TENY HOVAKIANA

DEOTORNOMIA 18 : 15-22

I KORITIANA 7 : 32-35

MARKA 1 : 21-28

Raha ireo teny ao amin’ny Filazantsara araka i Marka voafaritry ny Perikopa ho dinihina amin’ity volana febroary manontolo ity no jerentsika dia hita fa miresaka ny fanasitranana nataon’i Jesosy izany.

Misy tanana vitsivitsy tany Galilia izay nahavantana an’i Jesosy sy ny mpianany isan’ireny i Kapernomy. Azo lazaina fa nanana tombony tamin’ny rehetra mihintsy i Kapernomy ary ny tantara miseho eto amin’ity andininy vitsivitsy ho raisi-tsika ity dia niseho tany Kapernomy.

Tsara faritana ihany koa angamba ny amin’ny Mpanora-dalana izay voalaza eto. Ny Mpanora-dalana dia ireo olona natao handika ny baiboly. Noho izany dia mahafantatra saiky amin’ny atsipirihany ny baiboly izy ireny. Mazàna ao amin’ny tanana iray dia izy ireo no mpitarika fivavahana. Ny saika fanaony dia ny mamaky izay voasoratra. Efa voafaritra mialoha koa moa ny teny ho vakiana sahala amin’ny perikopa antsika koa dia mandeha ho azy izany. Tsy dia manitona loatra noho izany ny fotoana ao amin’ny Synagoga.

Raha niditra tao amin’ny Synagogan’i Kapernomy i Jesosy dia hita mihintsy ny fahasamihafana amin’ny fahita isan-tSabata. I Marka dia milaza fa nampianatra tahaka izay manana fahefana Izy. Tonga ho azy ny fampitahan’ny olona satria i Jesosy nampianatra tahaka ny Tompon’ny teny fa tsy mpindrana tahaka ny Mpanora-dalana. Ary toa tonga ao antsaina ny voalazan’i Jaona hoe : » Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamitsika. » Jaona 1 : 14. Izany hoe tsy vitan’ny hoe Tompon’ny Teny fotsiny Izy, fa Izy mihintsy ilay Teny tonga nofo.

Izay nampiavaka koa an’i Jesosy dia narahany asa ny Teny nataony. Hevero an-tsaina anie hoe ny Mpanora-dalana no sendra an’io azon’ny demonia io inona no nataony. Tsy resaka fotsiny ny fahefanan’ny Teny nataon’i Jesosy fa notanterahany tamin’ny asa izany ka dia nandidy ny fanahy ratsy Izy.

Izay manaitra eto koa dia ny fahafantaran’ny fanahy maloto an’i Jesosy. « Fantatro fa Ilay Masin’Andriamanitra Hianao ».hoy izy Vitsy ny olona miteny toa izany. Misy Kristiana aza mbola misalasala ny maha zanak’Andriamanitra an’i Jesosy. Fa koa hay tsy ampy ny milaza fa zanak’Andriamanitra Jesosy satria raha izay fotsiny dia tsy misy mahasamihafa antsika amin’ny fanahy ratsy na ny devoly. Ny devoly mahafantatra fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mangovitra matahotra fa hianao kosa inona no ataonao.

Mila fahefana ny teny hataonao ry Fiangonana. Tsy vitan’ny teny tsara lahatra sy ny plivava fotsiny, fa tokony ho tsapan’ny olona ilay herin’i Jesosy torintsika Tokony ho fantatr’izao tontolo izao fa Andriamanitra Tsitoha ny Andriamanitra torinao. Miseho ho manana ny hery daholo ny firenena rehetra ny olona rehetra ary mitady izany amin’ny fomba rehetra. Harentirenty ery ny fitaovam-piadiana maro samihafa hananan’ny firenena iray, satria izany no heveriny fa hanjakany eto amin’izao tontolo izao. Havelatra ho hitan’ny olona rehetra ny fananan’ny olona sy ny volabe ananany satria mihevitra izy fa izany no hananany fahefana. Fa ny anao kosa ry Kristiana ny Teny dia ilay Teny tonga nofo, ampy anananao fahefana izany. Saingy mila mino hianao fa tsy manaiky fotsiny.

Tataovan’ady Izao tontolo izao. Tsy fantatra na hatraiza ny ho vokatry ny ady raha misy izany. Tsy anjarantsika ny mitsara ny mahamety na tsy mahamety ny famakiana ady etsy sy aroa. Ny fanotaniana apetrakitsika dia ny hoe : mbola re eto amin’izao tontolo izao foana ve ilay Teny manana fahefana, sa efa nangina Izy ? Lasa fari-peo ve ny fiangonana ka tsy re intsony ilay Teny feno fahefana toriny ?