MARKA 15 : 16 – 41
sy misy fanantenana intsony ny hoe hanavotana an’i Jesosy amin’izao fanamelohana Azy izao. Tsy misy ny afaka hamonjy Azy hanala ny olona voagadra toy ny hitanatsika amin’ny sari-maizina ireny.
Nihamafy ny fampijaliana ary tsy napihetsi-bolo akory ireto miaramila izao fihetsika izao. Fanakorana sy fihomehezana aza no niloaka ny vavan’izy ireo ary tsy menatra nandrora an’i Jesosy akory izy ireo . Ny satro-tsilo no solon’ny satroka mpanjaka nataony teo ambony lohany. Mampahatsiaro ny tantaran’ny vahoaka tao Sekema mikasika ireo karazan-kazo tamin’ny fotoana nitadiavana mpanjaka ( Mpanjaka 9:7-15)izany. Toy izany koa ny lamba volomparasy mamphatsiaro fa mandalo fotoam-pahoriana . Raha sendra ka misy havana nodi-mandry dia telo no lokon’ny lamba fisaonana : na mainty, na fotsy, na volomparasy. Na ny tsilo na ny lamba volomparasy dia efa mampananontanona ny fahafatesana.
Na tao aza Simona Kyreniana hanampy an’i Jesosy hitondra ny hazo fijaliana dia mavestra ihany izany. Tsy maintsy notanterahina ny didim-pitsarana ka nohombohona tamin’ny hazo fijaliana Jesosy. Ny eso sy ny latsa nataon’ireo nanatrika teo dia tsy hay lazaina intsony. Mandeha ny ora mandra-piala aina.
Manakaiky ilay atao hoe ora farany. Ary teo Jesosy no nanandratra ny feony ka niteny hoe : » Eloy, Eloy, lamà sabaktany ! » izany hoe, raha adika » Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao ».
Tsaroantsika fa raha niaraka tamin’ny mpianatra Jesosy dia nihira ry zareo teny an-dalana « Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva « (Marka 14 : 26) . Ary tao aoriana kelin’io dia nizotra nankeo Getsemane, ary izao dia tonga eny Golgotaha (Hikaran-doha).
Mihamaizina ihany ny lalana hizorana ary anatin’izany lalana maizina sy mangidy izany no nihira Jesosy hoe : » Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? « . Tonon-kira nalaina tao amin’ny bokin’ny Salamo 22 : 2. .
Rehefa tao anatin’ny fahoriana mafy ny zanak’Israely dia niara-niredona io hira io ry zareo. Hira fitarainana noho ny fahoriana. Eto ilay voalazantsika tamin’ny afak’omaly hoe : nisy fotoana tsy namalin’Andriamanitra an’i Jesosy. Ao amin’ny bokin’i Lioka dia izao no voalaza « Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko ». Teny mbola avy ao amin’ny Salamo ihany : hiram-bavaka.
Mampahatsiaro ny fanatrehan’ny olombelona ny fotoana farany amin’ny iainany eto ambonin’ny tany koa izao tantara izao. Rehefa eo anoloan’ny fahafatesana ny olombelona dia samy manana izay fihetsiny. Misy ireo mandry am-piadanana satria tsy narary, tsy nisy fanantainana. Misy ireo izay mahita ny fihavin’izany fahafatesana izany ka mivavaka, na mihira. Misy efa nanatrika izany ny sasany amintsika, na rentsika fa teo amin’ny fianakaviana dia nanao hiram-pivavahana i Ranona ary dia tapitra ny ainy. Ny tiako holazaina eto dia tsy misy afaka mitsara an’iza n’iza isika satria tsy fantatsika izay mitranga eo amin’ny segondra farany, izay heverina fa hitodihan’ny tsirairay amin’Andriamanitra.
Samy gaga na ny mpianatra na isika. Ary teo amin’ny tantaran’i Jesosy , dia niaiky ilay kapiteny fa Zanak’Andriamanitra tokoa io olona voasambotra ka nahantona eo amin’ny hazo fijaliana. Fotoana indray mipi-maso no nahatsapany izany. Izany no fanekem-pinoana voalohany nataon’ilay lehiben’ny miaramila » Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io lehilahy io ». Toa ohatran’ny tsy mampino satria olona tsy nanaraka an’i Jesosy akory no manambara ny finoany.
Hafa kely ny fomba fiasan’Andriamanitra. Hainy ny manokatra ny fo sy saina amin’ny fotoana tsy am-poizina. Hainy ny mametraka ny Teny ao am-bava. Mahagaga ilay kapiteny nijoro nifanandrify tamin’ny Zanak’Andriamanitra.Tahaka ny hoe : naseho azy mihitsy fa tsy very akory ny antony nahatongan’i Jesosy tety ambonin’ny tany. Ny olona vonona handre sy handray ny Tenin’Andriamanitra dia manatrik’Azy. Ary izany dia nitondra fiovam-po, nitondra fiainana. Eny, toa ity nitranga tamin’ilay jiolahy niara nohombohona Taminy teo anilany teo amin’ny hazo fijaliana, ka izao kosa no voalazan’i Lioka 23 : 42 « Anio no hihaonanao amiko any an-paradisa ». Matetika ny olombelona dia mizotra amin’ny lalana maro isan-karazana mba hahazoana mihaona amin’Andriamanitra. Ary ela vao mahatsapa fa teo akaikiny eo ihany Andriamanitra fa tsy hitany. Ary injay, teo amin’ny fotoana tsy noheverina akory dia nohazavain’ny
Fanahin’Andriamanitra ny saina, ka miaiky amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay nirahina tety ambonin’ny tany fa ny famonjena dia ho antsika tsirairay avy.
Izao fahafatesana izao dia nitondra aina vao ary nandrava ny fisarahana.
Matokia an’i Jesosy Kristy fa Izy no mahay manova ny tsy finoana ho amin’ny finoana velona tahaka izay nitranga tamin’ilay kapiteny sy ilay jiolahy. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Comments by Julia RAFENONIRINA