Ny fotoana
Hatramin’ny nipoiran’ity aretina vaovao ity (covid19) dia misy ny kristianina milaza fa tonga ny farany. Ary indraindray dia lasa adihevitra be.
Izaho aloha dia tsy mino fa tonga ny farany ary angamba mety hahatezitra anao ny ilazako izany. Ny antony dia satria somary manao dika vilany ihany isika amin’ny fandraisana ny teny ao amin’ny Soratra Masina. No tsy mety hivoaka hijery ny tantaran ‘izao tontolo izao sy izay mifandray aminy.
Eo amin’ny saina maha-olombelona dia ilaina ny fisin’ny fitsinjaran’ny fotoana mba hahazony miaina araka ny tokony ho izy. Nomen’Andriamanitra saina hahay tsara an’izany ny olombelona mba hampiasana izany eo amin’ny fiainana.
Ohatra ilaina ny nisin’ny : andro sy alina. Ny andro natao iasana ary ny alina ialan-tsasatra afa tsy ho an’ireo izay voatery na tena ilaina ny hiasany. Tahaka izany ny mpitsabo, na ny mpiasan’ny métro sasany satria amin’ny alina no hanamboarana ny lalam-by mba hahazona hifamohivoy tsara amin’ny atoandro. Ilaina koa ohatra ny fitaovana toy ny famantarana andro mba hahazona mandamina ny asa atao. Ny malagasy na tsy nanana izany aza taloha dia nanana ny fanondrony ny fandehan’ny andro izy toy ny : misandratrandro(11h), mitataovovonana (12h-midi),tolakandro (3h de l’après-midi na 15h) sy ny sisa. Feno tsara ny oran’ny malagasy fa aza hadino.
Ny andro, ny alina, ny famatarana ny ora no hahazontsika mandamina ny fiainana ka hahazontsika mifanome fotoana. Toy ny fandehanana hiasa sy ny faharetan’izany. Hilazantsikakoa fa tsenao eny amin’ny Tojo-mpiaranidina fa tonga avy any amin’ny tany hafa. Na hahalantsika koa fa tsy misy intsony ny fiara-pitaterana manomboka amin’izao ora. Izany dia manampy antsika.
Ny fotoana dia mampianatra antsika hanaja ny zavatra ataontsika. Ohatra tsy maintsy vita ao antin’izao ora ny asa ataoko, na ny dia-tongotra ataoko. Manaja ny olona omena fotoana koa fa tsy ho tara lava ka manome fanafintohana ny hafa. Ny tena mahavariana ahy tamin’izaho nitondra fiangonana dia ny fahatarana amin’ny fotoana fankalazana fanambadiana. Ny fialan-tsiny moa dia ny hoe : mbola betsaka ny zavatra atao pasitera. Dia hoy aho hoe : nanome fotoana ahy ianareo. Fa nanome io fotoana io koa hiarahanareo amin’Andriamanitra. Tsy amiko no miala-tsiny. Misy moa ny tezitra nefa izay ny marina. Ny fotoana hivavahana dia fotoananareo sy Andriamanitra aloha. Firifiry moa ny manao hoe : andraso kely aloha pasitera fa tsy mbola tonga i Ranona. Na andraso fa vitsy ny olona. Tsy i pasitera no hivavahanao akory fa dia mahagaga. Nefa raha hamonjy fiara-manidina, na lamasinina dia tonga ara-potoana sao taraiky eo.
Raha mijery ny bokin’i Genesisy isika dia hita fa nifandimby ny nanaovana ny zava-boahary sy ny olona. Nisy andro fito.Tao koa ny nilazana ny andro fitsaharana. Tsahivina fa 500 taona talohan’ny nahaterahan’i JK no voasoratra io momba ny fahaariana io. Nolazaina fa tamin’ny voalohany Andriamanitra nefa tsy dia fantatra loatra io « voalohany io ». Saingy ny toko Fa 11 ao amin’ny Genesisy dia voasoratra taloha ela be. Ny tantaran’ny fahaarina dia tantara na angano hita tao amin’ireo firenena manodidina ny hebreo.Toy izany ny Babylonianan sy ny hafa, izay naka angano na kalonteny. Maro ny zavatra nifangaro tao amin’ireo firenena mifanerasera. Io ilay lazaiko ery ambony hoe : tsara ny mahafantatra ny tantaran’izao tontolo izao satria ny tanatara ao amin’ny Baiboly tsy tantaram-pivavahana fotsiny.
Ny fotoana ao amin’ny Soratra Masina koa dia hahitantsika ireo fotoana maro mikasika ny najkan’ny mpanjaka maro, ny taona nahafatesany, ny isan’ny mponina, ny fotoana nisin’ny ady tamin’ny firenena samihafa. Ny fotoana nisin’ny mosary. Izany rehetra izany dia milaza fotoana. Nisy ny ady sy ny aretin-mandringana koa tamin’ny fotoana samihafa fa tsy azo lazaina fa farandro izany.
Comments by Julia DARSOT