TENY ho vakiana

Ezekiela 34.11-17

1 Korintiana 15.20-28

Matio 25.31-46

Tamin’ny heriny isika dia nijery ny ampamoaka momba ny talenta. Eto indray Matio dia mitantara izay nolazain’i Jesosy momba ny fitsarana amin’ny andro farany. Fa ao anatin’izany fitantarana izany dia nisongadina izay maha Izy an’i Jesosy. Hita eto ireo toetra roa maha-Izy Azy dia ny maha-Andriamanitra Azy sy ny maha olombelona azy.

Raha apetraka eo amin’ny tantara ity fotoana niresahan’i Jesosy ity dia manakaiky indrindra ny hijaliany ary izany fijaliany izany dia hahatonga Azy ho toy ny farahidiny amin’ny olombelona. Eo indrindra anefa no nilana ny hampivoitra ny maha Andriamanitra Azy.

Andro vitsivitsy sisa dia ho tonga ny hampijaliana sy hamonona an’i Jesosy. Hihomezan’ny olona sy ho esoiny Izy. Mpanjaka nosatroana tsilo, nampiakanjona voloparasy, nomena tehina zozoro, ary ny hazofijaliana no mba seza fiandrianana nomena Azy. Manampy izany dia novonoina tahaka ny olon-dratsy Izy. Nefa dia naseho eto ilay maha-Izy azy. Nambarany fa ho avy ny fotoana hidirany amin’ny voninahiny. Ho avy Izy hanavaka, hametraka ny tsirairay amin’ny toerany sahaza azy, eny tokoa ho avy izy hitsara an’izao tontolo izao. Ary io fitsarana izao tontolo izao io dia natokana ho an’Andriamanitra irery ihany. Ary raha mbola misalasala ireo nihaino Azy dia nambarany fa : « Ho arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy ; » Ary dia nanambara ny tenany Izy tahaka izay efa fiantson’ny tenany hoe : « Ny Zanak’olona ». Io anaran’io anefa efa voalaza sahady tary amin’ny bokin’ny Daniela manao hoe : « Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany. Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy… ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava. » Tsy ho Izy intsony noho hotsaraina tahaka ny nitsaran’i Pilato Azy fa Izy kosa no hitsara ary hamoaka ny didim-pitsarana amin’ny anaran’ny Rainy.

Raha nivoitra teto ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy dia tsy navelan’i Jesosy raha tsy hita eto koa ny maha-olombelona Azy. Ary hitatsika izany tamin’ny ireo teny nataony na tamin’ireo teo an-kavanany na tamin’ireo teo an-kaviany. Hoy Izy : « fa noana Aho… nangetaheta Aho… nivahiny Aho… tsy nanan-kitafy Aho… narary Aho… tao an-trano-maizina Aho… »Namintina azy moa Matio fa nagamba mbola betsaka noho izany no voalaza. Teny manambara ny fahantrana sy fahorian’olombelona. Tian’i Jesosy notsipihina eto ny maha-olombelona Azy. Izany hoe amin’ny andro farany, raha mifarana eo ny tantaran’ny olombelona Jesosy kosa dia mamintina izany tantara izany ka ny momba Azy no voalaza. Ohatra ny Izy irery no nisy. « Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. »

Ho tsaraina araka ny fihetsika am-pitiavana hasehotsika isika. Ary ireo voalazan’i Jesosy ireo tsy ny rehetra akory. Nitomany ny zanako amin’ny alina, mifoha aho hampangina azy, hay Jesosy iny. Ilay namako ao am-pianarana ailikilin’ny ankizy, hay Jesosy iny. Nila narovako ilay mpira-miasa tamiko tao am-piasana fa azon’ny tsindry hazo lena, hay Jesosy Ny fanampiana ny tany mahantra, hay Jesosy no miantso, ireo tsy mana-kohanina, hay Jesosy no mitady. Azo tohizatsika amin’ny zavatra maro mitranga eo amin’ny fiainatsika izany.

Raha teo anatrehan’i Pilato Jesosy nilaza ny maha-mpanjaka Azy dia mino isika fa zava-marina izany. Nefa fantatsika koa fa hafa noho ny rehetra izany fanjakany izany. Fanjaka miafina ka na ireo ho voavonjy na ireo ho very samy tsy nahafantatra izany. Naseho amitsika kosa izany raha mino ny teniny isika. Eo amin’ny fiainatsika ity hay misy Andriamanitra manantena zavatra amitsika.