Teny ho vakiana

Isaia 45 : 1-6

I Tesaloniana 1 : 1-5

Matio 22 : 15-22

Mahagaga ihany i Jesosy avy any Nazareta ity. Fanontaniana tsy napetraka taminy akory dia nanomezany valiny. Izay noresahana taminy dia ny momba an’i Kaisara . Izay nagatahana ho valiany dia ny hoe  : « Moa mety va ny mandoha hetra ho an’i Kaisara sa tsia ? Izay tiana ho fantatra dia ny anjaran’i Kaisara. Hafa kosa anefa ny navaliny : ny anjaran’Andriamanitra no noresahany betsaka.

Mizara roa miavaka tsara ny valitenin’i Jesosy. Ny voalohany « Omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara. Ny faharoa ary ny tena lehibe sy notsindriny dia ny hoe: omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Nioko hametraka fandrika amin’i Jesosy ny Fariseo sy ny Herodiana, izay tsy vitan’ny hoe tsy mitovy hevitra fotsiny fa mpifahavalo aza. Tamin’izany fotoana izany dia nizara ny hevitry ny olona ny amin’ny fandohavana hetra ho an’i Kaisara. Na izany na tsy izany tafiditra lalina i Jesosy. Raha milaza izy hoe eny dia hahita loza amin’ny vahoaka fa ataon’ny olona hoe mpamadika. Raha hilaza tsia indray dia miandry azy ny fanjakana romana fa mpikomy Izy.

Nefa na tao aza izany dia nolazain’i Jesosy mazava tsara fa tsy maintsy haloa amin’i Kasaira ny hetrany. Izany dia tafapetraka tsara amin’izay voarakitra ao amin’ny Baiboly milaza fa ny fahefana rehetra eto ambonin’ny tany dia avy amin’Andriamanitra. Hitatsika ao amin’Isaia vao novakiana teo ny Mpanjaka Kyriosy izay nanao ny sitrapon’Andriamanitra na dia tsy nahafantatra Azy aza. Tamin’i Jesosy dia tsy azo avela akory ny raharaha politika, sy ny firenena. Ny fitantanana ny fiainam-pirenena dia ilana vola ka mila fandoavana hetra.

Mifanehitra amin’izany olana izany ny fiangonana saika hatramin’ny ela. Voantso hanatontosa ny andraikiny eto amin’izao tontolo izao ny kristiana. Tsy maintsy koa manaja ny lalàn’ny firenena misy azy ny Kristiana tahaka an’i Jesosy. Saingy noperan’i Jesosy tsy ho lasa omen’ny olona ny toeran’Andriamanitra ny Mpitondra sy ny politika. Misy ny kristiana mihevitra fa mifanaraka amin’ny finoana kristiana ny antoko politika arahany nefa misy koa ny kristiana hafa manana antoko politika hafa izay manao toa izany. Noho izany dia tsy misy afaka mitompo teny fantatra fa hany manana ny marina. Omeo an’i Kaisara izay any Kaisara hoy Jesosy toa ny milaza hoe tsy Andriamanitra akory Kaisara.

Fa ny tena zava-dehibe dia izay nolazainy ato aoriana. Tsy ny tontolon’ny olona akory ny firenena sy ny politika. Omeo an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra. Tsy ny toerana misy azy eto amin’ny fiaraha-monina no maha izy ny olona. Tsy ny hanina ihany na ny trano ..no ilain’ny olona. Raha ny fahitana ny sarin’ny Kaisara teo amin’ny vola no niantoka ny fandoavana ny hetra ho azy, nahoana kosa ny fahitana ny olombelona mitovy amin’Andriamanitra no tsy hahatonga azy hanome ny tenany manontolo ho Azy.

Mahafantatra tsara isika amin’izao fiandohan’ny taona telo arivo izao fa eo amin’ny firenena izay tsy manaja an’Andriamanitra dia tsy voahaja koa ny olombelona. Raha vao miheritreritra ny mpitondra fa masomadidiy ka tsy matahotra an’Andriamanitra dia voahosiosy ny olombelona sy ny zony.

Nilaina noho izany ny namaritan’i Jesosy ny adiditsika amin’Andriamanitra. Ary ity fehezanteny faharoa ity dia mitaky amintsika ny hamompona voalohany indrindra an’Andriamanitra. Hoy Jesosy  : »Katsao aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy ho anareo ny zavatra rehetra.

Takiko foana ny hanajana ny zoko. Jereko koa ny hafa sy ny zony amiko. Fa ny zon’Andriamanitra kosa mba ahoana ? Toa adinoko izany.