ; ny anaran’ilay virijiny dia Maria. Nony niditra tao aminy ilay anjely dia niteny hoe : Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany. Hoy ilay anjely taminy :

Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fahasoavana tamin’Andriamanitra ianao.

Indro hitoe-zaza ianao ka hiteraka zazalahy

Ary ny anarany dia ataonao hoe JESOSY.

Izy ho lehibe ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra ;

Ny Tompo Andriamanitra hanome Azy ny sezafiandrianan’i Davida rainy ;

hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ;

Ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperan.

Dia hoy i Maria tamin’ilay anjely : Hanao ahoana re no hahatanteraka izany,

 fa tsy nahalala lahy aho ?

Ilay anjely namaly azy hoe :

Ho tonga aminao ny Fanahy Masina, ary hisy

herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao ;

Koa ny Masina izay haterakao dia hantsoina hoe : Zanak’Andriamanitra.

Ary indro i Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza ; efa mandray ny fahenim-bolana izy, izay natao hoe momba, izao.Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra lazain’Andriamanitra. Dia hoy i Maria : Inty ny mpanompovavin’ny Tompo ; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao.Dia nandao azy ilay anjely. Amena