Ao anatin’izao alina mangina izao Tompo eran-tany no manondrika ny lohanay mivavaka Aminao izahay. Mahatsiaro ireo rehetra izay tratran’ny fampijalina ka simba ny tenany. Ao ireo tapitra niala ny nifiny ka tsy manana hitsakona intsony. Ao ny lasa jamba satria nokapohina ny masony. Ao ny lasa marenina satria nokapohina koa  ny lohany. Ao ny bory tanana. Ao koa ny tsy misy tongotra intsony. Ao ny lasa malemy satria tapaka ny taolana na simba ny ozatra. Natao fanahinina ireo vono rehetra ireo. Mivavaka ho an’ireo rehetra izay niharan’ny fijaliana na iza na iza tratran’izany eran-tany.Ary ho lavitr’azy ireny ny hamaly faty.

Mivavaka koa ho an’ireo  mampijaly mba hanovan’Andriamanitra ny fony vato ho fo nofo.Mahatsiaro Anao Jesoa kristy izay noviravirain’ireo nanenjika Anao. Tao ny kapoka sy ny eso. Niaraka taminao koa ireo jiolahy.Nefa Ianao dia namela heloka an’ireo izay nampijaly Anao. Ny jiolahy iray aza nolazainao fa ho tafahoana Aminao any amin’ny fanjakanao. Mba hahateny tahaka izany ve izahay? Lalina ny fitiavanao.

Inona no azonay atao amin’ny izay  nampijaliana  sy mpampijaly? Olona toa anay anie izy ireny ? Inona no azonay atao mba hitsaharan’ny fampijaliana? Inona no azo atao hitsaharan’izany? Inona no azo atao hitsaharan’izany?

Ao ny mahita fifaliana sy fahafinaretana amin’izay hampijaliany. Heveriny ho toy ny kakana aza ny olona. Tahaka ny omby hanitsaka izay hitany rehetra eny an-dalana ny mpampijaly.

Mino izahay Tompo,fa ho hampitsanganinao izay mahatsiaro reraka. Ny Fanahinao no hampahery azy rehetra .Izay mihevitra ho mahery sy matanjaka dia hahatsiaro indray andro any fa Ianao no Tompon’izao rehetra izao . Mino koa izahay fa mihaino ny vavaka ataonay Ianao ary tsy manadino na dia ao anatin’ny aizina aza ny tany.

Ao anatin’ny alina mangina no hiantsonay Anao Tompo. Mitenena aminay tsirairay avy .Amena