TAMIN’ny taona 2001 dia notapahin’ny fiangonana FJKM tany Madagasikara fa atao ho andro hiadiana amin’ny fanompon-tsampy ny 8 septembre. Nisy filaharam-be niainga tany amin’ny fiangonana tsiraray avy tao Andrenivohitra hamonjy ny Fiangonana Anosivavaka Ambohimanarina izay toerana natokana hanaovana ny fankalazana izay andro izany Ary naneno daholo ny lakolosin’ny Fiangonana FJKM eran’i Madagasikara tamin’io fotoana io.

Mipetraka avy hatrany ny fanotaniana hoe ilaina ve izany ? Indrindra raha mijery fotsiny ny isan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara isika ? Hilaina ve izany raha mijery ny firorotan’ny olona mankany am-piangonana iska ? Ary nahoana no tany Anosivavaka Ambohimanarina no nanaovana izany fankalazana izany ?.

Isika rehetra dia samy mahatsiaro fa raha vao nitranga kelikely ny fanakifihina ny fanjanahatany tamin’ny endriny vaovao tamin’ny taona 1972 dia nanomboka nisy ny olona sasany nilaza fa avela miaraka amin’izay koa ny fivavahana Kristiana izay nentin’ny Vazaha. Nanomboka niseho ny fanaovan’ny Joro ary taty aoriana aza dia tsy nisy mihintsy fivoriana na fitokanana zavatra ka tsy nisy Joro. Nanjary fomba izany ka toa tsy nampaninona intsony ny Kristiana ny manatrika ireny. Nanomboka lefy izany tamin’ny taona 1991. Nefa gaga daholo indray isika fa nanakoako indray ilay nantsoina hoe : Alahamady be natao tany Ambohimanga. Olona tsy hita nonoa no nanatrika izany ary kristiana no ankamaroany. Etsy andanin’izany dia mbola betsaka ny odikely sy ny sampy kely tazon’ny tsirairay avy any an-tokatranony any. Firy amin’ny mpitondra fanjakana sy ny olomboafidy no mbola mandeha any amin’ny mpimasy na ny marimarina kokoa manana mpimasy mpitaiza azy. Raha izany dia heverina fa hendry ny fanampahan-kevitry ny Fiangonana handray andro iray hampahatsiarovana ny rehetra fa tsy mbola resy akory ny sampy

Fa nahoana no teny Anosivavaka no nanao izany fankalazana izany ? Nisy fotoana roa teo amin’ny tantaran’i Madagasikara nandoron’ny olona ny ody sy ny sampiny dia :

Voalohany dia tamin’ny nandoron-dRanavalona II ny sampim-panjakana toan’ Ikelimalaza, Imahavaly sy ny sisa ary ny faharoa dia ny 8 septambra 1929 teny Anosivavaka. Ary ity faharoa ity no noraisina hampahatsiarovana ny ady amin’ny fanompon-tsampy.

(JPG)

Fiangonana ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA

Inona no nitranga teny Anosivavaka tamin’ny 8 sptambra 1929 ?

Anosivavaka ho an’izay tsy mahafantatra dia eny Ambohimanarina no misy azy ary Ambohimanarina dia mizara faritra maromaro ary ny ery an-tapon’ny havoana dia Anosisoa. Anosivavaka kosa dia aty am-piaviana raha avy aty Antananarivo no misy azy. Isan’ireo razam-ben’ Ambohimanarina malaza tokoa ANDRIAMBODILOVA izay milevina ao antampon’Anosisoa. Taty aoriana dia isan’ny toerana nasinin’ny olona ny fasany, ka nasiana tamboho manodidina. Io rahateo no toerana akaiky indrindra fanasinana raha avy eto Antananarivo, no nalaza manome fanasitranana, fanambinana, fahazoana taranaka, fiarovana amin’ny fahavalo… Noho izany dia betsaka no tonga mangata-javatra ka manasina, na maka tanimasina, na maka rano tao amin’ny fatsakan’Andriambodilova ao ambany atsinanana tao Antsahalava izay natsoina koa hoe fatsakan-dRamaroanaka. Nanana mpiandry ny fasan’Andriambodilova dia i RAMIARAMANANA.

Tany Vatotsara kosa atsimon’Antsirabe dia nisy lehilahy natsoina hoe : RAJAOFERA Daniela (Baba RAJAOFERA), mpampianatra Sekoly Alahady, mpampianatra hira, mpitendry harmonia zanaky ny mpitandrina tao. Rehefa nandreha ny momba an’i Ramatoa RAVELONJANAHARY vehivavy nofohazin’ny Tompo tany Manolotrony akaikin’Ambalavao izy dia nandeha tany ary tany no nandraisany ny iraky ny Tompo. Nanomboka ny taona 1927 dia nandeha nitety faritany maro izy. Lehilahy avo feo ary nahay nadahatra tokoa hany ka betsaka no voababony. Ny taona 1929 dia tonga teto Antananarivo izy. Ary niaika an’i RAMIARAMANANA mpiandry ny fasan’ANDRIAMBODILOVA. Fiantsiana tahaka ny Elia tamin’ny mpisoron’i Bala mihintsy. Ny Alahady 8 septambra moa no fotoana fivoriam-ben’ny mpanasina an’Andriambodilova koa io no noraisin’I Baba RAJAOFERA hanaovana fanompom-pivavahana lehibe teny Ambohimanarina. Tsy neken’ny fanjakana Frantsay fa mbola zanatany Madagasikara tamin’izany ny hanaovana ny fanompom-pivavahana tao Anosisoa satria mifanakaiky loatra ka sao hisy ady. Noho izany dia tany Anosivavaka no natao ny fanompom-pivavahana. Feno olona AMBOHIMANARINA. Nifanitsa-kitro mihintsy ka hatramin’ny lalan-kely aza dia tsy nisy nandehanana intsony. Hatramin’ny olona avy any Anindrana aza no tonga hamonjy izany fotoana lehibe izany. Ny harivan’ny 7 Septambra dia efa nanomboka ny fiareta-tory natao ny Kristiana ka voatery nosokafana koa ny fiangonana tao Betafo. Tao Anosivavaka dia nisy olona tsy nody intsony fa nijanona tao am-piangonana sao tsy hahita toerana ny ampitso. Ho an’ny mpitantara dia sarotra mihintsy ny nidiran’i Baba tao am-piangonana ny andron’ny 8 septambra io, satria tena tsy nisy irika mihintsy fa feno olona ny lalantsara. Rehefa nahazo toerana izy dia nitsangana ny olona nihira ny Atema 1 manao hoa : « MASINA MASINA JEHOVAH TOMPO, FENO NY VONINAHITRAO IZAO REHETRA IZAO RY TOMPO AMENA ». Nohiraina im-pito izany. Hira moa izany. Ny tao an-trano dia nahita mazava be nameno ny trano, ny tany ivelany nahita ny Fiangonana voahodidina hazavana. Ny kristiana dia nilaza fa nilatsaka tao am-piangonana ny Fanahy Masina. Ny tsy mpino moa niezaka nanaporofo ny zava-nisy tamin’ny zavatra voajanahary.

Ny tany amin’ANDRIAMBODILOVA indray dia efa vitsy rahateo ry zareo, no natahotra koa, noho izany dia very tady nandositra. Nisy nilaza fa tonga jamba tamin’izay fotoana izay RAMIARAMANANA.

Ny harivan’io ihany dia samy nanary na nandoro ny ody sy ny sampiny avy ny olona. Tao Madera teo amin’ny toerana misy ny College Protestant Anosivavaka io dia misy fiangonana efa rava izay ary teo no nanarin’ny olona ny odiny, nahazo hatrany amin’ny tokontan’Itompokolahy RANDRIANAIVO Louis sy Itompokovavy RAZAFINDRABANGO izany ka izy mivady no nanangona sy nandoro izany teo an-tokontaniny.

Nanomboka teo dia notsarovana hatrany isan-taona io 8 septambra io. Ary rehefa tonga kosa ny 1 sy 2 novambra dia mandeha makany Vatotsara Anosivavaka ary tato aoriana dia Ambohimanarina iray manontolo mihintsy no namonjy izany. Ary satria isan’ny fiasana netin’Andriamanitra nampisy ny 8 septambra i Nenibe RAVELONJANAHARY dia tonga manatrika izany fotoana izany izy isan-taona mandrapahafatiny. Taty aoriana dia tonga nanatrika izany daholo ny fifohazana rehetra ka nandalo tao ry Pastora RAMAROLAHY Jonah avy ao Farihimena ry Nenilava VOLAHAVANA Germaine avy any Ankaramalaza, ireo mpianatry ny Tompo avy any Soatanana. Anosivavaka rahateo moa tsy nanavaka ny Fifohazana na avy aiza na avy aiza ny Toby niaviany.

Koa tamin’ny heritaona ary dia natao nanetriketrika ny fankalazana ary dia natao ho tsarovana isan-taona ny namangin’Andriamanitra an’Antananarivo tamin’ny alalan’ny 8 Septambra.

Foana ve ny fanompon-tsampy eto Madagasikara ? Toa eny avy hatrany no havalintsika izany rehefa mahita ny habetsakin’ny olona tonga mamonjy Fiangonana isan’Alahady isika. Tokony ho tsaroana anefa fa mbola ny atsasaky ny malagasy ihany no kristiana. Ary ireo manora-tena ho kristiana ve tena babon’i Kristy tanteraka ? Sao sanatria mbola ianao ry kristiana malagasy no tenen’i Jesosy mafy tahaka ny Fiangonana tany Laodikia hoe « Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana hianao ; aleo ho mangatsiaka na mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsiaka dia efa haloan’ny vavako ianao. » Apokalypsy 3 : 15,16. Tonga eo amin’ny sampanan-dalana tsy maintsy hifidiana isika ka tsy afaka hanompo Tompo roa intsony fa tsy maintsy mifidy. « Koa fidionareo anio izay hotompoinareo  » Iza no hamaly tahaka an’i Josoa manao hoe : « Izaho sy ankohonako hanompo an’i Jehovah izahay » Josoa 24 : 14, 15