FA NY TOMPO

Fa ny Tompo no nitia
Sy nitantana ny dia
Ka ny taona roampolo
Dia nivalona daholo
Mba ho raki-tsarobidy
Izay tavela ho tadidy

Fa ny Tompo no niaro
Ka ny tsara nifangaro
Tamin’hakiviana koa
Dia nitambatra ho soa
Nanamboatra sy nanefy
Hafaliana tsy voarefy

Fa ny Tompo no hitahy
Fa tsy misy mampanahy
Ka ny ho avy hantenaina
Hitondra filaminan-tsaina.
Sy hery entina hiasa
Haha-to izay kinasa

(Ho fahatsiarovana ny faha -20 taona ny Tafo FPMA Nancy 2002)