album-art

Sorry, no results.
Please try another keyword
00:00

Fampitandremana ny mpitondra fiangonana 

Faly miarahaba antsika rehetra izay mihaino eto. Julia Darsot mpitandrina no miresaka eto.
Ny lohatenintsika androany dia hoe : « Fampitandremana ny mpitondra fiangonana ». Raha tadidinareo fa tao amin’ny podcast faha- 3 dia voalazako hoe : tena mahafinaritra ahy ary tiako ilay asan’ny mpitondra fiangonana. Ilay andraikitra izay tanterahina mikasika ireo asa mihitsy no tiako. Amin’ny fanatanterahana izany andraikitra izany anefa dia mifanerasera amin’ny olona maro ny tena. Ao ny mpiangona sy ny manana andraikitra samihafa ao amin’ny fiangonana. Ao koa ny olon- tsotra. Ao koa ny olona ivelan’ny fiangonana izay manan-kevitra tsara sy mahasoa rehefa miresaka aminy. Eny fa na dia tsy mpino aza izy.
Misy koa ny olona manana hevitra mifanohitra amin’ny tena. Raisina sy henoina izany ary dinihina aloha fa tsy voatery valiana eo no eo.

Amin’i Paoly apostoly izay mpahay lalàna dia tsy nisalasala izy niteny tamin’i Timoty ary nampitandrina. Amin’ny maha mpahay lalàna azy koa dia henjana izy ny amin’ny
fampiharana ny lalàna. Nampitandrina inona moa izy ? Nampitandrina ny amin’ny fomba fiainan’ny mpitondra fiangonana. Io ilay nolazaiko any amin’ny podcast faharoa hoe : ny fiainan’ny olona dia anisan’ny maka toerana lehibe amin’ny soratra ao amin’ny Baiboly. Ny mpitondra fiangonana eto dia dia ny teny grika eveka no nampiasaina. Ambony laharana amin’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany.

Fa raha lazaina amin’izao fotoana izao dia ireo mitondra fiangonana rehetra na inona
karazam-piangonana entiny. Miampy ny mpitondra fiangonana koa ny diakona. Ary nasiany teny ny vehivavy satria ny mpitondra fiangonana dia nanambady tamin’izany fotoana izany.
Fa taty aoriana moa dia nisy fiovana ho an’ny fiangonana sasany. Indraindray dia voakiana na voadoka ny mpitondra fiangonana. Na tanora na efa lehibe. Indrindra moa raha vao manomboka asa. Tsy voasakana ny tian’ny olona lazaina ary misy aza ny mamorona. Hita izany tsy amin’ny mpitondra fiangonana ihany fa amin’ny asa rehetra.

Mahery be ny tenin’i Paoly momba ny fampitandremana atao. 1 Timoty 3 : 2 sy ny manaraka … : « TSY MAINTSY » Hoy izy ! Tsy maintsy. Teny tena mitsatoka. Inona eo amin’ny asan’ny mpitondra no tsy maintsy tandremana. Izay no hanombohany azy. Tsy mivazivazy izy eo amin’ny fomba fiaina.

Tsara raha ampiharina amin’ny manana andraikitra ao amin’ny fitondram-piangonana rehetra ity hevitr’i Paoly ity. Ary azo raisina eo amin’ny lafiny fiaraha-monina. Indrindra ny andavan’andro’ ny mpiasa maro. Ny mpitondra rehetra na inona na inona asany no voakasiky ny fampitandremana. Fa tsy ny mpitondra fiangonana ihany. Ary manamafy ny hoe : tsara ny asa rehetra. Ka izao izany :

Tonga dia hoe Tsy maintsy ho tsy manan-tsiny. Mavesatra be izany. Tsy misy ny olona tonga lafatra fa saingy rehefa fantatra fa tsy mety ny zavatra atao dia hajanona na harenina hihatsara. Fa tsy miziriziry amin’ny toetra sy asa ratsy. Satria raha tsy manova ny toetra dia ianao ihany no ho maningotra ny tenanao ho solafaka. Izany hoe : miezaka tsy hanao ratsy ary tsy miray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy.

Manambady tokana. Nisy ny fomba taloha teo amin’ny firenena maro izay nanana vady maro. Ary mbola misy manao izany amin’ny tany sasany. Matetika izany dia miteraka fialonana. Ka tonga ny korontana sy fifanenjehana an-kolaka ka miafara amin’ny famonoana aza. Ary ny fananana zanaka maro vokatr’izany nefa tsy vita araka ny tokony ho izy ny fahamelona azy ireny dia efa fahadisoana na ho an’ilay rangahy na ho an’ilay ramatoa. Satria mifanilaka amin’ny fanabeazana ny zaza ary ao aza ny fisian’ny hakamoana amin’ny fandraisana adidy ao an-tokan-trano.

Tsy maintsy mahonon-tena. Betsaka ny zavatra tsiriritin’ny saina sy ny maso ary tiana atao avokoa na ho azo daholo. Fa saingy misy fetra. Izay tsy mahasoa tsy hikirizana hananana.
Misy ilay teny hoe : maso mijery tsy mitondra mody nefa dia tsy marina loatra. Satria ny saina dia tena miasa amin’ny fitsiriritana ary tena mampiasa izany ary tsy hay tohaina mihitsy intsony.

Tsy maintsy hendry. Ny olona afaka mandanjalanja tsara ny zavatra sy ny teny atao dia toa ny fananana harena eo am-pelatanana. Ary miavaka amin’ny fanoroan-kevitra amin’ny teny ataon’ny hafa. Mandinika sy misaina lalina tsara vao mandray fanapahan-kevitra.

Tsy maintsy tia filaminana. Alavirina ny fikorontanan-tsaina. Raha fifamaliana matetika no hiainana eny fa na dia ao an-tokan-trano dia alahelo sy korontana no ao an-tsaina. Mahatonga kizitina daholo ny zavatra atao. Tahaka izany koa raha tsy milamina ny efi-tranonao na ny tranonao sy ny ankohonanao fa feno zavatra miparitaka etsy sy eroa dia izay ny sary voaraikitra ao an-tsainao. Tsy misy filaminana ny fiainanao. Rehefa tia filaminana ka miezaka ho amin’izany dia mahatsiaro sambatra tokoa

Mampiantrano vahiny. Raha misy olona tonga hiantrano dia tsy lavina izy. Ny
fampiantranona tsy voatery hoe handry ao aminao izy fa mety mandalo kely ka mitsidika. Ary raha sendra tsy afaka manao izany dia lazaina aminy am-pahatsorana. Na koa mety hahemotra ny fotoana. Na lazaina izy fa mety hisy olona hafa afaka mampiantrano azy amin’ity indray mitoraka ity. Saingy amin’izao fotoana noho ny fahasahiranana dia sarotra ny mandray vahiny. Fa raha tsy vita izany dia miteny malefaka aminy amin’ny tsy fahavononana ary manaja azy fa tsy miavonavona.

Mahay mampianatra. Mampita ny zavatra hay amin’ny hafa mba hanam-pahaizana ny tsy nahita fianarana na ny mangetaheta hianatra. Anisan’ny asa lehibe mampandroso ny firenena io. Inona moa izany firenena tsy manam-pahaizana ny olona. Hambakan’ny olona fotsiny. Ny fiangonana nandray anjara lehibe mihitsy tamin’ny fampianarana. Ary maro ny manam-pahaizana nivoaka tamin’ny sekolim-piangonana.

Tsy mpimamo lian’ady. Ny fisotroana zava-mahamamo diso tahafoatra dia miteraka ady satria tsy voafehy intsony ny teny sy ny zavatra atao. Misy na dia misotro iray very aza dia tsy mahazaka. Mety koa hanapotika ny vatana sy ny tena.

Tsy mpikapoka fa mandefitra. Misy dia misy ny mikapoka vady sy zanaka satria tsy zakany na tsy mifanaraka amin’ny sitrapony ny zavatra ataon’ny hafa. Tsy ny herisetra akory no hahazoana manova olona fa ny fitenena am-pahendrena. Mandalina hatrany ny zava-misy.

Tsy mpila ady. Misy olona dia te hiady satria mihevitra fa izy foana no manana ny marina. Ary izay tafaraka aminy dia tsy mahazaka ny toetrany.

Tsy fatra mpitia vola. Io izao no tena manjaka ankehitriny ary mandohalika sy mivavaka amin’ny vola ny maro. Tandremo fa sarotra ialana rehefa rendrika ao. Amin’io fatra mpitia vola io no mahatonga ny risoriso rehetra. Mividy ny olona na mivarotra ny olona amin’ny alalan’ny vola hahazoana izay zavatra ilaina. Eny miteraka famonoana mihitsy aza.

Tsy maintsy mitondra tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany ho amin’ny
fahamaotinana tsara…
Loha laharana eo amin’ny fikolokoloana ny zanaka ny fitaizana azy. Ilaina ny fahatsaran’ny fitaizana mba ho olona vanona ny taranaka. Misy dia misy ny mpitondra variana amin’ny asany ka hadinony hatramin’ny zanany nefa izy mandany fotoana be ho an’ny asany. Ny antony dia satria matahotra ny kiana izay ataon’ny olona manodidina.

Ho maotina. Manana fiainana tsotra. Ny filaminana, ny fahadiovana dia miteraka
famaotianana. Ariana izay tsy mendrika eo amin’ny fiainana izay mety hanimba ny tena.

Tsy miroa teny. Tsy miovaova fitenenana ary tsy mamadika.

Tsy tia divay be. Azo atao ny misotro divay saingy tokony hahalala honony. Afaka miteny hoe : aok’izay.

Tsy tia harena maloto. Ity dia harena azo tamin’ny lainga, tamin’ny famitahana, tamin’ny fanambakana, tamin’ny fangalarana zavatra olona tamin’ny halalan’ny herisetra na fampitahorana eny ary tamin’ny famonoana olona aza. Ny fivarotan-tena koa dia anisan’ny harena maloto. Satria manao tsinontsinona ny vatana sy ny tena ary fanahy.

Tsy mpanendrikendrika. Tsy be resaka izay hanimbana ny fiainan’ny hafa. Tandremana satria tsy ny miditra ao amin’ny tena no ratsy fa izay mivaoka ny vava.

Mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Olona mahatoky ary azo hatokisana. Tsy hamitaka anao satria be fitiavana ary mahalala ny sitrapon’Andriamanitra.

Hatreo ary aloha ny androany fa mavesatra ny angatahana amin’ny mpitondra fiangonana satria izy no jeren’ny olona. Izy no mitarika sy manome hevitra. Manao ahoana ity mpitondra ity ? Manao ahoana ianao mpitondra ? Azo atao ho modely ve sa tsia. Jereo ny tantaran’i Mosesy. Ireo mpaminany. Inona no tokony hiova amin’ny fiainan’ny tsirairay, ny ahy ny anao ? Fa tsy mijery an-dranona sy ranona fa ny tena aloha.

Hitanareo fa ny fiainantsika amin’ny andavan’andro no resahan’ny Soratra Masina eto. Na dia tsy mpitondra fiangonana aza ianao. Mitovy daholo isika eo anatrehan’Andriamanitra ka tsy afa miala koa ianao raha manaiky hanaraka an’i Jesosy Kristy mikasika ireo fampitandremana izay santionany ihany . Fa tsy misy hoe fandemen-tsaina na fandrebirebena ny olona manaraka ny fivavahana kristianina. Dia izay indray ary !

Mametraka veloma mandrapiresaka indray Tompoko. Samy ho ahian’Andriamanitra. Veloma ô !

Vous aimerez aussi :

  • TSODRANO – PODCAST – Episode 2 – Ny Baiboly

    Marobe ny olona mamaky Baiboly na mpino na tsy mpino. Misy koa ireo izay tsy mamaky fa mamerina fotsiny izay reny. Tsara fantarina : inona izany no tena soratra ao. Indro fitarihana kely fotsiny mba hahazoana an-tsaina inona avy ireo lohateny vaventy. Tsy ireo ihany fa mbola misy …

     

  • Podcast – à écouter

     

  • Ny mpitondra fivavahana (2)

    Maro ny mametra-panontaniana hoe : inona no tena asa ataon’ireto mpitandrina ireto ? Famintinana ny atolotra anao eto fa mety misy tsy voasoratra. Azo hiadian-kevitra re !