TENY ho vakiana :

Nomery 6 :22-27

Galatiana 4 : 4-7

Lioka 2 : 13-21

Misy fisehona tsy azotsika ialana raha miresaka Noely isika dia ny fisehon’ny anjely. Ndeha hotanisaitsika vetivety izany : Niseho tamin’i Maria ny anjely, niseho tamin’i Josefa koa ary raha ny teny raisintsika androany dia niseho koa tamin’ny mpiandry ondry ny Anjely. Tsy tamin’izany ihany fa betsaka eo amin’ny tantara no hahitana ny fisehon’ny anjely na tany amin’ny testamenta taloha na ao amin’ny testamenta vaovao efa fa na dia amin’ny tantara aty aoriana aza.

Dia mametraka fanotaniana isika hoe : « Misy ve ny anjely ». Izay mahatonga antsika hametraka izany dia ny fikirizantsika hitady ny anjely amin’ny fombatsika sy ny vavahadi-tsaitsika. Heveritsika fa raha tsy hita ny maso, re ny sofina, tsapan’ny tanana dia zavatra tsy misy izany. Fa inona moa ny anjely. Ny teny hoe anjely dia avy amin’ny teny grika ary ny dikany dia mpitondra hafatra. Arakaraky ny fitadiavatsika hahita vatana azy, na ny handreha ny fikopaky ny elany no tsy hahatsapatsika ny famanginy antsika. Ny mpitondra hafatr’Andriamanitra mahita izany isan’andro isika. Misy mpitondra hafatra maro manodidina antsika. Moa ve tsy hisokatra ny lanitra na dia indray mipy maso fotsiny aza. Tsy mahita izany anefa isika raha maso nofotsika no hanantenantsika ny hahita izany. Raha manana finoana isika dia hahita lavitra aza.

Nisehon’ny Anjely ny mpiandry ondry. Nitondrana hafatra. Nametrahana teny. Dia nihetsika « Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany zavatra vao tonga izany. Raha ny teny grika no jerena dia azo hadika koa hoe : »Andeha isika ho any Betlehema hizaha izany teny izany » Ilay zavatra niseho manjary teny. Afaka miteny amitsika ny zavatra rehetra raha mahay mihaino azy isika. Ilay tranga manjary hafatra ho an’izay mahay mandray izany.Ary ny teny dia manery antsika hihetsika. Io Teny io izay nolazain’i Jaona hoe tonga nofo dia Jesosy. Raha nankany Betlehema ny mpiandry ondry dia voalaza fa nahita an’i Maria sy Josefa ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. Na i Maria na i Josefa indrindra moa i Jesosy zazakely dia tsy voalaza fa niteny. Fa kosa ny fahitan’ny mpiandry ondry azy fotsiny dia niteny taminy satria nahay nihaino izy na dia tsy nisy teny aza. Misy zavatra maro manodidina antsika hampiasain’Andriamanitra hitondra ny teniny amitsika. Miteny amitsika ao anatin’ny fahoriana ny Tompo. Nanambara hafatra amin’ny alalan’ny fifaliana Izy. Mampiasa olona Izy, olona izay tsy ampoizitsika akory hitondra hafatra amitsika. Mety tsy hisy teny akory nefa raha haitsika ny mihaino izany dia handreha ny sitrapon’Andriamanitra isika.

Fa manery antsika koa hampita ny hafatra voaray ny teny noraisitsika. Tahaka ny mpiandry ondry, izay nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin’ilay Zaza, na dia tsy voalaza aza fa nisy baiko momba izany. Lasa mpitondra ny hafatr’Andriamanitra ny mpiandry ondry, lasa anjely. Tianao ve ny ho tonga anjely ry havana aza kobonina ho anao fotsiny indrindra amin’izao Noely izao ny hafatra fa ambarao amin’ny rehetra izany.Ambarao amin’ny fianakavianao , amin’ny mpiara-miasa aminao, amin’ny mpiara-mianatra aminao, amin’ny mpifanolo-bodorindrina aminao.