Teny ho vakiana

GENESISY 15 : 1-6

GALATIANA 3 : 1-14

LIOKA 11 : 27-28

Ity alahady anio no isan’ireo alahady izay tsy itovizan’ireo teny natokana ho vakiana ao amin’ny Fiangonana Protestanta sy Katolika. Ny antony moa ny alahady farany amin’ny volana oktobra no natokan’ny Protestanta ho alahadin’ny reformasiona.

Raha mandray ny teny natokan’ny Protestanta ho vakiana indray isika dia toa antsy ady amin’ny Katolika no hita, indrindra raha mandray izay voalaza ao amin’ny Filazantsara araka Lioka, satria ny foto-kevitra tena mampifanolana indray no noraisina hodinihina dia ny mikasika an’i Maria.

Ho anao protestanta no hiresahako androany sao dia lasa lavitra loatra kosa aza ny hevitrao protestanta mikasika an’i Maria. Ny Filazantsara mihintsy eto no mitantara ny teny nataon’ilay vehivavy hoe : « Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninononao » raha nilaza an’i Maria izy. Tsy nolavin’i Jesosy ireo teniny ireo satria hoy Izy  : « Eny tokoa « Lioka 11 27-28.. Ary raha mijery izay voalaza ao amin’ny Filazantsara araka an’i Lioka isika toko 1 andininy faha 48 manao hoe : Maria no miteny « Ary indro hatramin’ny ankehitriny dia ataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho. Ao amin’ny Soratra Masina ireo, saingy indraindray hodin’ny Protestanta tsy resahana loatra. Tsy azonao Protestanta lavina fa fiasana nentin’Andriamanitra nitondrana ny famonjena i Maria. Ny fahatahorana an’izay ve no toa mahatonga anao Protestanta ho allergique an’i Maria. Vitsy dia vitsy ny Protestanta mitondra anarana hoe Maria, satria raha vao Maria dia Katolika izay. Moa ve tsy tokony hisaoranao Protestanta an’Andriamanitra ny fisin’i Maria teto ambonin’ny tany.

Fa saingy tsy azotsika hajanona eo izay voasoratra ao amin’ny Filazantsara satria notohizan’i Jesosy ny teniny ka hoy Izy  : »Maika sambatra aza ny mihaino ny Tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany. » Ary eo no hidiran’ny Reformasiona. Ilay fahasambarana tsy ny nitondrana tao an-kibo akory ny Zanak’Andriamanitra, fa ny fitandremana ny teniny. Hay mety ho sambatra kokoa noho i Maria ianao raha mitandrina ny tenin’ny Tompo. Ary io tamin’ny Protestanta no zava-dehibe. Nanaraka an’io tenin’i Jesosy isika Protestanta ka nametraka ho ambony ny Tenin’Andriamanitra. Ny Soratra Masina dia nitantara an’i Maria ho nihaino ny tenin’i Jesosy ary mino aho fa hanasa antsika hihaino izany koa izy. Mariana tsara fa tsy ny mihaino fotsiny akory fa ny mitandrina azy izany sy mampihatra izany amin’ny fiainana. Tsy hitondra fahasambarana ho anao izy raha tsy hampiharinao. Ary raha milaza hoe sambatra isika dia tonga ao antsaina ny toritenin’Jesosy teo antendrobohitra manambara ny fahasambarana. Araka izany ny sambatra dia milaza koa fifaliana. Chouraqui dia milaza azy ho ny TSODRANO

Izay no heveriko ho zava-dehibe amin’izao alahady natokana ho an’ny Reformasiona izao