Inona indray moa no fanomezana lehibe mihoatra an’i Jesosy Kristy izay tonga hamonjy izao tontolo izao.

Tahaka ny tononkalo no ilazan’ny filazantsaran’i Jaona momba Azy: ny Teny.

Ny fiainantsika eto an-tany koa dia hahitana karazana teny maro samihafa izay hahazon’ny olona rehetra mifandray.Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankatoavana Azy no teny ambony indrindra mitondra fahavelomana sy fifaliana ary fahasambarana.

Teny feno hamamina, teny feno fitiavana . Ho ao amintsika ilay hazavana lehibe sady ho taratry ny rehetra tahaka izany ny teny mivaoka ao am-pontsika  . Fa raha teny feno fanesona, fanenjehana, fankahalana, famitahana dia mbola hitoeran’ny haizina ny fo sy ny saina. Ka miaina ao anatin’ny fahantrana. Rehefa natolotra anao maimaim-poana ny hazavana amin’ny alalan’ny Teny , aza mandà izany ary.Fa ho velona ianao sy ny firenenao.

Ho krismasy isan’andro ny fiainana. Mandehana fa rakom-pahazavana ny lalanao.  Mirosoa fa aza matahotra.