TENY ho vakiana

Jona 3 : 1-10

1 Koritiana 7 : 29-31

Marka 1 : 14-20

Ny mpandinika maro dia milaza fa ny Filazantsara arakan’I Marka no voasoratra voalohany. Ary tsy vitsy no mihevitra fa avy amin’ity Filazantsara ity no nanoratana ireo filazantsara hafa indrindra moa fa ny an’i Lioka sy Matio. Raha ny isan’ny toko ao amin’ny boky dia ny an’I Marka no vitsy indrindra satria 16 toko ihany no hita ao raha mihoatra ny 20 sy Filazantsara hafa. Noho izany dia toa hitatsika ho mihendrika famitinana ihany ny voasoratra ao. Ny andininy 13 voalohany amin’ity toko voalohany ity dia mamitina izay noresahana efa ho telo herinandro izao.

Anio dia nambaran’I Marka fa manomboka ny asany Jesosy. Rehefa voasambotra Jaona Mpanao Batisa dia lasa nody tany Galilia ireo mpianany toa an’I Andrea sy ry Jaona ka nanohy ny asany dia ny manarato. Jesosy koa raha nanomboka ny asany dia nakany Galilia araka ny voalazan’I Marka. Ary dia nanomboka nitoriteny. Ny toriteny voalohany natao dia ny hoe : Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha hianareo ka minoa ny Filazantsara (Vaovao Mahafaly) . Nambaran’I Jesosy fa tonga ny fotoana vaovao izay hitondra fanatenana ka ho tanteraka izay nandrasana, noho izany dia mihovà ka aza mety ho gejain’ny fisainana taloha fa minoa ny Vaovao Mahafaly. Satria hoy isika hoe : toa ny famitinana ihany no nosoratan’i Marka dia tsy miavaka loatra eto ny amin’ity Vaovao Mahafaly nolazainy ity. Mino anefa isika fa satria tsy teo intsony i Jaona Mpanao Batisa noho izany no ho nahasarika olona maro hihaino ny toriteny nataony. Angamba ho nahafinaritra ny nandreha ny feony. Mety ho nampihetsi-po ny toriteniny. Efa ela rahateo ny olona no tsy mandreha mpaminany Teo moa I Jaona dia nirohotra nakany aminy ny olona, izao izy voasambotra koa dia tany amin’I Jesosy indray ny olona no nirohotra ; . Galiliana no niresahany eto. Tsy dia mba nanaitra ny olona loatra ny Galiliana Mety ho tantsaha mihitsy aza ka tsy makaiza akory angamba koa raha nilaza ny hiavin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia efa nanatena zavatra betsaka. Ho an’ireo olona ireo no nilazana ny Vaovao Mahafaly. Tahaka an’i Jaona dia nolazainy ny tokony hibebehana nefa nampiany izany ka hoy izy hoe : minoa ny filazantsara izany hoe ny Vaovao Mahafaly. Mino isika fa mitovitovy amin’ny toriteny nataony tao amin’ny Synagogan’I Nazareta ny toriteny nataony. Toriteny izay nilazany ny fanafahana ny ao an-tranomazina, ny fanasitranana ny marary, ny fampahiratana ny jamba sy ny sisa. Marina fa ho an’ny Jiosy ny hanakifihina ny fitondrana Romana no natenainy, nefa rehefa nandreha ireo nambaran’I Jesosy ahoana moa ny tsy hanana fanatenana. Ary nahoana no tsy hino izany Vaovao Mahafaly izany.

Nilaza Jesosy fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra efa ho roa arivo taona lasa izay. Ahoana kosa no fiatraikin’izany amin’izao fotoana izao ? Ahoana no nolazain’ny Tompo fa hisy fanjakana vaovao nefa isika mianakavy miaina ato amin’ity tany hanajakan’ny fahoriana ity , sy ny tsy rariny ? Nahoana no hahafahana milaza izany nefa tsy hita taratra akory izay mety ho fahamarinan’izany ? Tsy dia tsara noho izay hita amin’izao fotoana izao ny tamin’ny andron’I Jesosy. Nefa ny mahagaga dia hain’ny Tompo ny nandresy lahatra ireo mpihaino Azy, hany ka voasarika ny olona. Sao sanatria kosa aza ka ilay zava-manahirana antsika heveritsika fa tsy ho voavahan’I Jesosy. Mazàna hataotsika entre parentheses ny fahoritsika. Tsy mino ny Vaovao mahafaly isika fa afaka mamonjy antsika amin’ny zavatra rehetra Jesosy.

Mba hanamarika izany dia niantso olona Jesosy izay nanaiky handao ny zavatra rehetra mba hanaraka Azy. Nandao ny asa fivelomany, nandao ny fianakaviany, nandao ny ray aman-dreniny, nandao izay nitana azy taloha ka nanaraka an’I Jesosy. Sarotra ihany izany raha tsy efa vontom-pinoana ny tena. Nomen’ny Tompo asa vaovao izy ireo ary izany asa vaovao izany dia ny ho tonga mpanarato olona. Mila olona tahaka izany koa ny Tompo amin’izao fotoana izao. Olona hitarika ny olona hino ny Vaovao Mahafaly