album-art

Sorry, no results.
Please try another keyword
  • Nahoana no asa tsara ny mpitondra fiangonana. Marina sa tsy marina. Indro fizarana avy amin’ny traikefan’i Julia Darsot mpitandrina. Ny asa tsara miteraka fifaliana…
00:00

 Nahoana no asa tsara ny mpitondra fiangonana

Izay maniry ny ho mpitondra fiangonana dia maniry asa tsara. Miarahaba tsirairay anareo izay mihaino amin’izo fotoana izao.  I Julia Darsot mpitandrina no miresaka aminareo. Asa tsara ny mpitondra Fiangonana. Tena marina ve izany sa tsia ? Marobe ny asa tsara fa ity no nosinganin’i Paoly apostoly nolazainy tamin’i Timoty zanany ara-panahy. Paoly dia mpahay làlana. Nanana toerana ambony izy. Olona manam-pahaizana izany. Ary eken’ny rehetra teny.  

Asa tsara ny mpitondra fiangonana. Hamafisina fa ny mpitondrana fiangonana  dia tokony handrato fianarana ny amin’y  Teolojia sy Soratra Masina. Tsara koa  raha manana fahalalana ny amin’  ireo atao hoe « sciences humaines ». Tsy hoe haingintraingitra akory.  Ny teny « teolojia » dia avy amin’ny teny grika hoe : Teos, na Teo : Andriamanitra, lojia- logia : teny na resaka . Izany hoe fandalinana mikasika an’Andriamanitra avy amin’ireo teny ao amin’ny Soratra Masina izay tsy misaraka amin’ny fandalinana koa ny zanak’olombelona . Ireo finoana hafa koa dia manana ny teolojiany : toy ny « judaïsme » sy « Islam ». Raha Andriamanitra fotsiny mantsy no resahina dia mitanila ilay fianarana satria i Raolombelona koa dia tafiditra ao. Ao amin’ny Soratra Masina dia tantaram-piainan’ny olona no hita ao amin’ny akapobeny. Voalaza tamin’ny resaka natao tao amin’ny podcast N° faha- 2 izany. Raha mandinika aza ianao dia toa mangingina Andriamanitra. Tany maro sy firenena maro tamin’ny taon-jato maromaro no voarakitra ao anaty Baiboly ary hahitana zavatra samihafa noho izany. Manomboka any Egypta ka hatrany Mesopotamia Turquie ankehitriny sy ny manodidina.  

Asa raha mbola hisy any aoriana document hafa ho hita ka iresaka an’Andriamanitra na Jesosy Kristy. Tahaka ny document an’i Qumran, izay efa ela dia ela nefa voatahiry tsara tao anaty siny.

Ry olona ô. Marobe ange ny olona mivavaka ary manokan-tena momba izany. Fa ilay fianarana ho an’ny mpitondra fiangonana dia mbola tombony.  Aty Frantsa ohatra raha ny fiangonana protetanta dia miisa eo amin’ny 2 miliona mahery kely. Raha ny eo amin’ny misy ahy dia misy ireo mianatra eny amin’ny Faculté de théolojgie. Raha atambatra dia  miisa eo amin’ny 150 eo. Saingy 10 raha betsaka ny hanao mpitondra fiangonana. Fa ny ambiny dia olona efa manana anton’asa, na efa misotro ronono, te hanaraka io fianarana io fa te hiverina hianatra ary ny teologie no nosafidiny. Tsy ny hahatonga ho mpitondra fiangonana no mahatonga izany fa ny fitiavana ny fanitarana ny fahalalana. Tsy mihevitra koa rizareo hifaninana amin’ny mpitondra fiangonana. Ary ny fananana laika maro mikiry mianatra ny resaka momba an’Andriamanitra sy ny olombelona dia hetaheta  lehibe amin’ny olona na dia tsy miloa-bava ny amin’izany aza. Misy tsy mpino fa dia mianatra koa izy. Ary mahaliana ny mifanakalo hevitra amin’izy ireny.

Ho ahy IRETO  ny asa lehibe miandry ny mpitondra Fiangonana. Ary tsy azo atao an-tsirambina.

Ny voalohany lehibe -dia ny « fanompoam-pivavahana ary ao anatin’izany indrindra indrindra ny  Toriteny sy ny hira ». Mila fianarana manokana koa io ary atao eny amin’ny fanomanana mpitandrina izany. Momba ny toriteny dia Ilaina ny fahaizana ny teny hebreo ary ny teny grika satria ireo no nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany. Ny teny malagasintsika tsy hoe ratsy akory. Fa efa nisy dikanteny maro taloha vao tonga eo amin’ny antsika… Rehefa manomana toriteny dia mivelatra eo anoloana ny Baiboly hafa ISANKARAZANY : hebreo, grika, dictionnaire, raki-bolana sy ny boky izay nosoratan’ny mpanao heviteny hafa. Ilaina koa ny fahaizana ilay teny malagasy raha malagasy ny mpiangona ao aminao. Na tenimpirenana hafa araka izay toerana misy anao raha aty France, na Allemagne, na Pays Bas, na Canada, na Norvège sns …

Tamin’izaho nitondra fiangonana dia toa izao no fanaoko.

Voalohany – Rehefa tonga ny alahady hariva dia efa jereko inona ny perikopa amin’ny alahady manaraka. Ka mandritra ny alatsinainy ha hatramin’ny alarobia dia misaintsaina iny perikopa iny aho ary mieritritra ho inona no boky hafa azoko hakana hevitra. Manoratra naoty kely koa mba hahafantarako ny lohatenin’ny toriteniko. Miaraka amin’izany koa ny hira izay ho atao ka izay mifanaraka amin’ilay toriteny. Satria fotoam-pivavahana manontolo no homanina. Ary voahangona tsikelikely ny ho lazaina. Milamina tahaka izany koa ny rafitra izay arahaina. Rehefa tonga ny alakamisy dia manoratra manontolo ny toriteny aho. Ao ny kosehina, ny hahitsy, ny mamerina, ary mandany fotoana izany. Ny zoma mamerina mamaky sy manitsy farany. Tsy maintsy atao vita ny zoma sao misy zavatra na fotoana hafa tsy ampoizina ka amin’izay tsy sahirana. Indraindray mety ovaina ny toriteny izay nomanina na mety ho soloina mihitsy araka ny toe-zavatra miseho amin’ny fiaraha monina na ny firenena na mikasika izao tontolo izao. Tahaka ny hoe : nisy ady nipoaka tampoko, na nisy horohoro tany, na tondran-drano nahafaty olona maro. Soa fa tsy matetika izany.

Fa ny toriteny dia fotoana hihainon’ny mpiara miangona ny hafatr’Andriamanitra, natao hamelona ny fanahin’izay manatona an’izay inoany. Manongilan-tsofina ny mpihaino izany. Ao daholo ange ny karazan’olona : mahantra, manakarena, salama, marary, mpiasa tsotsotra, mpiasa ambony ao amin’ny firenena, nahita fianarana, tsy nahita fianarana sns, polisy, zandary, miaramila, eny mety ho ny filoham-mpitondram-panjakana koa aza ….

Ny toriteny tsy kabary – na hanaovana tantara mampihomehy tahaka ny hatsikana- na fanenjehana olona na finoana hafa ka faly ny mpiangona sasany any am-pony any hoe : tena nahazo rizareo retsy.

Faha-roa lehibe – Ny Fampianarana na ny fandalinana ny Tenin’ny Soratra Masina (Etudes biblique) dia zava-dehibe. In- telo isan-kerinando ny études biblika tamin’ny Fiangonana nentiko : Maro ange re olona ny maniry ny hianatra ny tenin’ny Soratra Masina. Tia mikaroka ny olona amin’izao fotoana fa efa lany andro ny hoe toloram-potsiny. Ary raha tsy manao etude biblique koa ny mpitondra fiangonana dia tsy mivaotra ny toriteniny.

Misy ny olona manatrika ny fandalinana isan-kerinandro ary amin’ny andavan’andro satria tsy miasa izy. Maro rizareo na dia zokiolona ary mazoto. Variana ianao mahita olona efa eo amin’ny 60taona, 70 taona, 80 taona ny ankamaroany nefa dia faly mianatra ny Tenin’ny Soratra Masina. Ary tsy tapaka mihitsy manatrika izany mandritra ny taona ary tsy tapaka mihitsy afa tsy amin’ny fotoam-piala-sasatra ihany.

Misy kosa izay tsy afaka raha tsy ny hariva rehefa avy miasa.  Hahitana mpivady maromaro. Tanora ary eo am-perin’asa daholo ny ankamaroany. Eo amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 10 ora alina ny fivoriana. Voahaja ny ora satria mbola hiasa ny ampitso.

Nisy koa dia ny sabotsy maraina ho an ’izay miasa ny andavan’andro ka ireo olona manao garde na astreinte amin’ny asany no maro amin’izy ireny.

Samy manana ny lohateny dinihina ireo andian’olona telo ireo. Ohatra hoe : Inona no tena hasongadin’ny bokin’i Joba ? Na koa : Mangina ve Andriamanitra ? Na koa : Ahoana ny amin’ny fambolena ao amin’ny Baiboly ? Iza no tena mpaminany ? Ny fifindra-monina ? Ny momba ny fanjanahan-tany … Misy izany …

Izay izany ny études bibliques

Faha-telo lehibe -misy koa ireo andian’olona izay ny azy dia ny mamaky boky iray ary mifandimby mizara izany ao amin’ny fivoriany. Ohatra hoe : Boky momba ny tantaram-piangonana sy ny firenena  ohatra hoe nahoana ny mpanjaka no filoham-pivavahana any Angleterre, na ny fanambadiana, na ny aretina misy tamin’izany fotoana izany ary ahoana ny fihetsiky ny fiangonana tamin’izany … sns …

Faha-efatra lehibe– Ny miara manomana ny lesona fampianarana sekoly alahady miaraka amin’ny mpampianatra sekoly alahady. Tsy mahazo mampianatra sekoly alahady ny mpampianatra raha tsy efa niara-nanomana izany tamin’ny mpitandrina. Ny ankizy mantsy tsy azo terena fotsiny hoe : tsy maintsy mino an’ity ianao. Noho izany dia ilaina ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mpampianatra sy mpitandrina. Tsy maintsy mazava amintsika ny lesona vao azo ampitaina amin’ny ny zaza.  Tsy hoe ny mpitondra fiangonana no tapi-pahaizana : Hiresaka an’i Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana. Ahoana no iresahana izany amin’ny ankizy 8 na 12 taona. Mety misy ankizy manana ray na reny maty ka ahoana no andraisany izany ? Ahoana no hanekeny izany fampijaliana an’i Jesosy. Tsy maintsy mitandrina amin’ny lesona hampianarina. Fa tsy hoe izay no nisy dia izay no tsy maintsy ekena satria izay no ao amin’ny Baiboly. Tsia ! Diso izany hevitra izany. Tsy maintsy mitandrina isika.  

Faha –dimy lehibe dia ny fampianarana katekomena. Efa nilaozan’ny toetrandro ny fianarana tsianjery.  Izaho tsy dia mankasitraka loatra ireny mpianatra katekomena asaina maka naoty mandritra ny toriteny. Satria hanatrika fanompoam-pivavahana no alehany ao fa tsy hianatra lesona. Miala sasatra ny tenany ary vonona amin’ny fihainoana. Fa tsy tokony elingelenin’ny stylo, kahie satria tsy afaka mifantoka tsara ny saina. Ny olona eo amin’ny manodidina azy ary angamba mijerijery hoe ary ity toa tsy mandray naoty. Tokony ho foanana ireny fa fotoana hafa no hanaovana azy. Ny toriteny dia fotoana hihainoana ny hafatra avy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ary tsy elingelenin’ny zavatra hafa.

Amiko tsara ilay asan’ny mpitondra fiangonana fa mampanakarena sy mapivelatra ny saina, mampivaotra -mampifanerasera amin’ny olona marobe. Raha miresaka an’i Egypta ohatra na Ethiopie dia manaitra ahy hanao fikarohanana hahafantarana ireo firenena ireo. Na dia hoe hijerena amin’ny Carte fotsiny aza hoe aiza no misy azy. Na hoe kay ve tany nisy olona nahay be ny amin’ny fandinihina ny lanitra sy ny zavatra eny amin’ny habakabaka. Ary tsy dia noresahana loatra ao amin’ny Baiboly.  Tiako hampahafantariko ny zanako izany. Satria aty amintsika malagasy misy olona koa mahay toa izany. Ary tena mahay.   Hahitako koa fa iray ny olombelona na dia samihafa aza. Tsapako fa manana hetaheta hitovizana ny olona : dia ny fanontaniana maro ny amin’ny namoronana izao tontolo izao.  Dia ny hoe : ahoana marina moa ny momba an’ Andriamanitra ? Ahoana moa Izy io ? Ary ahoana tsy hita Izy io nefa resahana matetika. Zavatra lehibe mipetraka eo an-tsoroky ny mpitondra fiangonana rehefa miresaka sy miady hevitra amin’ny mpiangona.  Ka raha tsy nandalina fianarana ianao dia vita hatreo ka izao no valiteny hoe : efa ao amin’ny Baiboly izany ka dia minoa ka dia jereo ao. Tsy izany intsony ankehitriny fa efa lany andro izany.  

Manana andraikitra lehibe izany ny mpitondra fiangonana fa tsy hoe : efa nahazo toerana izay tiako hiasana aho ka inona indray no tadiaviko ?

Ny asa na andraikitra nolazaiko anareo teo dia tena tiako daholo satria asa tsara. Ary mahatonga ahy handinin-tena koa hanatsarako ny asako hatrany.  Koa azoko hamafisina fa asa tsara ny mpitondra fiangonana. Indrindra raha tena nahare ny antson’ny Tompo. Mifanampy izany  Enga anie ka hanana asa tsara izay tianao koa ianao na dia tsy mpitondra fiangonana aza. Mifarana eto izany ny resaka. Misaotra anao nihaino. Zarao raha sitrakao. An’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Mandrapihaona indray ry havana. Veloma tompoko e.

Vous aimerez aussi :