TENY ho vakiana
Isaia 42 16-21
Filipiana 3 : 8-14
Jaona 8 : 1-11
Isan’ny tantara manana ny lanja ato amin’ny Filazantsara ny tantaran’ity vehivavy tratra nijangajana ity. Alahady mialoha ny herinandro masina anio ary fotoana koa mety handraisatsika ny famelana avy amin’i Jesosy raha mety isika. Etsy andaniny koa anefa dia fotoana hanasana antsika mba hanahaka ny Tompo ka hanana fo mahay mamela heloka.
Mampianatra antsika hahafantatra misimisy kokoa ny amin’ny heloka sy ny famelan-keloka ity tantara ity koa andeha ho jerena akaiky.
Ny fahotana mpahazo olombelona. Paoly Apostoly aza moa nilaza « Tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota ary amin’ireny izaho no lohany. » Fa misy teny maro izay tsara angamba ho jerena satria toa mitovy nefa tsy sahala. Ao ny fahadisoana, ny fahotana ny heloka,
Na teny inona na teny inona ilazana azy dia fantatra fa mpahazo olombelona ny fanaovana izay zavatra voarara. Voalaza ao amin’ny didy hoe : aza mangalatra, aza mandainga, aza mijangajanga…Tsy ny baiboly ihany no milaza ny maharatsy izany fa na dia amin’ny fiainatsika samy olombelona fotsiny izao aza. Eto raha tratra nijangajanga ilay vehivavy netina teo amin’i Jesosy. Aza raisitsika ambolony hoe : nankasitraka ny fijanganjangana Jesosy. Nanameloka ny fijangajanga Jesosy ary izany no nitenenany hoe : Aza manonta intsony.
Ny fandikan-dalàna hoy isika dia miaraka amin’ny fiainan’ny olombelona. Ao amin’ny fiainana an-davanandro dia asiany lanjany samihafa ny fandikan-dalana ka ao ny antsoin’ny teny frantsay hoe infraction, dia ao ny délit ary ao ny crime. Amin’ny malagasy dia hoy izy ao ny fahatsotsana, ny fahalemena, heloka, ny heloka be vava. Mazàna ny havesatry ny fiatraikan’ny ao amin’ny fiainanan’ny tena na ny hafa no hitsarana ireo voalazatsika ireo.
Fa raha miresaka fahotana isika dia tsy maintsy misy resaka Andriamanitra ao. Tamin’ny heriny isika dia nilaza fa ny fahotana dia fahatapahan’ny fifandraisana tamin’Andriamanitra. Ento indray zavatra hafa no hitatsika. Ny fihodinan’ny Zanak’Israely tamin’ny Andriamanitra dia fahotana nataony tamin’Andriamanitra. Ny faha-tapahan’ilay fitiavana nisy tamin’Andriamanitra sy ny olona dia mariky ny fahotan’ny olombelona. Raha nandika ny nandraran’Andriamanitra azy ny olombelona tany Edena dia tapaka ny fihavanany tamin’Andriamanitra. Tsy vitan’izany fa nosimban’ny olombelona ilay endrika soa hitovizany amin’Andriamanitra, ka nofo mianjaka sisa tazany ka nilainy nafenina an’Andriamanitra.
Fa izay mahafaly raha nisy ny aza fahotana, Andriamanitra kosa efa nanoma famelana ho an’ny olona. Raha milaza heloka mantsy isika dia tsy misy olona meloka raha tsy efa notsaraina. Noho ny otatsika dia efa voatsara isika ary efa nianajera ny didi-pitsarana saingy tao ny fitiavan’Andriamanitra, izay no zava-dehibe ambaran’ny baiboly amintsika. Na dia tao aza ny fanamelohana, na dia tao aza ny didi-pitsara mbola nisy ny famindrapon’Andriamanitra. Ary io famindrampo io dia mazàna tonga alohan’ny fahatsiarovatsika tena aza. I Jaona dia tsy nilaza raha nanenina ny zavatra nataony ilay vehivavy tratra nijangajanga ity. Jesosy anefa tsy nanameloka azy.
Tsy mila antoka ny fitiavan’Andriamanitra. Omeny tsy misy takalony ary omeny na dia ho an’izay tsy tia Azy aza. Eny fa dia ireo mandao aza dia mbola tiany ihany. Ary ho an’ireny indrindra no nahatongavany.
Asa fa ho ahy angamba tokony ho eritreretina ihany ny hoe : « Mamela antsika Andriamanitra raha mibebaka isika. » Tsy avy aorinan’ny fibebahana akory ny famelan’ny Tompo antsika fa efa voatsara isika efa voaheloka nefa dia namindrany fo.
Tsy miandry antsika Andriamanitra mba amin’ny famelany fa tahaka ilay Ray noresahatsika tamin’ny heriny ka efa niandry antsika ela izy. Na izany aza dia tsy maintsy olona roa no mifakatia. Tsy maintsy misy dingana koa ataotsika hanatona ny Tompo hahazoany mandray antsika.
Comments by Laza RAFENONIRINA