TENY ho vakiana

Genesisy 15.1-6 ; 21.1-3

Hebreo 11.8-19

Lioka 2.22-40

Ny alahady anio dia natokana ho fahatsiarovana ny fianakaviana. Ary eto dia nahitana an’i Josefa sy Maria ary Jesosy. Ny teny natokana ho dinihina dia hahitana ny fotoana niarahan’izy telo mianaka. Ary io fotoana io dia ny nitondrana an’i Jesosy tao amin’ny Tempoly. Mahalasa fisainana ihany ny mieritreritra inona no lesona ho an’ny fianakaviana amin’ny fanatanterahan’i Josefa sy Maria ny fombam-pivavahana jiosy dia ny fanoloana ny zanany, ny fitondrana voromailala roa ary ny fihaonana tamin’ireo antitra roa tao amin’ny Temploly. Tsy dia mivoatra loatra ny zavatra azo tsohaina.

Na izany izany aza tsara ny mijery amin’ny antsipiriany izay voasoaratra ao amin’ity Filazantsaran’i Lioka ity. Mino isika fa hampahafantatra antsika zavatra bebe kokoa izany ka hahazoatsika ny hafatra tian’ny Tompo ho raisitsika.

Tonga tao amin’ny Tempoly izy mivady mba hanolotra ny Zaza ho an’Andriamanitra sy hanatanteraka ny fanatitra . Dia nifanena tamin’ny lahy antitra sy vavy antitra dia Simeona sy Ana.

Azotsika an-tsaina i Simeona. Lioka dia nilaza azy ho marina sady mpivavaka tsara ka niandry ny fampiononana ny Isiraely ; ary ny Fanahy Masina dia tao aminy. Ary indro fa natosiky ny Fanahy Masina ho ao amin’ny Tempoly izy. Avy hatrany dia fantany fa ity Zaza ity dia fampiononana ho an’ny Israely. Fantany fa tanteraka ny vavaka nataony . Tanteraka ny fiainany ka afaka mandeha am-pifaliana izy. Nitrotro ny zaza izy ary nidera an’Andriamanitra. Ary nanao ireo teny malaza izay fisaorana an’Andriamanitra « Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao ; Fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, Izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, Dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao » Avy eo dia natolony an’i Maria ny Zaza ary dia nanao teny mahalasa eritreritra izy dia ny hoe : Indro, Ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely ary ho famantarana holavina ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra – mba haseho ny hevitry ny fo maro. » Manaitra be ihany ireo teny nataony. Raha hahatonga fananganana ny maro izy dia ekena soa fa raha hahatonga fandavoana ho an’ny maro mampieritreritra. Izay tiany hambara dia hitarika fisarahana ho an’ny olona ity Zaza ity. Hizara noho ny aminy ny olona arakaraka ny heviny mikasika an’ity Zaza ity. Tsy afaka hijaona amin’izao ny olona fa na izy hanaiky an’ity Zaza ity na handaha Azy.

Ary i Maria izay gaga noho ny tenin’i Simeona dia nolazainy hoe « ary ny fanahinao aza dia hotsatohana sabatra – mba haseho ny hevitry ny fo maro » Noheverina fa natao ihany ho an’i Maria ireo teny ireo nefa dia mahakasika antsika koa. Tsy azo lavina fa indraindray manahirana ny fanatrehan’Andriamanitra. Manery antsika hametraka fanotaniana mazàna izany. Nambaran’i Simeona izay hahatraran’ny fanatrehan’ny Tompo satria miankina betsaka amin’ny fihetsitsika manoloana Azy ny ho avitsika.

Ary dia niditra an-tsehatra koa i Ana i Lioka dia nilaza azy ho : mpaminanivavy, zanakavavin’i Fanoela, avy tamin’ny firenen’i Asera ; efa anti-panahy tokoa … ary tsy niala teo an-kianjan’ny tempoly, fa nanompo tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana andro aman-alina. Fantany koa ny Zaza ary indro izy nitantara tamin’izay nihaino azy ny fa tonga ny fanavotana an’Israely.

Tanteraka soa ama-tsara ny natao tao amin’ny Tempoly ary dia nody tany Nazareta ilay fianakaviana kely.

Ny zava-dehibe dia ny fahitana fa nanana ny lanjany teo amin’ity tantara ity ny fianakaviana satria : ny ray, reny ary ny zaza no tonga tao amin’ny Tempoly.

Tsy dia hita loatra tao amin’ireto teny ireto angamba hoy isika ny anjara toeran’ny fianakaviana, nefa rehefa dinihina tsara dia mivoatra izany satria manana anjara amin’ny fanantanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ny fianakaviana . Ary Izy Andriamanitra no mitantana izany fianakaviana izany. Na dia ny iray aminy ihany aza no voantso ny rehetra koa mpanatanteraka izany sitrapon’Andriamanitra izany ary samy manana anjara amin’izany.