TENY ho vakiana

Isaia 60. 1-6

Efesiana 3. 2-6

Matio 2. 1-12

Isan’ny tantara tsy azo sarahina amin’ny tantaran’ny Krismasy ny tantaran’ny magy.Ny filazantsarn’i Matio dia manambara azy ho avy any antsinanana. Raha i Palestina no jerena dia ho avy any amin’ny sinoa na japone na ny babyloniana, na ny maleziana no niaviany. Ny lovatsofina dia nilaza fa nisy fotsy hoditra, mavo hoditra ary mainty hoditra izy tamin’izy ireo, mety ho tiana hilazana fa ny karazan’olona rehetra teto ambonin’ny tany no tonga hiankohoka eo anolon’ilay zaza vao teraka. Ny lovatsofina koa no milaza fa telo no isany, izay hita ao amin’i Matio anefa dia tsy mametra isa loatra. Ny tandrefana dia milaza fa mpanjaka izy ireo, raha mpanjaka izy dia tsy avy amin’ny toeran’ iray fa avy amin’ny toerana maro fara faharatsiny telo. Ny iraisan’ny rehetra anefa dia ny hoe manampahaizana mpandinika ny lanitra izy ireo. Izay hita dia ny fanirin’izy ireo ny hiankohoka eo anatrehan’ilay zaza nasehon’ny kitana. Koa raha mpkajaka izy ireo dia manambara izany fa ambony noho izy ilay vao teraka, izany hoe ny Mpanjakan’ny Mpanjaka. Ny tantara dia milaza fa nanaraka ilay kitana ny magy, raha izany dia tsy tokony ho an’i Jerosalema velively no nalehany voaloahany. Angamba ny kitana ho nandeha tany Betklehema ihany saingy ny sain’izy ireo tsy nino izany ka dia nihevitra fa raha Mpanjaka dia tsy maintsy ho an’i Jerosalema no hahaterahany. Mpahazo antsika koa izany, matetika dia teretsika ho ny eritreritsika no eritreritr’Andriamanitra. Efa mifanena amin’ny mafy isika efa midona amin’ny rindrina vao mahatsiaro tena.

Rehefa tapa-kevitra ny handeha ho an’i Betlehema izy ireo dia indro nitranga indray ilay kitana. Rehefa tapa-kevitra ny hanaraka izay tian’Andriamanitra isika dia eny foana Izy nitari-dalana antsika. Koa na toa inona na toa inona hamafin’ny zavatra sedraina dia tsy maintsy ho tonga isika.

Ny mpiandry ondry sy ny magy no voalaza fa niakohoka teo anatrehan’i Jesosy. Toa ny manambara izany fa tsy misy mahantra sy ny manakarena eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy misy ambany sy ambony fa raisiny daholo izay rehetra mitady azy.

Fa andeha ho jeretsika kosa izato Heroda mpanjaka I Matio dia nilaza fa nagorohoro izy. Natahotra satria noheveriny fa haka ny toerany ilay mpanjaka vao teraka. Izay manaitra anefa dia nambarany tamin’ny magy fa rehefa mahita ny misy ilay Zazakely ny magy dia tokony hiverina hilaza aminy fa izy koa dia mba handeha hiakohoka eo anatrehany. Ny tantara ato aoriana no milaza amitsika fa hamonoany Azy no nilany izany. Betsaka no mitady an’Andriamanitra fa tsy mitovy ny antony hitadiavana Azy. Misy mikaroka, mitady ary teha-hanamporofo fa tsy misy Andriamanitra ary raha toa aza nisy Izy dia maty, na tokony hovoina fa manelingelina ny fiainana fotsiny ny fisiny.

Rehefa nandeha tany Betlehema ny magy dia nahita an’i Jesosy. Avy eo dia notoron’Andriamanitra lalana hafa izy ka lalana hafa no nalehany nandeha nody tany aminy. Ny olona nihaona tamin’i Jesosy miova lalana. Tafahaona tamin’i Jesosy i Rasalama dia hoy izy  » Hitako ny lalan-tsara ka hizorako izao.  » Taminity krismasy 2002 ity ve efa tafahaona tamin’i Jesosy ianao ry havako. Raha tafahaona taminy ianao dia tsotra ihany no hahafantaranao izany : niova lalana ianao. Izany hoe raha mpandainga ianao taloha dia mpilaza ny marina kosa ianao ankehitriny. Raha mpangalatra ianao fahiny dia hanao tahaka an’i Zakaiosy ianao ka tsy vitan’ny hoe tsy hangalatra intsony fotsiny fa hanonotra izany rehetra vita sns…Enga anie ka tsy ho isika noho tahaka an’i Heroda ka ny hahazoana tombotsoa fotsiny no hitadiavana an’i Jesosy fa raha izany tsy hahita Azy isika. Ho famaranana hoy ny mpanao salamo : « Hamorony fo madio aho Andriamanitra ô », tohizantsika izany dia hoy isika : Toroy lalam-bavao aho mba tsy handehanako intsony tamin’ny lalako falehako taloha. »