Ny mikasika ny lalàna indray no hampahatsiahivin’i Paoly an’i Timoty eto.

Nisy ny lalàna izay nomena an’i Mosesy mba hampahafantariny ny Zanak’Israely. Dia tsy inona fa ny Didy folo (Eksodosy 5 : 2-17). Io lalàna io rehefa dinihina dia fantatry ny olona rehetra eran-tany amin’ny alalan’ny lova-tsofina. Ny fomba fiteny sy ny filazana azy no mety tsy hitovy.Fa ny heviny dia iraisan’ny rehetra.

Mizara roa ny lalàna noraisin’i Mosesy :

  • ny mikasika an’Andriamanitra
  • sy ny mikasika ny olombelona.

I Paoly apostoly dia mpahay lalàna tsara ary nanana izay maha-izy azy eo amin’izany asany izany. Hany ka raha niova fo izy ary nanaraka an’i Kristy dia mbola nanamafy ihany ny amin’ny maha-zava-dehibe ny amin’ny lalàna.

Nolazainy fa ho an’ny mpandika lalàna ny lalàna. Kanefa ve moa tsy ho an’ny olona rehetra ? Rehefa nanontaniana Jesosy hoe : inona no lalàna lehibe indrindra, dia izao no navaliny : « Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, sy ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra. Ny faharoa dia tiava ny namanao, eny fa na dia ny fahavalonao aza ». Azo lazaina amin’ny teny iray dia ny « Fitiavana an’Andriamanitra sy ny olona ». Famintinana ny noraisin’i  Mosesy io.

Naninona no tsy mba lohateny hafa no nohamafisin’i Jesosy Kristy fony izy tety an-tany fa ny fitiavana no nataony ho voalohany sy ho zava-dehibe. Ny antony dia satria sarotra ny mitia. Misy dia misy ny olona sahirana ny mitia na ny havany, na ny mpiray tam-po aminy, na ny ray amandreniny, ary ny namany, na ny vadiny. Misy ny fitiavana taitaitra ka vetivety tsy toa inona dia levona. Fa ny takin’Andriamanitra amin’ny olona dia fitiavana madio, maharitra. Ary ny tsy fahatanterahana izany no hampahatsiahivin’i Paoly eto.

Voatanisany eto ny heveriny ho mpandika lalàna : ny mpikomy, ny tsy matahotra an’Andriamanitra, ny mpaniratsira, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpivarotra olona, ny mpandainga… Santionany ihany ireo.

Raha manaraka ny tenin’ny Filazantsara tokoa ny olona hoe : Tia an’Andriamanitra, tia ny olona , tia ny fahavalony dia tsy tahaka izao amin’ny andro iainanatsika izao ny tany izay misy antsika.

Raha manaraka ny lalàna mantsy ny olona dia tsy hisy ny ady maro misy eto amin’izao tontolo izao.Tsy toy ny tamin’ny ady lehibe roa izay nisy taloha fa madinidinaka atsy sy aroa. Nefa dia tena mahery vaika. Tahaka ny hoe tsy misy izay toerana izay tsy misy izany ady izany. Tena ady tokoa satria mifamono. Tsy misy antra na dia kely aza. Lasa mpifahavalo mandatsak’aina.Tsy misy fangorahana na ny kely, na ny antitra, na ny vehivavy, na ny kilemaina, na ny marary ho an’ireo izay maniraka an’ady na ny mpiady. Eny fa na dia ny toeram-pitsaboana aza voatifItra. Ary misy maty ny marary. Raha manaraka ny lalàna ny olona dia tsy ho misy izany. Satria tokony ho fantany fa tsy mety. Saingy tsy izany. Napetrak’Andriamanitra tao am-pony ny fitiavana fa tsy am-piasain’ny olona izany.  Fa izay tiany atao ihany no ataony. Ilay fitiavana ny olona dia hadino, na mody manadino fa olona tahaka azy ihany no vonoiny. Inona anefa no soa entin’izany ? Misy firenena izay misy vonoin’olona nefa tsy misy mpiresaka.

Tahaka ny hoe efa ao an-tsain’ny olona ny handika ny lalàna ka na ho meloka na tsia izy dia ataony ihany izany. Raha mieritreitra ny zava-miseho any amintsika dia mahavariana ary mampiteny ny moana. Ao ny asan-jiolahy maro : mamaky trano, mangalatra, mamono olona noho ny alatr’omby, manolana. Tsy ny jiolahy ihany no manao izany fa misy olona koa izay manao ny tsy mety mihitsy ary tsy ampoizin’ny maro. Nankaiza ny fitiavana nomen’Andriamanitra ka napetrak’Andriamanitra tao amin’izany firenena izany mba ho voninahiny. Misy dia misy ny mpanambaka toy ny voalazan’i Paoly. Misy koa, eny tokoa, misy koa ny olona tsara.

Indray mandeha dia izao no voalazan’i Paoly apostoly : « Ny lalàna dia araky ny fanahy…ananako ihany ny fikasana hanao ny tsara fa saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ananako ary io no mambabo ahy amin’ny lalàna’ny ota. (Ny ota eto dia adika hoe: tsy finoana). Hany ka io tsy finoana io no miteraka tsy fahatokisana an’Andriamanitra ka mahatonga ny olona te hihohatra ny fefy izay voasoritra. Aza hadino fa na dia ao aza ny fahafahana dia tsy afaka hanao ny zavatra rehetra ny olona tsirairay. Mihevitra ny tenany ho mahay sy mahery ary tsy matahotra an’iza n’izany satria heveriny fa azy koa ny fahefana ka manapatra izy. Ao koa ny fitiavan-tena izay miteraka sain-dratsy ary fahatezerana ho an’ny hafa.

Ny mpahay lalàna izay dia manana andraikitra lehibe amin’ny fampiasana azy ho amin’ny marina. Mahay mandinika. Mahay mampianatra. Tsy manatena vola afa-tsy ny karamany ihany, fa tsy mitaky mihoatra ka lasa tsy rariny. Tsy mifidy tavan’olona.

Tsy ny olona rehetra eran-tany no kristianina. Kanefa ny fitiavana dia teny ampiasain’ny rehetra ary hahavitana zavatsoa rehefa tena tia. Andriamanitra irery no manana ny fitiavana fara-tapony. Ary nasehon’i Jesosy Kristy izany fony izy teto an-tany. Harena lehibe tsy voavidy vola ny Fitiavana nomen’Andriamanitra antsika. Izay no lalàny : Tiava.  

Izay no teny hapetraka amin’izao alahady faharoa amin’ny Karemy 2020 izao.