TENY ho vakiana

I SAMOELA 28

I KORITIANA 15 : 45-49

LIOKA 6 : 27-38

Raha ny Filazantsara arakan’ I Matio no jeretsika dia mbola fitohizan’ny toritenin’i Jesosy tao an-tendrombohitra ihany ity teny voatokana ho toriana anio ity.

Izay mampiavaka ny Filazantsara dia ny hafatra, mba tsy ilazana hoe : ny didy, napetraky ny Tompo ho an’ny mpanaraka azy. Izay mampiavaka ny kristiana dia tsy ny fitiavana fotsiny, satria voajanahary eo amin’ny olona izany fa ny fitiavana ny fahavalo koa. Fitiavana feno izay tsy manavaka na iza naiza.

Angamba tsy araka ny fiheverantsika azy ny fahavalo tian’i Jesosy lazaina eto. Fitenitsika matetika mantsy ny hoe : Izaho dia tsy mihevitra azy ho fahavalo fa raha izay nataony tamiko izay kosa dia tsy ho hadinoko mandrakizay. Tsy hitovy amin’ny taloha intsony ny fifandraisako aminy. Raha izany dia zavatra roa mihitsy no tokony ho fantatra dia ny fitiavana sy ny fahavalo. Ny fitiavana satria rehefa tia dia tena tia. Ny Ntaolo malagasy dia niteny hoe atao fitia fozakely ka lany hatramin’ny akorany. Ary ny Soratra Masina dia miteny hoe : Ny fitiavana manarona fahotana maro. Ary ny fahavalo tsy ireo mitondra fiadiana hanafika antsika ihany fa ireo manakina antsika, ireo mpanorisory, ireo tsy mitovy hevitra amitsika. Mazàna zavatra kely toa ny tsy fitovim-pijery ara-politika fotsiny dia miteraka ao amitsika fankahalana. Koa alohan’ny hanohizana ny famakiana ny teny dia handeha asiantsika endrika ireo olona lazain’ny Tompo hoe : fahavalo. Ary ho jeretsika ny hitiavana azy ireo.

Raha izay ny zavatra ao anatitsika izay ny lehibe amin’ny fitiavana . Ny Tompo dia namaritra izany fitrangan’ny fitiavana ny fahavalo izany aty ivelany. Ny fitiavana ny fahavalo dia mitaky be dia be fandeferana avy amitsika. Fandeferana izay heveritsika ho fahalemena na fahadalana mihitsy aza. Inona hoy isika no ilana ny hanolorana ny takolaka ankilany rehefa nahazo tehimaina ny iray. Iza no hilaza fa tsy hitohy izany famelahana izany. Koa raha izany dia toa vao maika mamporisika ny ratsy fanahy hanao ny fanaony. Nefa andeha ho jeretsika raha mamaly isika dia izay no tena mitarika ny tehimaina manaraka ary tsy hijanona mihitsy izany. Fa raha nometsika kosa ny takolaka ilany dia hieritreritra ilay namelaka ka tsy ho sahy intsony izy. Ny Tompo efa nanome ohatra. Fa tsy fanomezaka fotsiny ny takolaka no nataony fa ny ainy mihitsy no natolony.

Nametraka lalana lasitra ny Tompo avy eo, ka hoy Izy : « Izay tianareo ataon’ny olona aminareo dia mba hataovy amiko kosa. » Ny filosofy sasany na ny fivavahana sasany dia manao hoe : « Izay tsy tianareo hataon’ny olona aminareo dia aza hatao aminy » Raha jeretsika na dia mitovitovy aza ny voalaza, ny an’i Jesosy dia ny fanaovana soa no nahamaika Azy. Notsindrian’i Jesosy fa raha izay tia antsika ihany no tiantsika, tsy makaiza isika.

Miala amin’ny faritra misy antsika ny fitiavana. Miala amin’ny fianakaviana, ny mpiara-miasa, mpiray firenena.Fa tokony hiantefa amin’ny olona tsy fantatra ary ny fahavalo aza. Ny tanjona dia ny hihezahatsika hitovy amin’Andriamanitra izay tia ny mpanao ratsy. Nambaran’ny Tompo ny toetran’Andriamanitra : mahari-po sady be famindram-po, tena tia , ary tsy mitsara na manameloka. Tsy milaza akory izany hoe : manaiky ny faharatsiana Andriamanitra . Tsy misy mihitsy hifandraisan’Andriamanitra amin’ny tsy rariny, ny hakanosana, ny fampijaliana sy ny sisa. Fa ireo izay manao izany dia manimba tena amin’ny fandavana ny famelan-keloka atolony. Izay nagatahan’i Jesosy amin’ny mpanaraka azy dia haka tahaka amin’Andriamanitra. Andriamanitra dia mpamindrafo ary izaho mba ahoana