TENY ho vakiana

Asan’ny Apostoly 9 26-31

I Jaona 3 18-24

Jaona 15 : 1-8

Tamin’ny heriny dia ny fanoharana momba ny Mpiandry tsara no napetraka ho dinihina raha jeretsika ny perikopa. Androany kosa dia ny fanoharana momba ny voaloboka.

Fanoharana haitsika loatra. Jesosy no voaloboka, ny rainy no mpamboatra ary isika no sampana. Tsotra indrindra ho an’ny olona tany palestina satria zavatra fahita an-davan’andro. Tsotra koa ho antsika satria toa mandeha ho azy. Raha tsy miaraka amin’ny fotom-boaloboka ny sampany dia tsy ho velona satria avy amin’ny fotony no hipoiran’ny ranon’aina mahavelona ny sampany. Manampy izany raha tsy misy manamboatra koa ny sampany dia tsy hamokatra na dia mikambana amin’ny foto-boaloboka aza.

Na izany aza dia zava-dehibe tokoa no voalaza. Tsotra nefa dia feno fahendrena tokoa ny zava-boarakitra. Zava-roa lehibe no hita eto.

Ny voalohany dia hita eto fa ny sampana dia tsy maintsy miraikitra amin’ny foton’ny voaloboka mba ho velona ary tsy mietsika eo. « Raha misy tsy miray amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy ka halazo. »

Ny tenany moa no noharin’i Jesosy amin’ny foton’ny voaloboka ary isika, na ny mpianatra kosa no nolazainy fa ny sampana. Koa ny fitambarana amin’ny fototra no antoky ny fahavelomana ho an’ny sampana. Noho izany ity fanoharana ity dia manoritra ny firaisana amin’ny Tompo sy ny ilana izany.Mazàna dia misy fotoana manelingelina antsika ny fahitana fa miraikitra tsy afa-miala amin’ny Tompo isika. Misy fotoana ilantsika ny hametrahana ny Tompo eny an-jorotrano. Toa rehefa sahirana ihany isika no mihazakazaka miantso azy, sy maika ery hiray aminy. Fa rehefa mandeha tsara ny fiainana tsy ilaina izany fa lazaitsika aza fa ilaozan’ny toetr’andro ny fisiany eo akaikitsika.

Ny faharoa kosa dia manoritra fiovana. Nambarany fa tsy mijanona eo tsy mietsika akory ny sampana fa mila kosa fanamboarana, mila fanadiovana, mila fanampahana ny rantsana sasany eo aminy aza. Noho izany tsy mijanona amin’ny toetra voalohany akory ny sampana fa mivoatra mba hamokarany bebe kokoa. Indraindray ilaina ny fanaboaranan’ny Tompo, ny fikapoana ny fandratrana aza mba hamokaratsika bebe kokoa. Mazàna mafy amitsika ireny satria manapaka ny am-pahany amin’ny fiainatsika mihitsy aza, manala izay tsy ilaina rehetra, manaisotra ny fahazarana sns…Nefa raha tsy mandalo amin’izany isika tsy hamokatra akory.

Toa misy ihany fifanoerana izany. Tsy afaka mijanona fotsiny amin’izao tsy misy fivoarana ny mpianatr’i Jesosy. Nefa koa etsy an-daniny tsy miantsy mifikitra amin’ny fototra isika dia Jesosy Kristy. Mila kristiana mahatsapa izany ny andro iainantsika amin’izao taon-jato faha-21 izao. Mila fivoarana na dia fomba hitoriatsika ny filazantsara aza. Tsy afaka mitoetra amin’ny fomba fitoriana ny filazantsara tamin’ny taon-jato faha 19 isika. Mila fivoarana izany. nefa koa ao amin’izany rehetra izany dia Jesosy no zava-dehibe torina.