Tsy ao amin’ny finoana na fivavahana kristianina ihany no hahitana ny teny hoe « mpaminany ». Tsy afaka mitopy teny fatratra isika fa antsika irery io fa amin’ny finoana hafa ihany koa dia hahitana izany. Fa ny ao amintsika aloha no jerena. Ao amin’ny texta ao amin’ny Baiboly no hanaovana izany.

Ny fihavian’ny teny « mpaminany »

Avy amin’ny teny grika hoe « prophète ».Midika hoe : « ilay miteny eo amin’ny toeran’ny hafa ».

Pro : aloha

Phète : miteny

Ao amin’ny Testamenta taloha

Misy karazany maro no ilazana ny hoe « mpaminany » ao amin’ny Testamenta taloha na Fanekena taloha.

  • « Mpahita »- ao @ 1 samoela 9 : 9 . « Fahiny mantsy teo amin’ny Israely ,rehefa nisy olona nandeha hanontany an’Andriamanitra dia izao no fanaony : Andeha ho any amin’ny mpahita isika ; izay atao hoe mpaminany ankehitriny no mpahita teo aloha. Taty aoriana dia niova ny heviny ary lasa nifono hevitra ratsy ny asany– ao @ ireto : Amosa 7 :12-13 :Hoy Amazia tamin’i Amosa : Ry Mpahita !… Aza maminany eto Betela intsony… – Mika 3 :7 « Ho menatra ny mpahita ary hangaihay ny …- Isaia 28 :7 Nefa izy ireo dia fanimpanina amin’ny toaka … fanimpanina amin’ny fahitana izy ary miroaroa saina ny amin’ny didim-pitsarana avoakany … , Isaia 29 :10 : Fa NY TOMPO efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo… ary efa nosaronany ny lohanareo mpahita »
  • « Mpamantatra» : anaram-boninahitra nomena ary nankahasitrahana tany am-piandohana. Ohatra ao amin’ Isaia 3 :2  « ny lehilahy mahery fo sy ny mpiady, ny mpitsara sy ny mpaminany,ny mpisikidy sy ny loholona »(ny Baiboly malagasy dia nadika azy mpaminany eto.
  • « Be resaka» no ilazan’i Jeremia azy ao amin’ny bokiny 14 : 18 ny mpaminany (be resaka fotsiny) sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany…
  • « Mpilaza»no ilazan’i Nehemia azy 6 : 7… sady efa nanendry ny mpaminany maro hilaza anao any Jerosalema …
  • « Mpitondra teny» araka an’i Ezekiela 3 :16-17 … efa nataoko ho mpitily ho an’ny taranak’Israely ianao ka hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako… (Io teny io no ho entin’i Ezekiela ). Ny toko faha-7 :1 Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe : …(io teny io koa no ho entin’i Ezekiela)
  • « Izay maminany » hita ao amin’ny 1 Samoela 9 : 19-20 …  ary namaly an’i Saoly i Samoela hoe : izaho no mpahita … (Izany hoe izaho no maminany ). Mety koa mirediredy tahaka ny ao amin’ny 1 Samoela 10 : 5 sy 10 : ireo mpaminany iray dia … na 1 Samoela 19 : 20 …. Dia nandefa iraka i Saoly hisambotra an’i Davida ; koa nony hitan’ireo ny mpaminany tafangona sady naminany, ary i Samoela no lohany mitarika azy dia tonga tamin’ireo irak’i Saoly ny Fanahin’Andriamanitra ka mba naminany koa izy ireo …

Ny fototeny iray izany dia mitondra fifanimpahan-kevitra roa : ny iray tsara, ny iray ratsy.Io fototeny io dia tsy avy amin’ny teny hebreo, ary tsy mikasika ny faminaniana.

Diniho tsara fa i Anosa tsy nanaiky ny hitondra io anarana io 7 :14, izao no lazainy «  Tsy mba mpaminany aho na zanaky ny mpaminany ; mpiandry ondry sy mpikarakara aviavy aho… nefa izy dia milaza fa manao ny asan’ny « faminaniana » 7 : 15 izao no lazainy « nalain’NY TOMPO tany am-piandrasana ondry aho ka nitenenany hoe : « Mandehana ka maminania amin’ny Israely oloko ». Hosea sy Isaia koa tsy manaiky ny mitondra io anarana ioIsaia kosa dia milaza fa ny vadiny dia « mpaminanivavy » Isaia toko faha-8 :3 : »nanakaiky ny mpaminanivavy aho dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy ».  – Fa i Jeremia dia milaza fa mahalala ny tenany ho « mpaminany » Jeremia 1 : 5 satria nolazainy fa « …efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro… » Tahaka an’i Ezekiela koa 2 :5 : «  na hihaino na tsy hihaino, dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo anivony… »

  • Ny Testamenta taloha dia mampiasa ny teny hoe « olon’Andriamanitra» 1 Mpanjaka 17 :18 « … moa mifaninona akory moa izaho sy ianao ry olon’Andriamanitra … ». Ny Testamenta taloha koa manamarika matetika ny hoe  «  zanaky ny mpaminany », na mpaminany-rahalahy.

 

Tasra ho fantatra ireo teny ilazana ny hoe mpaminany ao amin’ny Testamenta taloha izay adikantsika amin’ny teny malagasy hoe « mpaminany » ny ankamaroany. Ny fototry ny teny  hoe mpaminany dia tsy hita amin’ny teny hebreo. Fa avy amin’ny teny grika hoy isika tery am-piandohana.

Ireo andininy vitsivitsy voalaza eto dia efa afaka manampy antsika amin’ny heviny sy fampiasana azy.Nefa raha voavakinao ny toko manontolo mikasika azy ireo dia tena zava-dehibe.

Hitanao amin’izany fa tsy zay lazain’ny mpaminany rehetra dia marina na tsara avokoa fa misy ny ratsy misy ny tsara. Misy ny mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ary misy ny tsy mifanaraka. Koa diniho tsara ary. Misy ny tena mpaminany misy ny sandoka.  

Mazotoa ary fa mbola hitohy. An’Andriamanitra irery ny voninahitra.  (Nakana fanazavana tamin’ny Cahiers Evangile natolotr’i Monloubou)