Jaona 20: 19 – 23
Isan-taona dia miverina ity perikopa ity. Ary dia mbola raisina ho amin’ny toriteny ihany. Tsy maninona fa mety hahitana zava-baovao na koa izay vao mety hazava amin’izay mamaky ny heviny. Ampahatsiahivina fa :
Tao anatin’ny tahotra ny mpianatra ary niafina tao amin’ny trano iray. Nohidina tsara izany trano izany sao dia tonga ny olona mpanenjika.Ny andro efa hariva ka mety tsy hahita handosirana sy hihafenana intsony ny mpianatra. Nihiboka tao ny mpianatra na dia fotoana fohy aza. Mety hiharan’ny fahafatesana raha mivaoka tao mantsy satria mpanaraka an’i Jesosy izay nisy dia nisy ny tsy nanaiky azy ho Mesia. Amin’izy ireny tsy Jesosy no Mpamonjy izao tontolo izao ka manala azy amin’ny fahoriany sy fahasahiranany.Tsy takatry ny olona ny antony nahatongavan’i Jesosy tety an-tany. Tsy misy azo hanomezan-tsiny ny olona izany.
Voalazan’ny tantara fa indro Jesosy mijoro eo afovoan-drizareo mpianatra. Tsy nisy nahateny ny mpianatra fa mety ho niampy indray ilay tahotra.Iza moa no tsy mino fa tsy misy izany matoatoa izany. Indrindra rehefa hariva tahak’izao na amin’ny alina. Misy ny matahotra misy ny tsy matahotra.
Ny mpianatra dia nahalala tsara fa maty i Jesosy.Efa nalevina Izy nefa dia io hitan’izy ireo io miaraka aminy ao an-trano.Tsy vitan’ny tonga miseho eo fa mbola miteny aminin’izy ireo ihany koa. Teny tsy nampoizina no mivaoka ny vavany.Teny mamy hoe : « Fiadanana ho anareo ». Nasehony ny tanana sy ny lanivoany maratra.Misy olatra. Ary namerina fanindroany ihany « Fiadanana ho anareo ». Miampy hoe « Izaho dia nirahin’ny Ray ary dia anjarako ny maniraka anareo kosa ». Notsofony ny mpianatra ka nilazany hoe « Raiso ny Fanahy Masina ».Nomena fofonaina hoy ny soratra. Raiso ny Fanahy izay nampitsangana sy namelona Ahy ho anareo koa ary mbola nampiny ihany koa « na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany.Ary na na’iza na an’iza no tsy avelanareo dia tsy voavela izany ».
Matetika ny zavatra tadidin’ny olona rehefa mamaky ity perikopa ity dia ilay fahagagana hoe « tonga teo amin’ny mpianatra Jesosy ary niteny tamin’izy ireo ».Tsy mbola nisy ohatrin’izany fa olona maty no hita eo.
Fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny filazana ny amin’ny famelan-keloka. Izay avelan’izy ireo dia voavela.Izay tsy avelany dia tsy voavela. Kay asa sarotra ity manaraka an’i Jesosy Kristy.
Ambaran’ny teny voalaza eto fa ireto mpianatra ireto dia tokony hadio fo.Hahay hamela heloka satria izay no nampianarin’ny Tompo. Raha mbola tsy mahavita izany dia tsy tena mpanaraka azy tanteraka. Tsy misy ny atao hoe : tapatapany ihany ny hanarahako an’i Jesosy .Izay tiako atao ihany fa efa mivavaka isan’andro. Diso izany hevitra izany.
Misy ohatra vitsivitsy omena antsika ireto.
- Raha sendra misy Fiangonana mikorontana dia satria tsy mifanarakevitra ny olona noho ny antony samihafa. Na koa nisy zavatra nitranga ka nanafintohana ny mpiangona sasany.Ary dia nizara ny Fiangonana. Ary dia ao ny momba an’itsy sy iroa. Ary na ny mpitandrina aza dia tsy mahalanjalanja indraindray fa mirona amin’ny hevitry ny sasany.Ka tsy mety milamina ny Fiangonana.Tonga koa ny mpampihavana dia vao maika samy mihijinginzina amin’ny heviny ny rehetra. Tsy mety samy maka fotoana fa manao tahaka tsy misaina ary hadino fa Kristy no lohan’ny Fiangonana fa tsy Ranona na Ranona . Farany dia mizara roa na telo ny mpiangona. Manorina fiangonana hafa ny sasany. Ny antony dia satria tsy afaka hifamela na dia milaza fa samy mitory ny Filazantsara aza. Tsara marihina koa fa ny mpampihavanana dia olona tokony havanana amin’izany satria sarotra ny raharaha rehefa mampiteraka alahelo.
Ka izay no tian’i Jesosy hamafisina. Mamela heloka ianareo dia milamina. Tsy mamela ianareo dia tsy milamina ary mety hikorontana an-taonany maro. Ny nisitaka aza dia mbola mety hivaky ihany indray. Dia samy manadratra ny azy fa mitory ny Filazantsara.Fijoroana ho vavolombelona mifanohitra amin’ny asa nanirahan’ny Tompo ny kristianina amin’izany.
- Tsy ao amin’ny Fiangonana ihany no misy tsy fifanarahana fa amin’ny fiainana maro. Ny ady ao amin’ny fianakaviana toy ny ady lova hany ka tsy mifankahazo intsony ny mpiray tampo. Ny ady eo amin’ny rayamandreny sy ny zanany noho ny tsy fifankahazoan-dresaka, na noho ny tsy fankahasitrahan’ny ray amandreny ny zavatra ataon’ny zanany sy maro samihafa.
- Na ny ady amin’ny toerampiasana. Ady mangina matetika fa samy mitahiry am-po ary manao valifaty tsy misy ohatrin’izany. Ny fitadiavana ny toerana ho ambony noho ny fitiavan-tena ka manao tsikombakomba amin’ny hafa.
Izany rehetra izany sy ny tsy voatanisa dia mahafaty ny fiainan’ny olona satria maro ny tsy mety hamela.Ilay manana ny marina dia manizinginzina hoe : Izaho kosa ve efa nataony izao dia hamela azy.Tsy hanaiky mihitsy aho. Nefa dia milaza azy ho kristianina. Ny mpangataka famelana koa dia leony ary dia mikaroka izay hahavoa ilay tsy namela azy. Maneso aza raha sendra misy zavatra mahavoa an’itsy. Toy ny hoe « io ary fa voa ».
Ity soratra androany ity dia manamafy ny zavatra voalohany takin’ny Tompo amin’ny kristianina amin’ny fanarahana Azy. Zavatra tena sarotra ny fampiharana azy : Mamela heloka ny fahavalo, mamela heloka ny mpanenjika, mamela heloka ny mpamingana … Tokony iala eo amin’ny kristianina ny teny hoe « izaho tsy maina fa lena ». Eny ? amin’ny olona velona sy misaina izy no miteny fa tsy amin’ny maty akory.
Ekeko fa marina fa indraindray zava-doza no nitranga ary niafara tamin’ny fahafatesan’ny hava-malala aza ny zavatra nataon’ny hafa.
Ary mampahatsiahy antsika ity Filazantsaran’i Jaona ity. Jereo ny nanjo an’i Jesosy.Nefa teo amin’ny fotoana sarotra no niteny izy hoe « Ray ô mamela azy fa tsy fantany izay ataony ». »Anio no hihaonanao amiko any an-paradisa mantsy an’ilay jiolahy ». Feno fitiavana ny Zanak’Andriamanitra. Izany no asainy ataontsika. Eo ny fahagagana amin’ny fahitana azy fa ny zava-dehibe dia ny fanatanterahana ny hafany. Izany akory tsy manao hoe : samia manao ratsy dia ataovy ny fifamelana. Tsia fa ilaina ny fandinihan-tena.Nahoana no manisy ratsy ny hafa ? Ankahasitrahan’Andriamanitra ve izany ? Androany ve mamono olona dia rahariva mivavaka , ary manohy ny asa ratsy dia mihevitra fa izany no fiainana kristianina.
Ny Fitiavan’Andriamanitra mantsy dia tsy misy fetra no tsy misy fampifilafilana. Fitiavana feno sy tanteraka, tsy mizaha tavan’olona, tsy mitady tombon-tsoa, tsy mitady fanindrahindrana, tsy mampiseho fanivaivana… Satria maimaim-poana ny famelan-keloka atolony. Tsy atakalo vola na fanasana lehibe ny famelan-keloka fa maimaim-poana.
Raha mbola tsy tsapa izany dia mitory ny Filazantsara amin’ny tsy antony ny kristianina. Satria ny fanarahina an’i Kristy dia hampiharina amin’ny fiainana rehetra ka ankahasitrahany na aiza na aiza misy ny kristianina. Fitiavana lalina, maharitra ary tsy azo hozongozonina. Satria fitiavana nokolokoloina tao anatin’ny Fitiavan’Andriamanitra izay maharitra mandrakizay. Tsy misy fiadanana raha banga io. Ny Tompo homba anao.
Comments by Julia DARSOT