SALAMO 37 : 1-6

 

Hamafisin’i Davida ny fepetra tsy tokony hanaovana ratsy ary lazaina tahaka ny didy izany.

  • Matokia ny Tompo ianao ka manaova soa :

Ny Tompo no itokisana voalohany. Mahatoky amin’ny alalan’ny finoana sy ny fanantenana. Nefa koa matoky ny olona eto amin’izao tontolo izao. Tsy afaka ny hatoky an’Andriamanitra fotsiny na ny olona fotsiny koa. Fa ny fahatokisana ny olona koa no hatokisana an’Andriamanitra. Tsy ho tanteraka izany raha tsy misy ny fifandraisana amin’Andriamanitra. Miampy koa ny fifandraisana amin’ny olona eto amin’izao tontolo izao. Tsy misaraka ireo. Ny finoana sy ny fitiavana no mahatanteraka izany.Ny finoana dia milaza fanantenana koa . Mampahatsiaro antsika ny tenin’i Paoly  apostoly ao amin’ny epistilin’ny I Korintiana 13 hoe « Ireto telo ireto no mitoetra dia ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Fa ny fitiavana no lehibe indrindra ».

Ny fahatokisana no mahatonga hanao asa soa. Manaova asa soa hoy i Davida. Noho ny fitiavana ao anatin’ny olona tsirairay  koa no hanaovany asa soa. Ny asa soa dia tsara. Teny iray ihany no handikana ny teny hebreo hoe tsara : tsara sy soa. Ny fitiavana tsy mihevitra ny hanao ratsy.Fa raha tonga ny fanirina hanao ratsy dia tokony ho resena ary tapahina tahaka ilay ahitra izany . Na ariana toy ny fako ho levona. Na dia sarotra aza ny manatanteraka izany. Tsy tehirizina fa esorina ny sain-dratsy mba hanatanterahana zava-tsoa izay mitondra fahasoavana. Ny fahatokisana an’Andriamanitra irery no hahazona manao  soa ary mitarika hanao ny tsara. 

  • Honina amin’ny tany ianao ka ho faly amin’ny fahamarinana

Eto an-tany no namoron’Andriamanitra ny olona mba honenany araka ny voalazan’ny bokin’ny Genesisy. Na dia miparitaka amin’ny faritra maro samihafa aza ny olona eran’izao tontolo izao. Tsy azo hodian-tsy hita ny soa sy ny tsara nomen’Andriamanitra ny olona tsirairay avy. Any amin’ny toerana izay heverintsika fa tsy tantin’ny aintsika ireny dia misy olona sambatra monina any. Ary mahita soa. Hany ka miandraikitra ny tany sy ny zavaboahary rehetra misy ao no mifandray amin’ny mponina ao. Hany ka mikarakara sy manatsara ny tany hitoerany. Tokony hahatsiaro izany ny olona amin’ny toerana izay misy azy. Natao hifangaroharo ny olona eto an-tany.  

Faly amin’ny fahamarinana. Raha amin’ny Baiboly hebreo dia mivelona amin’ny fahamarinana no dikany. Na koa mitandrina ny fahamarinana : tahaka ny mpiandry ondry manome sakafo izay andrasany.Sakafo tsara sy soa no omena ny ondry ao amin’ny saha tena tsara. Ny teny hoe fahamarinana  no nanome ny hoe «  amena  izay avy amin’ny teny hebreo hoe : émouna ». Na ny hoe « marina dia marina tokoa » – amena dia amena. (Ny finoana « foi » amin’ny teny frantsay no nanome ny teny «  fidélité » ). Azo adika ihany koa hoe : mivelona amin’ny finoana koa eto. Teny iray ny fahamarinana sy finoana eto : émouna.

Ny hoe Mpiandry dia efa hitantsika any amin’ny toko faha : 23 amin’ny Salamo : Ny Tompo no Mpiandry ahy. Koa raha ny Tompo no mpiandry antsika dia manome antsika ny sakafo : fahamarinana sy finoana izay hahavelona antsika. Ka tokony ho lavina ny  sakafo ratsy izay omen’ny ratsy fanahy : kolikoly, fanambakana, fialonana…

Anisan’ny fitiavana ny namana ny fandavana ny hanao zava-dratsy.

Ny finoana kristiana dia ny fanekena  fa ny fampianaran’i Kristy dia ny zavatra marina izay lazainy.

  • Aoka ny Tompo no iravoravoanao dia omeny anao izay irin’ny fonao.

Ny Mpiandry ondry dia izay tia ny ondriny. Ny fahamarinana sy ny finoana no namany ary izay no mampiravoravo azy.Ary heverin’i Davida fa tokony ho ravoravo noho izany ny olona miaina amin’ny fahamarianana sy ny finoana. Izany hoe : mitandrina ny marina, satria tsy kely lalana ny amboa-dia izay tonga hanimba ny filaminana. Ary izay no kendreny dia ny korontana eo amin’ny fiaraha-monina.   

Ho ravoravo ianao raha mivelona amin’ny fahamarinana. Satria lavitra anao ny hevitra fetsifetsy izay mamono anao sy ny manodidina anao. Ho ravoravo ianao raha mivelona amin’ny finoana satria manaiky ny sainao fa ny Tenin’i Jesosy Kristy  mitondra fahamarinana. Ny teniny nandratsana zavatra maro na toetra maro  izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Rainy. Ny finoana tsy fihetsem-po akory fa ny faneken’ny saina amin’ny fahamarinana ny teny velona sy mahavoky. Ilaina ny zavatra ara-nofo fa ao amin’ny marina, nefa ilaina koa ny ara-panahy tsy mamitaka toy ny sekta maro izay mitranga amin’izao fotoana izao.

Ny olona ravoravo dia mivelona (manger)amin’ny fahamarinana. Io no anisan’ny foto-tsakafony iray. Ka nantsoina isika ho tompon’andraikitry ny fahamarinana.Isan’andro fa tsy anio mivelona amin’izany rahampitso tahaka ny amboa-dia.Ny finoana no tohana mahatonga afaka hiatrika ny mafy.

Ilaina ny sakafo ho an’ny nofo.Ho antsika malagasy dia zava-dehibe ny vary.  Ilaina ny sakafom-panahy dia ny fihainona ny Tenin’Andriamanitra ary mankato izany. Ka tsy ho voarebirebin’ny hafa. Dia ireo izay mihevitra fa mitondra zava-baovao.

Na dia mareforefo aza ianao, aza kivy. Fa miveloma amin’ny fahamarinana dia ho hitanao ny soa sy ny tsara ao anatinao, ao amin’ny fiainanao. Andramo .

Ny Tompo tsy hamela antsika ho noana raha mino tokoa isika. Aoka tsy handany andro amin’ny ratsy.

Ny fahamarinana izay omen’Andriamanitra anao ka ekenao ny hiaina amin’izany dia mitondra fitiavana sy fahasoavana. Afaka hamela ny heloka izay niady na  nanao ratsy anao. Izany no atao hoe : fitiavana. Izany no niantson’Andriamanitra ny olona.

Koa ity Salamo nosoratan’i Davida ity dia vavaka mba hampahatsiaro antsika ny andraikitra niantsona antsika. Eny ny hirantsika ho hiran’ny fahamarinana. Hiram-bavaka hitondra filaminana sy tanjaka ary handresena ny hanesorana sy hanalavirana ny ratsy izay te -hamingana antsika.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.