NANOHY indray ny tantaran’i Nenilava Volahavana Germaine isika
NY FOTOANA NIATOMBOHAN’NY ASANY.
Tapa-bolana ihany no nampianarana an’i Volahavana dia natao batisa izy. Pastora Ramasivelo tao Lokomby no nanao Batisa azy. Rehefa vita ny batisa dia nampakatra azy ny vadiny ary dia namomnjy an’Ankaramalaza ry zareo. Tsy ampy ny fampianarana azy hany ka tsy fantany akory izay tena zava-dehibe amin’ny fivavahana Kristiana. Voatery mbola nampianatra azy ny vadiny Mosesy Tsirefo.
Fa efa noresahatsika fa fony fahazazany dia manofy foana i Volahavana. Tamin’ny faha-valo ambin’ny folo ny taonany dia nitohy indray ny nofiny. Nofiny fa natsoina ho any an-danitra izy niaraka tamin’ny vehivavy roa. Nandalo vavahady maromaro izy vao tonga tany an-danitra ary tany dia samy nomena efitra iray avy izay misy fitaovana volamena. Nandreha feon-kira nahafinaritra aok’izany koa izy hany ka tamana. Tonga anefa ny fotoana nanirahana azy hiverina ety an-tany. Nandà ny handeha i Volahavana nefa nasehon’ny Tompo azy ny helo sy ny hanjo izay mandà ny iraka nomena azy.
Fa tsara ihany angamba ny milaza fa olona telo no indray nofohazin’Andriamanitra hanao ny asany tamin’iny faritra iny dia : Rapetera katekista tao Vohidravy, Mosesy Tsirefo ary Volahavana Germaine. Ny asa izay nasain’ny Tompo nataon’i Volahavana voalohany dia ny zanakavavy ny vadiny. Narary io zaza io ka ny fanahy ratsy no tao anatiny. Niasa mafy tokoa taminy Rapetera sy Mosesy Tsirefo. I Volahavana moa dia tsy nieritreritre mihitsy ny hiasa amin-drazazavavy, noheveriny fa tsy anjarany izany, ny nataony dia ny nanaraka ilay zazavavy rehefa entin’ny fanahy ratsy makany an’ala ilay zazavavy ka tsy nampiakanjoany. Indray andro raha niasa tamin-drazazavavy i Rapetera i Volahavana kosa teo amorom-pantana tamin’izay. Indro anefa nisy olona nanohina azy ka niteny tamin’ny mba hitsangana hiasa amin-drazazavavy. Nandà izy. Nefa nisy hery nanetsika azy hiasa. Farany izy nanaiky ary dia nifanampy tamin-dRapetera. Rehefa ela no niasany dia niteny ny fanahy ratsy tao amin-drazazavavy hoe : « Andeha izahay fa tonga ny mahery noho izahay ». Alarobia 1 Aogositra 1941 io fotoana io. Ary io fotoana 1 Aogositra io dia tsarovana isan-taona any Ankaramalaza.
Ny 2 Aogositra dia nandidy an-dRapetera, Mosesy Tsirefo ary i Volahavana ny Tompo mba hiasa fa maika izany. Nanaiky avy hatrany i Rapetera sy Mosesy Tsirefo fa i Volahavana kosa nandà. Antony roa no nandavany. voalohany tanora fanahy loatra izy ka sao tsy haharitra amin’izany. Faharoa tsy mahay na dia ny mamamky teny aza izy. Tsy nanaiky ny fandavany anefa Jesosy. Nilaza tamin’ny Tompo anefa izy fa raha tsy ambara aminy izay zavatra ho lazainy dia sahirana izy. nampanantena azy ny Tompo fa hambarany azy izay rehetra ho lazainy. Niara-miasa tokoa tamin’ny vadiny Mosesy Tsirefo izy izay nodimandry tamin’ny taona 1949.
Tsara ihany no milaza fa raha nanomboka niasa izy dia ny anarana, Nenilava, no niantsoana azy, anarana izay fantatsika ny niaviany.
FANOMANANA AZY
Na Zakaria Tsivoery Pastora na Rabehantoanina James Mpitandrina dia samy nilaza ao amin’ny boky nosoratany fa zava-roa no nanofanana an’i Volahavana Germaine. Izany dia ny fiteny tsy fantatra sy ny Soratra Masina. Araka ny efa nolazatsika dia nandà ny fiantsoana azy i Neny noho ny tsy fahaizany. Nampanantena azy anefa Jesosy fa ampianatra azy.
Ny Fiteny tsy fantatra.
Jesosy mihintsy no tonga tao an-tranony nampianatra azy ny fiteny tsy fantatra. Nandritry ny telo volana no nampianarany azy. Ary tamin’ny tabilao fotsy no nanaovany izany. Ny fomba fanoratra dia tamin’ny fomba tsy fantatra. Ny pastora Zakaria dia nilaza fa nanomboka tamin’ny teny Frantsay ny fampianarana azy. Roa andro ihany no nampianarana azy tao an-trano dia voatery naijanona izany satria be olona tonga ao an-trano ka nanelingelina. Ary dia nitondra azy tany anaty ala Jesosy ary dia tany indray no nampianarana azy. Betsaka ny olona no nihevitra an’i Volahavana ho very saina satria nadreha azy niteny teny tsy fantatra.
Betsaka ny olona no nihevitra izany ho eritreritra ihany. Ny tsy azo lavina anefa dia ny fahitana an’i Neny manitsy ireo olona manao fandikana ny teniny tamin’izy nitety tany taty Europe sy Amerika rehefa misy diso izany.
Ny Soratra Masina
Im-pito i Neny no voalaza fa niakatra tany an-danitra satria tany no nampianarana azy ny Soratra Masina. Tahaka an’i Neny Ravelonjanahary dia maty izy tamin’ny fiakarany nakany an-danitra. Nandritry ny telo andro izy isaky ny fiakarany avy any an-danitra no maty. Vory ao an-tranony ny olona maro. Anisan’ireny ny Pastora Rajaona Salema. Ary ny fanompom-pivavahana no nataon’ny olona teo am-piandrasana ny fiverenany. Tamin’ny fampianarana Soratra Masina azy dia nojerena tao daholo ny zavatra maro toy ny fijerena ny boky tsirairay, ny toko sy ny andininy. Ny Pastora Zakaria dia nilaza fa tahaka ny nataon’i Jesosy tamin’izy roalahy nakany Emaosy no nampianarany azy.
Tahaka ny voalazatsika tamin’ny i Neny Ravelonjanahary dia misy no mino izay voalaza nefa tsy vitsy koa ny misalasala ny amin’izany. Ho anay manokana tamin’ny fotoana nanatrehana ny nitorin’i Neny Teny dia hitanay tokoa ny fahaizan’i Neny manazava ny Soratra Masina. Tsy i Neny no mamaky ny Teny ao amin’ny Soratra Masina fa olona iray hafa fa ny fahafantanrany tanreka ny Soratra Masina no tena nahavariana anay.
NY ADY TAMIN’NY BIBIDIA
Nolazain’i Jesosy tamin’i Neny fa tsy maintsy hampiadiana amin’ny Bibidia izy izay antsoina koa hoe : Dragona. Nilaina izany satria hiantoka ny fandreseny amin’ny asa nampanaovina azy. Ny Dragona niadiany dia nolazain’ny Pastora Zakaria hoe : « Ny tarehin’ilay dragona dia tahaka ny voay sady manana volon-doha. Ny tenany manontolo dia feno tsilo maranitra izay tokony ho folo sentimetatra ny halavany. » Tany amin’ny alan’i Bevorotsiky no niadiany tamin’ny bibidia. Jesosy dia teo akaikiny mandrakariva. Telo andro no naharetan’ny ady. Nasain’i Jesosy nadohalika izy tamin’ny ady nataony. Voatery nifanandrina tanteraka mihitsy tamin’ilay bibidia izy (corps à corps) ka niditra tamin’ny nofony ireo tsilo. Noho izany mafy ny ady feno ratra ny tenany, reraka sy vizaka izy nefa dia nandresy noho ny anaran’i Jesosy.
NY FIFADIAN-KANINA
Nifady hanina nandritry ny roa volana sy tapany i Neny ary nandritr’izany fotoana izany dia tsy nihinana afatsy mofo tahaka ny mofom-pandraisana. Tsaroany ho matanjaka tsara ny tenany rehefa mihinana io mofo io. Tato aoriana nandritry ny 9 volana dia tsy nihinam-bary fa mofo, mangahazo, vomanga izay afangaro amin’ny anamany no nohaniny. Tsy nanao voky izy fa ny Tompo no nametraka ny sakafo ho haniny. Tato aoriana rehefa asain’ny Tompo hanao asa lehibe izy dia mifady hanina. Tsy miteny izy nandritry ny fotoana nifadiana hanina ary raha miteny aza dia amin’ny fiteny tsy fantatra.
Hojeretsika amin’ny manaraka ny asa nataony izay be dia be tokoa. Asa nataony manerana ny nosy sy hatrany am-pitan-dranomasina.
(mbola hitohy)
Comments by Laza RAFENONIRINA