Tao anatin’ny fotoana fohy dia mitombo tokoa ny karazam-pivavahana eto Madagasikara. Mitombo koa tsy misy tahaka izany ny isan’ny fiangonana milaza azy ho kristianina miorina atsy sy aroa. Avy amin’ny firenena maro samihafa no mpitarim-pivavahana tonga milaza fa hanavotra an’i Madagasikara. Raha izany no jerena dia tsy tokony ho tahaka izao ny fiainan’ny olona eto fa efa tena mandroso.
Ireo Fiangonana efa niorina efa elabe taloha dia sakodiavatra satria misy ireo izay mambra ao aminy no miala ka mankany amin’ny Fiangonana vaovao. Rehefa jerena dia misy ny fifaninanana aza. Ary mihezaka ny mampiseho ny heriny ny tsirairay amin’ny fomba maro samihafa. Izay mety hifanohitra amin’ny Filazantsara aza indraindray.
Tsy eto amintsika ihany fa amin’ny faritra maro eran’izao tontolo izao dia hahitana izany toe-javatra izany. Tsy azo hafenina fa tena misy. Raha miteny hoe tsy mahalala izany na mody taitra ny amin’izany dia satria manampitsofina na manakipy maso. Tsy te hihatrika ny zava-misy.
Raha sendra mitranga ny adim-piangonana amin’ny samy mpivavaka amin’ny toerana iray dia manongilan-tsofina ary manaraka tsara ny tantara ny maro. Ao ny miandany amin’ny mpitarika na ny mpikambana vitsivitsy. Ny fanakianana tsy misy tahaka izany. Ny mpanao gazety dia tsy mitsahatra ny milaza vaovao isan’andro.Tena mampalahelo.
Fa hiverenana ny mahatonga ny firoborobon’ny fiangonana amin’izao fotoana izao.
Ny zavatra tsapa voalohany dia samy mitopy tena fatratra fa ny azy ihany no tena marina sy ara-pilazantsara. Ary miezaka ny mpitarika miseho ho tena tia vavaka sy tia ny Filazantsara.Tahaka izany koa ny mpivavaka ao amin’ny samy fiangonany avy.
Na izany aza dia misy ihany tokoa ny olona tena mieritreitra ary misaina sy manontany tena ny amin’izao zavatra mitranga izao. Amin’ireny olona ireny dia ao ny tsy ampy ara-pivelomana, ao ny tena manakarena, ao ny salasalany amin’ny fivelomana. Ao ny tsy nahita fianarana ary ao ny nahita fianarana.
Misy tokoa ny mpitarika izay tena mandinika ary mitarika amin’ny fanazavana ny saina sy ny fiainam-panahy hita ao amin’ny Soratra Masina.
Fa hita kosa etsy an-danin’izany ary mirongatra tokoa ka maro mpanaraka ny fivahanana vaovao. Mahavariana ihany ny mahita an’izy ireny amin’ny internet. Ka manontany hoe : izao ve no tena fivavahana.
Misy tokoa ny tokony ho marihina.
- Ny hevitra na fihetsika Ny fitondrana amin’ny amin’ny filanjana ny mpitarika. Atao toy ny mpanjaka. Mampiasa didy tsy azo valina.
- Ny fanerena amin’ny fampidirana hevitra hahazona tombontsoa ho an’ny mpitarika amin’ny kristianina izay mareforefo. Ny fampitahorana ny olona mahantra ary sahirana fa tsy miditra ny lanitra raha tsy mandoa vola tahaka izao
- Ny fanararaotana ny fihetsem-pon’ny olona fotsiny ataon’ny mpitarika amin’ny fandemena azy ara-tsaina.Mangalatra an-kolaka ny fananan’ny olona manaraka azy.
- Mitopy teny fatratra fa izy no tena manana ny fahazavana ary izay no tanjona mba hanarahan’ny olona azy. Ary manaiky amin’izay hitondrany azy ny olona.
- Manizinginzina ny mpitarika fa izy no tena mitondra ny olona ao amin’ny fiainam-panahy araka an’Andriamanitra. Ary mahavita fahagagana izy. Azo tanisaina amin’izany :
- Ny filazana ny tena ho mpaminany ary mahalala ny ho avy. Ampangontsohiny eo ny olona mihaino azy. Fantany ve ny tena dikan’ny hoe « mpaminany ».
- Ny filazana fa mahita fahitana izy mikasika ny firenena, na ny fianakaviana iray, na ny olona tarihiny. Inona no atao hoe « fahagagana » eo amin’ny fivavahana kristiana.Toa tsy voazava akory izany fa tenitenenina fotsiny.
- Miheboebo izy fa tena mahay ny teny tsy fantatra. Inona io teny « tsy fantatra » io ?
- Miseho ho mpanasitrana ny aretina rehetra ka tsy ilaina ny mitsabo tena any an-kafa na any amin’ny dokotera.
- Misandoka fa manome ny fiadanana ao amin’ny Fanahy Masina ho an’ny olona. Iza no tompon’ny fiadanana ary inona no atao hoe « fiadanana » ara-pilazantsara ?
- Mampahatsiahy ny olona ny fahadisoany efa nibebahany ka matahotra ny olona raha ho voavonjy na tsia. Indrindra rehefa akaiky ny fahafatesana. Hampitahorina an-kolaka aza.
Misy dia misy amin’ireny mpitarika ireny no maka an-kitsirano ny fahefana ao amin’ny toerana misy azy na dia fiangonana aza izany.Ary tsy hangatahiny fotsiny ny olona hiondrika tanteraka eo anatrehany fa hanaiky hanjambany ny heviny. Tsy ekeny ny fanakianana ataon’ny mpira-mivavaka aminy fa melohiny izany. Tsy dia tiany koa aza ny olona tia karokaroka ara-tsaina sao manova ny sain’ny hafa. Misy aza ny mampisaraka amin’ny fianakaviana.
Ilaina izany ny mitandrina fa tsy kely lalana ny ratsy satria mampiasa ny Baiboly sy teny ao amin’ny Soratra Masina koa ny mpitarika voatanisako eto. Dia jamba ary tsy misaina ny olona ka lasa eo ambany fahefany.
Alohan’ny hiroboana atsy sy aroa mba manadiady aloha fa aza variana amin’ny teny malefaka ataon’ny mpitarika hanodinana ny sainao. Maro no efa very fananana vokatr’izany ary tsy afaka mitsaoka intsony fa dia mahantra eny. Mahantra noho ny mahantra. Koa mitandrema na ianao na ny fianakavianao. Ny ankamaroan’ny mpitarika sandoka dia tsy nianatra ara-tSoratra Masina na fitondram-piangonana akory fa mahay miteny any ka diso lalana na izy na izay tarihiny.Ny Baiboly izay mirakitra soratra marobe sy tantaram-pirenena isan’karazany fa tsy ny an’i Jesosy Kristy irery ihany. Samia mandinika.
Comments by Julia DARSOT