TONGA teto Madagasikara tamin’ny taona 1818 ny misionera ary nanomboka niely eran’i Madagasikara ny fivavahana kristiana. Nisy fotoana nefa teo amin’ny fiainan’ny firenena nampihisatra, na azo lazaina mihitsy aza fa nampihemotra ny fandrosoana. Lazaintsika amin’izany ny fanenjehana nataon-dRanavalona reniny tamin’ny taona 1835 ka hatramin’ny taona 1861. Tao ny faharesen’i Madagasikara tamin’ny 1895 ka nahatonga ny setrasetra ny pretra katolika sasany tamin’ny fivavahana protestanta. Nefa teo koa ireo fikomiana tamin’ny mpanjanatany tamin’ny taona 1896-1898 ka nahatonga ny sasany nanenjika ny kristiana ary namono ny misionera. Tamin’ity farany ity dia tsy afaka nihetsika intsony ny misionera koa efa nanomana malagasy teratany Andriamanitra.
RAINISOALAMBO sy ny FIFOHAZAN’ny mpianatry ny Tompo SOATANANA
Tany Ambatoreny Sotanana akaikin’ny Fianarantsoa no nisy ny olona natsoin’ny Tompo. Lehilahy mpimasy iray, izay nitety tanana nivarotra ny odiny no natsoiny. Rainisoalambo no anarany. Ny 5 oktobra 1894 dia nahita fahitana izay nahatonga azy hanary ny sampy sy hilaza tamin’ny fianakaviany sy ny manodidina azy ny herin’i Kristy izy. Hatramin’ny taona 1899 dia nitory teo amin’ny manodidina an’i Soatanana ihany izy. Nefa tsy ela dia niely ny fiovany ho kristiana hany vetivety foana lasa feno mpanompy sampy niova ho kristiana ny tranony.
Isan’ny iray tamin’ireny Rainitiaray, mpimasy izay nositranin’i Rainisoalambo tamin’ny alalan’ny vavaka, izay nandresy lahatra azy handeha hitory any amin’i Faritanin’Isandra. Nanana fanomezam-pahasoavana hanasitrana amin’ny alalan’i Jesosy koa i Rainisoalambo ka misy tokoa ireo izay sitrana hany ka re eran’ny manodidina ny lazany. Rainisoalambo dia olona tso-piaina, nefa manana finoana velona ary ny toriteny dia tena mampihetsi-po tokoa. Tsy vitsy no nihevitra fa rehefa tonga ny hitondran’ny malagasy ny fiangonana dia olona tahaka azy no ilaina.
Nitranga ny tena fifohazam-panahy ary malagasy no fiasana netin’ny Tompo nitarika izany. Nandray ny anarana hoe Mpianatry ny Tompo ry zareo. Betsaka no nandao ny asa aman-draharahany fa nandeha nitory. Misy mpampianatra, mpitana birao ary Chef de canton aza lasa Iraka, fa izany moa no niantsoana ireo nandao ny toerana nisy azy ka nitety an’i Madagasikara. Ny tenin’i Paoly manao hoe : »Lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho » no nanetsika azy ireo. Io no fifohazana voalohany teto Madagasikara. Tahaka an’dRainisoalambo koa dia nanana ny fanomezam-pasoavana manasitrana na dia ireo aretina tsy nahitam-panafody aza ireo iraka ireo, hany ka mifanototra ihaona aminy ny olona raha sendra mandalo ao an-tanana izy. Tsy miafina rahateo ry zareo satria miakanjo fotsy na lehilahy na vehivavy ary ny lehilahy moa dia misatroka arindrano misy fehiny fotsy. Tany amin’ny toerana nalehany dia tena fitaratra tokoa ry zareo na tamin’ny fiankanjo na tamin’ny fahadiovana na tamin’ny asa.
Nahazo ny avaratry ny faritanin’i Fianarantsoa izany fifohazam-panahy izany, tonga tany Vakinankaratra ary nipaka taty Imerina. Tato aoriana dia saika nahitana Mpianatry ny Tompo eran’i Madagasikara. Teto Antananarivo manokana dia niroborono tokoa ny Mpianatry ny Tompo. Mbola tavela hatramin’izao ny fotonan’ny Voatsinampy : fotom-pifohazana isakin’ny Alatsinainy voalohan’ny volana atao amin’ny fiangonana iray eto andrenivohitra toa an’Anosivavaka na Ankadimbahoaka.
Ny mampalahelo anefa dia nisy fisarahana tao Soatanana. Nanomboka tamin’ny andron’ny misionera sy ny comité intermissionaire izany. Ny misionera dia nihevitra fa tokony ho ao amin’ny fiangonana ny fifohazam-panahy toa itony, ny sasany tamin’ireo mpianatry ny Tompo nefa nihevitra fa hampihisatra be ny asa izany. Mbola nitohy moa izany taty aoriana rehefa nahazo ny fahaleovantenany ny Fiangonana. Ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara koa dia nanangana ny Sampana Fifohazana FFPM ka ho ao daholo ireo Fifohazana rehetra misy eto Madagasikara. Mizara roa noho izany ny Fifohazan’i Soatanana nisy ireo izay niditra tao amin’ny sampana fifohaza FFPM nefa nisy kosa no tsy nanaiky izany. Izany no nahitantsika fiangonanan’ny mpianatry ny Tompo tao Antsahabe Antananarivo.
Comments by Laza RAFENONIRINA