Ny Korintiana faha-2 sy ny bokin’Ezekiela . Andininy vitsivitsy no atolotra eto.

Ny Korintiana dia milaza ny fahasarotan’ny fitoriana ny Filazantsara. Zava-dehibe tamin’i Paoly ny finoana sy ny fahatokisana.

Ny bokin’Ezekiela  dia mampiseho ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny firenena nofidiny. Nivadika taminy ary nanompo andriamanin-kafa. Maro ny sary mikasika ny fitondran-tena (Ohola sy Oliba izay tany roa : Samaria sy Jerosalema)

1/7  — 2 Korintiana 7

and 5 : Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy nisy hiainan’ny nofonay, fa nampahorina tamin’ny zavatra rehetra : teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra

and 11 : Fa, indro, izany nampahalelovana araka an’Andriamanitra izany indrindra dia nahatonga fahazotoana manao ahoana tao aminareo !eny, fialan-tsiny manao ahoana ! fahatahorana manao ahoana, faniriana manao ahoana, famaliana ny ratsy natao manao ahoana ! tamin’izany rehetra izany dia nampiseho ny fahadiovanareo ny amin’izany raharaha izany ianareo.

And 16 : Ary faly aho fa matoky anareo amin’ny zavatra rehetra.

2/7 — 2 Korintiana  8 :7

Fa araka ny itomboanareo amin’ny zavatra rehetra, na amin’ny finoana, na amin’ny teny, na amin’ny fahalalana, na amin’ny fahazotoana rehetra, na amin’ny fitiavana anareo anay, dia aoka ho araka izany koa no hitomboanareo amin’izao fahasoavana izao.

3 /7 — 2 Korintiana  8 : 20-21

Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’izao harena ataonay amin’ny fanompoanay; fa miomana hanao izay mahamendrika izahay, tsy eo imason’ny Tompo ihany, fa eo imason’ny olona koa.

4/7 — 2 Korintiana 9 : 6-7

Izay mamafy kely, dia kely no hojinjainy ; fa izay mamafy be, dia be kosa no hojinjainy. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena ; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.

5/7 — 2 Korintiana 10 : 17-18

Fa izay mirehareha, dia aoka ny Tompo Andriamanitra no ho reharehany. Fa tsy izay midera tena no ankahasitrahany, fa izay derain’ny Tompo.

6/7 — 2 Korintiana 11 : 3

Fa matahotra aho( hoy Paoly), fandrao ny sainareo ho simba hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy, tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny.

7/7 — 2 Korintiana 11 : 21

Manalà-bara-tena aho(hoy Paoly) ka toa manaiky fa malemy izahay !

Fa amin’izay mahasaha ny olona (miteny toy ny adala aho), dia mba sahy koa aho.

8/7 — 2 Korintiana 12

And 9 : Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena …

9/7 — 2 Korintiana 12 : 20

Fa matahotra aho(Paoly), fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako, ary ho hitanareo aho ho toy izay tsy tianareo ; fandrao hisy fifandirana, fialonana, fiafonafonana, fifampiandaniana, fanaratsiana, fibitsibitsihina, fieboebona, fikotranana, eny fandrao, rehefa tonga indray aho, dia hampihetry ahy eo anatrehanareo indray Andriamanitro, ary izaho hanana alahelo amin’ny maro izay nanota teo aloha ka tsy mbola nibebaka tamin’ny fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejona nataony.

10/7 — 2 Korintiana 13 : 5

Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo na tsia ; izahao toetra ny tenanareo. Moa tsy fantatrareo va ny amin’ny tenanareo, fa ao anatinareo Jesosy Kristy, raha tsy olona nolavina ianareo ?

11/7 – Ezekiela 16 : 1-2

Tonga indray ny tenin’ny Tompo Andriamanitra nanao hoe : Ry zanak’olona ampahafantaro an’i Jerosalema ny faharatsian-toetrany …

12/7 – Ezekiela 16 : 15

Kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin’ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy  izany …

13/7 – Ezekiela 16 

And 44 :Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin’izao ohabolana izao hoe : « Manahaka an-dreniny ihany ny zazavavy » …and 62-63 Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izao no Tompo Andriamanitra. Mba hahatsiarovanao sy hangaihaizanao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatra, raha mamela ny helokao rehetra tamin’ny nataonao Aho, hoy ny Tompo Andriamanitra.

14/7 – Ezekiela 17 : 9

Ataovinao hoe : « Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra : Ho vanona va izy ? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy ? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin’ny fakany intsony

15/7 – Ezekiela 17 : 24

Ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Tompo Andriamanitra no efa nanetry ny ny hazo avo ka hanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina, Izaho Tompo Andriamanitra no niteny sy nanao izany.

16/7 – Ezekiela 18 : 21 – 22

Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy ho tsarovana aminy intsony ; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.

17/7 — Ezekiela 18 : 23

Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy ny Tompo Andriaanitra, fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy ?

18/7 — Ezekiela 19

Tonon-kira  mampalahelo feno fampitahana maromaro ( vakio ny toko manontolo)

19/7 — Ezekiela 20 : 11

Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny manaraka izany.

20/7 — Ezekiela 20 : 18 _ 19

Aza mandeha araka ny fanaondrazana ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin’ny sampiny, fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo ; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany ;

21/7 —  Ezekiela 20 : 44

… Dia ho fantatrareo, fa izaho no Tompo Andriamanitra, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin’ny anarako, fa tsy araka ny làlan-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, hoy Izaho Tompo Andriamanitra

22/7 — Ezekiela  21 : 18

Fa vita ny fizahan-toetra. Ka manao ahoana raha ilay tehim-panjakana namingavinga iny aza no ho tonga tsinontsinona ? Hoy ny Tompo Andriamanitra.

23/7 — Ezekiela 21 : 31

Hoy ny Tompo tamin’ny mpanjakan’Israely : « Hesorina ny hamana, ary halàna ny satroboninahitra, tsy ho ao intsony ireo ; hasandratra ny iva, ary haetry ny avo …

24/7 — Ezekiela  22 :  12 & 16

Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-dra ; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ny namanao ka manadino Ahy   …

Dia ho hitan’ny jentilisa fa ny nataonao ihany no nahaloto anao hoy ny Tompo Andriamanitra

25/7 — Ezekiela 22 : 30

Ary nitady olona teo aminy Aho hanao mànda sy hijanona eo amin’ny banga eo anatrehako hifona ho an’ny tany mba tsy handravako azy, kanjo tsy nahita …

26/7 — Ezekiela  23 : 18

Ary rehefa naneho ny fijangajangany sy nampiseho ny fitanjahany izy, dia niombotra niala taminy ny fanahiko, toy ny efa niombotan’ny fanahiko niala tamin’ny rahavaviny ihany .

27/7 — Ezekiela 23 : 27

Ary hatsahatro  ny faharatsian-toetranao dia ny fijangajangana izay fanaonao hatrany amin’ny tany Egypta, ka tsy handrandrainao aminy intsony ny masonao, sady tsy ho tsarovanao intsony Egypta .

28/7 — Ezekiela 23 : 39

Ary nony efa novonoiny ho an’ny sampiny ny zanany, dia nidirany tamin’iny andro iny ihany ny fitoerako masina ka nolotoiny ; koa, he ! izany no nataony teo anatin’ny tranoko.

29/7 —  Marka 11 : 17 & 24

Dia nampianatra ny Tompo  ka nanao hoe taminy hoe : Tsy voasoratra hoe va : «  Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra(Isaia 56 :7) fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy (Jeremia 7 :11)

Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona ananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba avelan’ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo.

30/7 — Marka 11 : 27

Ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanontany azy hoe « : Fahefana mano ahoana no anaovanao izao zavatra izao ?

And 33 : Izaho(Jesosy) kosa tsy ilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.

31/7 – Marka 12 : 10

Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izy no natao vato fehizoro.