TENY ho vakiana

Isaia 40.1-11

2 Petera 3.8-14

Marka 1.1-8

Miditra amin’ny alahdy faharoa ny Advento isika ary androany dia ny momba an’i Jaona Mpanao Batisa no voalahatra ho toriana.

Mahalasa fisainana antsika raha mijery izay voalaza ato amin’ny Filazantsara isika. Ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa dia hita ao amin’ny Filazantsara efatra, raha tsy misy afatsy ao amin’ny Matio sy Lioka ihany ny fitantarana ny fahaterahan’i Jesosy.

Izay havalitsika izany angamba dia ny fomba fanoratry ny evanjelistra efatra. I Marka dia tsy nanisy teny mihitsy ny nahateran’i Jesosy satria ny Filazantsaran’i Marka no voasoaratra voalohany koa heverina fa raha nanoratra izy ny nahamaika azy dia ny nitantara ny asan ’ i Jesosy. Fa ireo Evanjelistra roa dia Matio sy Lioka kosa dia nanampy ny nahateran’i Jesosy satria toa tsy ampy ihany ny tantara raha tsy misy io nahateran’ny Tompo io. I Jaona indray dia nilaza ihany ery amin’ny fitarihin-teny saingy tsy niditra amin’ny atsipiriany fa nilaza fotsiny ny fahatongavan’ny Tompo ho nofo. Nefa azo heverina koa fa naka toerana lehibe ao amin’ny Filazantsara ny fanomanana ny niavin’ny Tompo ary izany fanomanana izany dia ny momba an’i Jaona Mpanao Batisa.

I Lioka raha manambara an’i Jaona Mpanao Batisa izay mialoha lalana an’i Jesosy dia mitantara ny fitsofoan’Andriamanitra ao amin’ny tantara. Ary izany fidiran’Andriamanitra izany tsy ivelan’ny tantara akory ka nofinofy ihany fa zava-nisy tokoa, noho izany no nilan’i Lioka mitanisa ireo mpitondra maromaro nisy tamin’izany fotoana izany. Ny famonjena izao tontolo izao tsy any ivelan’izao tontolo izao akory fa ao amin’ny tantran’izao tontolo izao mihintsy. Na izany aza tsy ireo voatanisa ireo akory no hanao ny tantara fa indro ilay mpitondra teny dia Jaona Mpanao Batisa izay mpaminany farany ary vavolombelona voalohany nahita an’i Jesosy. I Lioka dia milaza azy ho ilay feo miantso mafy any an’efitra.

I Marka kosa eto dia mandray izay voasoratra ao amin’ny Malakia raha nanambara an’i Jaona Mpanao Batisa. « Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny làlanao » sy izay voasoratra ao amin’ny bokin’Isaia « Injany ! misy feon’ny miantso mafy any an-efitra hoe : Amboary ny làlan’i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany. Tsotra sy foafitina kokoa ny voalazan’i Marka. Tsy namerina loatra ireo fanamboarana ny lalana voalaza ao amin’i Isaia tahaka an’i Lioka izy. Izay nomarihiny dia ny fahatongan’ny olona nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa. Fahatongavana mahagaga ihany satria olona tsy dia mahasarika loatra i Jaona araka ny filazan’i Marka azy. : « nitafy lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin’ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby » Izay notoriany dia ny fibebahana. Fa ny lehibe voalazany dia ny amin’ilay avy aoriany.

Fantatr’i Jaona fa mitady mpamonjy ireto olona ireto. Ao amin’ny Filazantsara hafa dia nanotany mihitsy an’i Jaona ny olona ka nanao hoe : Hianao ve no Kristy ». Toa ny milaza hoe : « Misy Mpamonjy ve eto amoron’ny Jordana eto ? » Moa ry havako isika koa tsy mametraka fanotaniana tahaka izany : Moa misy Mpamonjy afaka hamonjy ahy ve ?. Paoly dia niteny ho : » Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity. »

Jaona Mpanao Batisa dia nilaza amin’ireto vahoaka ireto hoe. « Tsy isika ireto ihany no acteurs eto amoron’i Jordana fa misy hafa koa, izay avy aoriako ka Izy no mitana ny rôle principal. Io ilay Mpamonjy tadiavinareo Izaho manao Batisa anareo amin’ny rano fa Izy hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina. Ilay Fanahy izay handoro ny tsy metitsika rehetra. Hanpotipotika antsika dia ilay isika taloha. Tsy izany fa raha jeretsika izay voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Matio dia nambarany fa hikororoka ny vary Izy ka hanavaka ny vary amin’ny akofa sy ny mololo Toa manery atsy koa izany hikororoka ny fiainatsika ka hanavaka sy handoro ny tsy mety rehetra : ny fitiava-tena amin’ny tena fitiavana ny tsy rariny amin’ny fahamarinana, ny tena fiandrasana ny Tompo sy ny fetifety fotsiny sns…. Fa raha izay no hataotsika dia hahita ny Tompo tokoa isika amin’ity Noely 2008 ity