NIANTSO tamin’ny feo mahery Jesosy dia niala ny aina. Hay ny fidirana ho amin’ny fahafatesana tsy mora fa tena mafy . Eny fa na dia tao aza ny maha Zanank’Andriamanitra an’i Jesosy dia ny heriny manontolo no namerina ny ainy hiverina any amin’ny Tompony dia Andriamanitra. Nifarana teo izany ny fifandraisana amin’iJesosy ara-nofo. Toy ny olombelona rehetra tafahoana amin’ny fahafatesana .
Nalaky maty Jesosy ary nahagaga an’i Pilato izany. Nieritreritra ve i Pilato fa mora ho afaka amin’nizao mangidy izao i Jesosy ? Asa . Fa iny kosa i Josefa avy any Armatia naka ny fatin’i Jesosy ho karakaraina amin’ny fandevenana. Na dia tao aza ny fananejehana sy ny faneson’ny olona ny Tompo dia nisy ihany izay tsy nahafoy Azy ka vonona ny hanome fandevenana mendrika an’i Jesosy. Tsotra dia tsotra izany. Nividy hariry madinika i Josefa, ary nofonosiny an’izany Jesosy, ary avy eo dia napetrany tao anaty vatolampy efa voaomana amin’izany. Ary dia nakatona ny varavan’ny fasana. Maty tokoa Jesososy ary toerna tsy miaraka amin’ny velona no hametrahana Azy.
Raha nanaraka ny tantaran’ny Herinandro Masina nosintonina avy tao amin’ny filazantsaran’i Matio isika dia hita fa tany am-piandohan’ny boky dia efa fahafatesana no niandry an’i Jesosy.Jereo eo amin’ny toko faha:3 and.6″Ary dia lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny Herodiana izy hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy « . Nanomboka teo dia efa anisan’ireo olona tsy maintsy ho samborina Jesosy. Isan’ny olona izay tsy azo antoka Izy sy ny asa ka tsy maintsy arahina ny zavatra ataony sy ny fihetsiny sy ny teny rehetra izay ambarany. Ary rehefa tonga eo amin’ny fotoana tsy am-poiziny dia ho samborina Izy. Hita hatrany eo amin’ny tantarana ny fanomezan-tsiny sy ny fitsapana atao ny hafa, sy ny fanontaniana ny Aminy amin’ny alalan’ny famotorana ambadika. Ary koa izay afaka manolotra Azy dia omena valiny toy ny vola . Mahavariana ny tantaran’i Jesosy fa tsy arak’izay heverantsika Azy. Efa ela no notetehana hovonoina Izy. Ary dia tonga tamin’izany izao ny fiafarany.
Ny fahafatesana dia mitondra ho amin’ny fandevenana, amin’ny fisarahana amin’ny hava-malala. Marary ny fon’ny mpianatra, ny reniny, ny fianakaviana, ny vahoaka izay nanaraka Azy, nefa tsy afa-manoatra. Rehefa tonga ny fahafatesana sy ny fandevenana dia miatrika fiainana hafa indray ireo anatin’ny fahoriana. Miatomboka amin’ny fahanginana izany. Ny alahelo dia mameno ny fo ka tsy mahaloa-bava amin’ny fotoana tahaka izao . Tadidio ny tantaran’i Joba. Jereo Joba 2 : 11″ Ary rehefa ren’ny sakaizan’i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ny fonenany avy izy- ary nifamotoana ka handeha hitsapa alahelo sy ampionona azy …nanandratra ny feony izy ka nitomany, ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ny lanitra hiaraka amin’ny lohany. Ary dia niara-nipetraka teo aminy tamin’ny tany hafitoana’andro sy hafitoan’alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany ».
Raha izay no nitranga tamin’i Joba dia tsy ho latsak’izany koa ny tamin’ny manodidina an’i Jesosy. Tsy misy hafa an’ireny olo-malaza toy ny manam-pahefana ka nanaitra ny fahafatesany satria tsy azokazon’ny olona izy, ka misy ny te hanonga-mpanjakana ary dia miafara amin’ny fahafatesana . Ary dia malahelo ny vahoaka. Misaona ny firenena. Toy izany koa ny fahafatesanan’i Jesosy : mangina ny tany noho ny ngidin’ny fahafatesana, maratra ny fon’ireo izay tia Azy. Mbola afaka hitraka ve. Ilaina izany eo amin’ny famoizana ny malala ao anatin’ny fotoana hisentoana. Matetika io dia hadino aty amin’ny tany mandroso fa entin’ny fahamaizana amin’ny asa ka na ny fahafatesana aza dia atao izay hahahaingana ny fahavitan’ny fandevenana. Ary dia tohizana haingana ny fiainana sao tsy tafarina fa resin’ny fahoriana. Kanefa rehefa hidiran’ny fahafatesana ny fianakaviana dia resy tokoa satria tsy nisy nahatohitra izany. Ny any tsy hadinona dia ny Tenin’i Jesosy hoe. Rehefa afaka hatelona ao dia hitsangana amin’ny maty. Izay ny fananatenan’ny mpino kristiana. Rehefa nandalo ny fahoriana izay netin’i Jesosy teo ambony hajo fijaliana, ary maty noho ny tsy finoan’ny olombelona . Dia mandalo ny fahanginana ho fanajana ny maty ary hitodiana ny ho avy amin’ny fanantenana fa io Jessy Izany niohombohona tamin’ny hajo fijaliana io dia mbola ho velona indray ». Ary ho handraindray tsika izany , tsy ho el aakory. Andriamanitra mahalala ny fahoriantsika amin’ny fotoana fisarahana.
Amena.
Comments by Laza RAFENONIRINA