ISAIA 63.16-64

1 Korintiana 1.3-9

Marka 13.33-37

Miditra amin’ny taombaovao ny Fiangonana isika satria anio no alahady voalohan’ny Advento. Ny advento moa dia iray volana, izany hoe alahady efatra alohan’ny Krismasy. Ho an’ny kristiana malagasy, indrindra ho an’ny protestanta, dia resahina ihany ny momba ny advento saingy tsy fantatra loatra ny tena lanjany. Nefa eo no manomboka ny taona kristiana. Napetraka ireo alahady efatra ireo mba ho fiomanana mandray ny Krismasy. Dia hoy isika hoe : « Angaha moa mila fiomanana ny mandray ny krismasy ? » Toa ny milaza isika hoe : »Angaha moa mila fiomanana ny mandray ny Tompo ? »

Ny Filazantsaran’i Marka izay voapetraka ho dinihina androany dia milaza fanoharana momba ny olona iray nandao ny tranony ary nametraka ny fananany tamin’ny mpanompony. Na izany aza dia hiverina izy. Ary dia nofaranan’i Jesosy ny fanoharana nataony ka hoy Izy : « Miambena ».

Heverina fa fampitandremana tsotra nateraky ny fanoharana ihany ny hoe Miambena saingy rehefa mandinika isika dia nataon’i Jesosy hilazana ny tsy maha eo Azy izany. Tsy tamin’izany fotoana izany ihany no tsapa ny tsy naha eo ny Tompo, fa na dia amin’izao fotoana izao aza moa ve tsy tena tsaroana tokoa ny tsy maha eo ny Tompo. Eo tokoa ve Izy dia ho izao fahoriana be izao no hita eto amin’izao tontolo izao. Eo tokoa ve Izy dia ho hita be tahaka izao ny tsy fitoviana ka ny manana ihany no manana. Eo ve izy dia mivoatra be tahaka izao ny fanjakazakana atao ny mahery. Raha eo Izy dia miangatra Izy. Fa ny tena maha-lasa fisainana dia ny hoe sao dia tsy nisy mihintsy ary Izy, fa tsy hoe tsy ao fotsiny. Inona indray moa no ilana Azy, satria na eo Izy na tsy eo toa vita ihany ny fianan’ny olombelona. Afaka mahasolo Azy ny fahaizan’ny olombelona hanatsarana sy hampandehanana ny fiainan’izao tontolo izao. Ary izay indrindra no nampitandreman’i Jesosy. Marina fa tsy eo Izy saingy tsy midika akory izany heo : narian’Andriamanitra ny olona ka avelany hihosina amin’ny fahotana sy ny fahoriana. Ary ny filazantsara novakiana dia mampitandrina antsika ka nahatonga ny Tompo hiteny hoe : Miambena.

Ny fakam-panahy mety mahazo dia ny fiheverana fa tsy fisin’Andriamanitra mihitsy ny tsy naha-eo Azy. Misalosalo ao an-tsaina ny olona ny hoe « Sao dia tsy misy tokoa aza Andriamanitra ka marina ny filazan’ny sasany fa rongony natao an-demena ny saina ihany ny fivavahana. Ny mahagaga rehefa miha-mivoatra ny fiainan’ny olona dia manomboka tsy mila an’Andriamanitra izy. Toa tena tsy zava-dehibe intsony ny mandeha any am-paingonana. Izay mahasosoa ny fiainana ihany no maha-maika fa tsy dia zava-dehibe intsony ny momba an’Andriamanitra. Makany am-piangonana satria any mba hifankahitana amin’ny namana. Lasa club sisa ny fiangonana noho izany dia nampitandrina Jesosy ka nanao hoe : « Mianbena ». Marina fa tsy tsapatsika ny maha-eo an’Andriamanitra nefa tsymilaza izany fa tsy misy Izy ary manampy izany ho avy Izy ary Jesosy dia nilaza hoe : « Tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na maneno akoho, na ho maraina. fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa : Miambena »

Tsy ho ela dia ho tonga ny krismasy. Efa niomana ny amin’izany ve isika ? Efa niambina ary tsindian-daona fa ho tonga ny Tompo. Efa voalamina daholo ve ny ao an-trano. Efa voadio ve ny fotsika hidirany.