Fohy ny fanazavana atolotra eto satria tokony ho boky iray mihitsy no soratana. Karazana tari-dàlana ihany koa ity soratra ity fa afaka mandinika sy manadiady ny rehetra.

Marihiko aty am-boalohany fa na mpino na tsy mpino na inona na inona finoan’ny olona dia manana ny « Fombany sy ny Fombafombany » ny tsirairay na ny mpiara-monina koa aza.   

Mety hahafaly na hahasosotra ny firesahana « ny fomba sy fombafomba ao amin’ny fivavahana kristianina ». Tsara ho fantatra  izy ireny ka tsara dinihina. Misy ny sarotiny raha vao mikasika ny fivavahana ka manao fikarohana. Satria hoe : tsy ao amin’ny Baiboly izany fa Jesosy ihany dia ampy. Ary ny Tenin’Andriamanitra dia tsy azo kihanina. Kanefa aza hadino fa  olombelona no nanoratra ary efa niampita sy voaova aza ny teny sasany vao tonga taty amintsika.

Raha toa ka tsy azo kihanina ka mahita ireo tantara maro mikasika ny firenena sy mpiady ao amin’ny Baiboly dia mampieritreritra ihany. Satria ao ny mananika ny tanàna  izay tsy azy, na mamono olona ka miteraka fifindra-monina, dia izao no fanontaniana hoe : Izany tokoa ve tian’Andriamanitra ? Asakasakao kristianina manaiky izany. Tantara maro ange no hita ao amin’ny Baiboly ary tsy mahafinaritra daholo akory fa misy ny tena mampalahelo.

Miverina amin’ny lohateny isika .

  1. Inona no nahatonga izao lohateny izao ?

Tsy zava-baovao ny « Fomba sy ny Fombafomba » na eo amin’ny lafiny fiaraha-monina, na eo amin’ny lafiny ara-pivavahana. Ary zavatra efa nisy hatramin’ny ela fa saingy tsy tandintandrina fotsiny. Misy aza efa mahazatra ka somary hadino ary hamaivanina. Manana fomba sy fombafomba hampiasainy daholo ny firenena rehetra eo amin’ny lafiny maro iainany eto an-tany.  (miala tsiny raha sendra misy fiverimberenan’ny fanazavana)

Tato ato dia misy fiezahana ilazana fa ny « rite sy rituel » dia avy amin’ny asan’i Satana. Mahagaga koa fa raha vao misy zava-baovao dia entina ilazana fa asan’i Satana daholo. Nefa eo amin’ny Fiangonana katolika : Orthodoxe sy Romana dia zava-dehibe ohatra ny Ritoaly. Teny fampiasan’ny pretra matetika aza ary nogasiny  ho « ritoaly »  ny « rituel ». Eo amin’ny protestanta koa dia misy ny fomba sy fombafomba na dia tsy mivantana loatra aza ny filazana azy nefa dia ampiasaina tokoa. Misy mampiasa ireo teny ireo  mba hamabona ny fon’ny olona ary atao toy ny fampitahorana ka tsy tokony hanana fifandraisana amin’izany na hampiasa izany, indrindra ny kristianina.

Natao hoe « Fomba sy fombafomba » amin’ny teny malagasy ny hoe « Rite sy Rituel ». Io no tena tiana ho resahana eto. Ary mahatonga adihevitra be ka tonga dia haratsiana.  Zavatra efa fanao ary misy « ny Fomba sy Fombafomba » ary mandeha ho azy aza indraindray. Na izany aza misy izay ilaina fanazavana sy fampianarana.

Misy « Fomba sy Fombafomba »  azo marihina eo amin’ny fiainan’ny malagasy izay zava-dehibe. Ohatra vitsivitsy, ary apetrako amin’ny mpampianatra na ny mpanoratra na mpikaroka amin’ny teny malagasy ny fanazavana an-tsipiriana ny amin’ireo.

  • fanalana volon-zaza
  • Raha misy fahafatesana
  • Mikasika ny fiterahana
  • ny fanambadiana
  • ny fizarana lova sy ny maro hafa…

Alohan’ny hanomezan-tsiny ny hafa dia ataovy fantatra tsara ny zavatra ataonao kristianina. Satria misy ny manizinginzina fa ny kristianina ihany no manana ny marina satria manana an’i Jesosy izy. Tsara koa ny mamaky boky hafa noho ny Baiboly. Tsy misy mahadiso izany fa mampahiratra ny saina ary hahalalana tsara ny nahatonga ireo soratra ao amin’ny Baiboly.

Mialoha izany dia ho jerena aloha ny ao amin’ny Soratra Masina

Ohatra vistivitsy :  ao amin’ny Testamenta taloha

  • Nomery 8 : 11,12 . Ary Arona dia hanao ny levita ho fanatitra … Ary hametraka ny tanany amin’ireo vantotra ombilahy ny levita, dia atolotry ny iray ho fanatitra ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, hanaovana fanavotana ho an’ny levitaNy amin’ny fanokanana levita » .

 

  • Nomery 19 :14-22. Izay miditra ao amin’ny trano dia haloto hafitaona …Alaina ho an’ny voaloto ny lavenon’ilay nodorana ho fanatitra fanadiovana ary hatao eo amin’ny lovia nasiana rano mandeha .

 

Ao amin’ny Testamenta vaovao dia misy ohatra koa

  • Matio 6 :17 Fa ianao kosa, rehefa mifady hanina, dia hosory menaka manitra ny lohanao ary sasao ny tavanao
  • 1 Korintiana 6 :11 Efa toy izany, ny sasany taminareo, saingy efa voasasa ianareo, efa nohamasinina
  • Jaona 13 : 5 Avy eo dia nampidina rano tamin’ny koveta Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy nanoaka azy tamin’ny lamba famoahana …

 Ireto no teny iraisana amin’ireo ohatra ireo fotsiny.

  • Ny fanatitra
  • Ny fametrahan-tanana
  • Ny fanadiovana
  • Ny loto
  • Ny rano

 Alohan’ny hanohizana ny  fanazavana dia tsara ho fantatra fa ny Krismasy dia avy amin’ny Fivavahana tsy kristianina fa noraisina tamin’ny fisehoan’ny masoandro (equinoxe- ary nalaza tamin’izany ny andriamanitra -vavy «  Mithra « ) izay miposaka satria rehefa ririnina dia saika maizimazina ny andro, ary io fotoana io no raisina ary niraisana ho fankalazana ny fahaterahan’i Jesosy. Izay mitohy hatramin’izao eran-tany.

Raha io no raisina an-tendrony dia diso izany ny kristianina. Jesosy tamin’ny fahavelomany tsy nanao hoe : io ny andro nahaterahako ka hankalazao isan-taona ny fitsingerenany. Fa isika olombelona na ny kristianina no nifanaraka tamin’izany sy ny amin’izany.

Ao amin’ny fivavahana kristianina koa dia misy « Fomba sy Fombafomba » izay ampiasaina madrakariva. Tsara fantarina izany.

 

( mbola hitohy)