Ho famaranana ny Salamo 37 dia izao no azo lazaina :

  • Tafara-dalana hatrany ny tsara sy ny ratsy.
  • Miara-mitoetra eto an-tany ny mpanao ratsy sy tsara fanahy.
  • Tsy misy olona marina tanteraka fa miezaka kosa ny iala amin’ny ratsy.
  • Tsy misy antony ialonana na hahatezitra amin’ny mpanao ratsy.
  • Ny mpanao ratsy dia mampiasa fitaovana hanaovany ratsy.
  • Aoka tsy ho lasa fitaovan’ny mpanao ratsy ianao.Halaviro ny ratsy sy ny mpanao ratsy.

Ny mpanao ratsy sy ny tsara fanahy dia mpirahalahy.

Mivadibadika ao anatintsika ny toetran’ny mpanao ratsy sy ny tsara fanahy. Ka izany no nahatonga an’i Davida hampiseho fa Salamon’ny fitiavana ity salamo ity. Ka ahoana no fihetsika eo anatrehan’izany.

  • Ahoana ny fampisehona fitiavana an’ny rahalahy na dia ratsy aza izy.
  • Tsy mahasoa ny tsara fanahy ny manozona ny mpanao ratsy. Fa raha manao izany izy dia ho very satria mitovy amin’ny mpanao ratsy.
  • Ny rahalahy dia ireo olona mpifanerasera : fianakaviana, havana, namana, mpiara-miasa, olona eny an-dalana tsy mifankahalala amin’ny tena akory aza. Eny mety izay olona heverina ho fahavalo aza.
  • Tsy misy mpanao ratsy ka sambatra fa ao anatin’ny fitaintainana izy fa tsy mivaky izany. Na dia manakarena noho ny halatra sy fandrombana aza izy dia tsy sambatra. Satria handalo fotsiny ihany ireny. Satria nalaina tamin’ny fanambakana sy ny fomba tsy marina.
  • Ny harena dia zavatra maivana, mora simba ary manimba ny tena rehefa tsy azo tamin’ny marina sy ny fitiavana ny rahalahy.
  • Mora rava amin’ny fotoana tsy ampoizina ny fanana azo tamin’ny fomba hakolaka sy ratsy rehetra.
  • Mihintsana ho azy ny harena azon’ny mpanao ratsy.
  • Koa aza mitsiriritra ny zavadratsy izay mandalo ary milofika tahaka ny bozaka

Maro ny zava-mitranga eto amin’izao tontolo izao fantatsika.Nisy ireo izay tsy maty manota ary nihevitra fa hiadana eo amin’ny fananana azo tamin’ny halatra sy hafetsena nefa dia nirodana tao anatin’ny indray mipimaso.

Noho izany ilaina ny miara-miaina ara-panahy miaraka amin’Andriamanitra. Ilaina  ny zavatra ara-nofo izay nomen’Andriamanitra ny olombelona eto an-tany : ny zava-boahary rehetra sy ny hafa. Ary natao ho karakarain’ny olona tsirairay araka izay tandrify azy.Samy tokony hanana tombon-tsoa amin’izany daholo ny olona fa tsy ho an’izay maka izany amin’ny herisetra sy ny tsy firaharahina ny hafa.

Ny fandresena izany dia ny fanaovana ny marina. Ny fanajana. Ny soa sy ny tsara no nomen’Andriamanitra ny olona. Ny fanomezana tsara dia ny fitiavana izay iainana ho an’ny tena sy ny ho an’ny hafa. Ny tsy fanarahana ny hevitry ny ratsy koa dia fitiavana satria tsy misy antony tokony hanarahana azy.

Mizara 2 ny lalana.Ho an’izay te hanaraka ilay Fahamarinana dia Andriamanitra sy ny lalana hafa mifanohitra amin’izany.

Ny finoana dia tahaka ny namana iray hatokisana tanteraka .

Tsy nofinofy fotsiny. Fa tena ny fitiavana ny namana ary zava-dehibe. Afaka mifamela raha misy fahadisoana. Sarotra ny fampianaran’i Davida eto amin’ity Salamo ity . Ahoana no hamelana ny namana izay heverina ho namana nefa namono, nandroba, nangalatra ny fananan’ny tena. Mipetraka amintsika mpino izany. Tsy mivavaka haharingana ny mpanao ratsy eto an-tany . Napetraka teto an-tany izy dia olona soa sy tsara fa saingy nivadika. Tsara tany aloha fa niova.Ary ny mivavaka ho azy no tokony ataon’ny mpino. Ary mitandrina ny hafatra izay nomen’Andriamanitra antsika hatrany am-boalohany :Tiava ny Tompo Andriamanitrao, Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Ny olona eo akaikinao dia mety heverinao ho fahavalonao.  Izay no fahamarinana.Aoka ho naman’ny fahamarinana sy ny finoana.

  • Ilay mpiandry ny ondry ao amin’ny Salamo dia ny Tompo izay tia ny olona tsirairay.
  • Tsy hanararaotra izao tontolo izao fa hiasa eto amin’izao tontolo izao hiaro sy hanatsara azy. Hikolokolo azy. Tahaka izany koa no tadiaviny sy hanirahany ny olona tsirairay.

Amin’izao fotoana handiavana fahasarotana maro eo amin’ny fiainana, eo amin’ny firenena, eo amin’ny tany hipetrahana dia manafatra antsika i Davida mpanjaka amin’ny alalan’ity vavaka nataony ity ao amin’ny Salamo 37. Vavaka fa tsy ny fanenjehana na fanozonana ny fahavalo na izay olon-dratsy no hanafaka. Fa milaza vavaka  feno fitiavana hitondra fiovam-po ho an’ny rehetra na ny tsara fanahy na izay heverina ho mpanao ratsy. Ny fanaovana ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny sakafo mahavelona no hahavonjy antsika. [jerena tsara ny teny ao amin’ny Soratra Masina satria raha maniraka hiady dia soratra tamin’ny eritreritry ny mpanoratra ireny fa tsy Tenin’Andriamanitra akory ka manimba.]

  • Ny fireharehana mety malazo sy milofika tahaka ny ratsy ary tsy maintsy ho tapaka sy hianjera ho azy amin’ny fotoana tsy ampoizina ireny ary tsy ho voatahiry.Ho levona.

 

Matoa Jesoa Kristy tonga dia ny hitory ny fiverenana amin’ny Tompo Andriamanitra satria ao aminy ny fahamarinana sy ny finoana ary ny fitiavana. Mamerina ny antsony izy hizorona amin’ny marina. Tsy ny marina mantamanta an’ny olombelona fa ny marina izay voninahitr’Andriamanitra irery sy napetrak’Andriamanitra tao am-po. Niasa Izy ary maniraka antsika koa hiasa tahaka azy fa tsy hitomoemoepoana ka hiandry ny hafa. Efa nomena anao ny soa sy tsara ha andeha zarao izany. Afaka manao izany isika.