TENY hovakiana
Ezekiela 18.25-28
Filipiana 2.1-11
Matio 21.28-32
Mazàna no mieritreritra isika fa misy olona tsy mety hiova mihitsy. Lazaitsika fa mpanota matevi-koditra ireny ka tsy ho laitran’ny balan’ny fananarana. Ary tsy ny hafa ihany fa na isika koa aza tratran’izany. Impiry no misy amitsika no mba niezaka hiala amin’ny sigara ohatra nefa dia tsy afaka.
Ny Filazantsara androany dia milaza vaovao mahafaly mety miova ny olona. Jesosy eto dia mitantara ilay zanaka mafy loha ka rehefa nirahan-drainy dia namaly boraingina hoe : « Tsy andeha aho ». Nefa hay ao anatiny ao misy toetra tsara ka nahatonga azy hiova hevitra mba hahafaly an-drainy. Etsy an-daniny koa anefa dia nolazainy koa ilay zanaka bonaika mpanaiky be nefa tsy manao izay nekeny.
Mahazatra antsika ny mitsara fa i Ranona iny izay mpanao ratsy dia tsy mety hiova mihitsy hanao ny tsara. Ary i Ranona izatsy kosa olona notsongon’olom-bola tsy mety hiova ho ratsy mihitsy. Hafa noho izany ny fihevitr’Andriamanitra. Jesosy dia manao fanoharana momba ny zanaka roa izay ny voalohany niova ho tsara fa ilay faharoa kosa niova ho ratsy. Na toa inona na toa inona ny toetran’ny olona teo aloha eny fa na ny fihetsiny amin’izao fotoana izao aza tsy izany no zava-dehibe satria Andriamanitra mijery ny ho avy. Amin’Andriamanitra tsy misy tsara mandrakizay ary tsy misy ratsy mandrakizay, fa mety hiova foana ny olona na ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy
Ireo izay nandaha ny antson’ny Tompo, ary izaho an’isan’ireny dia afaka miova. Ary izay no nahatonga an’i Jesosy nitantara ity fanoharana ity.
Fa tian’i Jesosy ho fantatra amin’ity fanoharana ity izay ho avin’ny tsirairay ary izany ho avy izany dia ny fiainana mandrakizay. Nambaranny Tompo eto fa izany dia manomboka ety an-tany fa tsy miandry ao aorinan’ny fahafatesana akory. Notsindrin’i Jesosy io tao amin’ny fanoharana : » Anaka, andeha miasa any amin’ny tanimboaloboko anio. »Tsy notsaraina araka ny teniny izy roalahy fa araka ny asany.Ary toa miverina ao an-tsaina ny tenin’i Jesosy hoe : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. » Ary Jaona ao amin’ny Epistiliny dia milaza hoe : « Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. »
Misy, angamba tsy ho isika, milaza hoe : »Je suis croyant non pratiquant » na mino aho fa tsy mafana fo loatra. Amiko manokana, fa asa izay hevitrareo, manaiky fotsiny izany fa tsy arahana asa. Ary Jesosy dia nilaza fa tsy tokony hatao izany. Tsy ny fanekem-pinoana tononotsika no zava-dehobe fa ny asa manaraka izany fanekem-pinoana izany. Ary na dia amin’ny fiainana an-davan’andro aza tsy ny filazana amin’ny olona iray hoe : « Tiako ianao » no zava-dehibe fa ny asa manamporofo izany fitiavana izany.
Fa ny hamaranatsika azy dia izay voalazan’i Jesosy momba ilay zokiny hoe : » Tsy handeha aho ; nefa nony afaka izany, dia nanenina izy ka nandeha ihany. » Angamba tsindrina ny hoe « Nanenina » Nanakianan’i Jesosy ny Mpisorona sy ny loholona io tsy manenina io ka hoy izy : « Ny mpamory hetra sy ny vehivavy Janga no hiloha lalana anareo any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. »
Comments by Laza RAFENONIRINA