Ny epistilin’i Timoty no arahantsika mandritra ny fotoanan’ny Karemy.

Noho ny fahafantaran’i Paoly tsara iny faritra misy an’i Timoty izay hitoerany sy hiasany dia tsy nisalasala i Paoly nanamafy taminy an-tsoratra ny asa tokony ifatohany. Vao haingana ihany mantsy no nisin’ny olona niova fo ho mpanaraka an’i Kristy tany.Noho izany dia ilaina hamafisiny ny hevitry ny Filazantsara.Satria misy koa ireo mpihatsaravelatsihy ka mifaninana amin’i Timoty. Ao ny fampianarana sandoka izay mibaribary. Tsy mifanaraka amin’izay fampianaran’i Kristy.Misy mihevitra rehefa miteniteny momba ny Tompo Jesosy izy dia izay no tokony inoana na dia diso izao aza no voalaza. Tsy afaka hanompo Tompo roa samihafa fa tsy maintsy mifidy izay arahina. Toy ny hoe ny fananana harena dia ampitoviana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ka mahatonga azy ho latsa-danja. Ao koa ny manararaotra ny amin’ny fitantarana anganongano izay mamitaka ny olona. Ny angano izay tantara tsy maninona satria misy hevitra azo raisina ao.Fa ny anganogano fotsiny dia mifanohitra amin’ny Filazantsara satria natao hisintomana ny olona ho amin’ny zavatra hafa.Ka ny malemilemy saina dia voatarika mora ho azy. Toy izany koa, tsara ny fahalalana ny tantaram-pirazanana . Fa tsy natao hiteraka adi-hevitra no mampalahelo, na mampiditra ady tsy hifankahazona intsony. Ilaina izany ny fandinihina lalina ny amin’izay lazaina.Ary ny mpanompon’Andriamanitra toa an-dry Timoty dia nangatahan’i Paoly ho mailo, hitandrina, hanitsy ny tsy mety. Satria mety ho voatarika amin’ny làlana tsy mety ny mpanara-dia an’ny Tompo Jesosy.Mety hitranga izany. Maro ny mpandrebireby.

Nampahatsiaro koa i Paoly fa ny didin’ny fandrarana dia ny fitiavana.Fitiavana madio.Voalohany eo amin’izay takin’Andriamanitra amin’ny olona io eo amin’ny fifandraisana sy fiarahana amin’ny hafa. Saingy tsy maintsy kolikoloina. Misy olona izay tsy tia avy hatrany fa mila fotoana. Atao ahoana moa ny ilazana fa mpanaraka an’i Kristy ny sasany nefa atsy ambadika maneso, manenjika. Hany ka rehefa tafahoana amin’ny hafa dia resaka tsy manjary no miseho. Misy ny mpanitatra resaka na mampitombo.

Nampahatsiaro koa i Paoly hoe : ny tahaka ireny dia te hiseho ho mpampiana-dalàna. Ary misekoseko aza. Tsy misy toa azy. Saingy ny mampalahelo dia izay lazainy tsy mazava.Hitan’ny olona ihany fa misy fandrika ao.Ary na ny andriamanitra toriny aza dia mifanohitra amin’ny Filazantsara.Izy aza tsy mahalala izay itompoany.

Tsy tamin’ny andron’i Paoly ihany no miseho izany zavatra izany.

Fa min’izao fotoana izao inona no azo lazaina ny amin’ny soratr’i Paoly nataony ho an’i Timoty ?? Na ny marina kokoa dia ho antsika !

Voamarika eto ny toeran’ny fitiavana. Tena zava-dehibe io satria manova ny toetra ratsy ho amin’ny toetra soa sy mahafinaritra. Rehefa tsy misy ny fitiavana dia atao izay hampikorontana amin’ny asa sy fomba maro.Eny fa na dia ny olona ao amin’ny Fiangonana aza dia tratran’izany hany ka misaraka roa na telo ny Fiangonana.

Rehefa ao ny fitiavana dia tsy mitsiry ny saina hifaninana ka hampiseho fa izy no lehibe. Ary mampiditra hevitra sy fampianarana tsy mendrika ho hita ao amin’ny Fiangonana . Azo lazaina amin’ny ny fitarihana ny olona handika ny fitsipiky ny Fiangonana satria misy fitiavan-tena ao. Misy ireo nahita fianarana mihevitra fa tsy misy mahay toa azy.Ka mahay manao resaka an-kolaka ary miafara amin’ny adi-piangonana rehefa ela ny ela. isika ». Ao koa ny mihevitra fa izy no tompon’ny Fiangonana ka ataony izay hahazona toerana tsara ao hoy izy. Indrisy izany rehetra izany dia mampiseho fa tsy mbola lalim-paka ny fandraisana an’i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy. Nefa dia misy ny efa vita batisa manana toetsaina toa izany. Ao koa ny mpandray, ny diakona, eny fa na ny mpitandrina sasany aza.

Soritan’i Paoly tsara eto fa be ny mpihatsaravelatsihy ka tsy maintsy mitandrina. Ary mamporisika izy ho ny tena Filazantsara no torina sy hiainana. Natao hampieritreritra izany mba tsy hahadiso làlana ny mpino kristiana.