Ny Toby dia ireo toerana izay efa nolazaintsika fa ilasian’ny maro avy amin’ny faritra samihafa mba hiara-mivavaka.

Tany am-boalohany ireo tompon-tany moa dia efa teo nandritra ny fotoana maro. Nisy tamin’izy ireo izay io no tanindrazany satria tao no fiavian’ny fianakaviany.

Ireo tobim-pifohazana dia samy nanana olona nivahiny ary noraisin’ny tompon-tany satria naharitraritra ny hijanonany ao. Misy ny iray volana, na volana maro na an-taona aza. Ny toerana tena nandray olona betsaka ary nahagaga ny olona taloha dia ny tany Ankaramalaza. Asa na noho ny filazana fa efa nisy fotoana fa maty i Nenilava ka velona indray izy dia maika ny olona noho izany antony izany.

Matetika anefa i Nenilava dia mampahatsiaro fa tsy izy no manasitrana na manangana amin’ny maty. Ary tsy mahavita fahagagana izy. Fa ny anjarany dia ny mivavaka ho an’ny tsirairay.

Izay no mahatonga azy hivavaka lavabe isan’andro ho an’ireo marary izay taizany. Toy ny reny mitaiza aho hoy izy ka mivavaka ho an’ireo zanako ireo. Voalazany koa aza fa misy ireo izay mandalo ao amin’ny Toby dia tsy maharitra fa lava loatra ilay vavaka. Hevero fa raha misy olona 50 no tononina amin’ny anarany miampy izay zavatra manjo azy. Hitanao amin’izany ny asa lehibe miandry azy. Raha tsy vita amin’ny maraina io, ary mahalana izany raha misy dia tsy maintsy atao alohan’ny hatorina. Ho ahy izay efa nanatrika izany dia nahavariana ahy.Nefa koa nampianatra ahy hihaino izay lazaina.

Ny olona taizana ao amin’ny Toby dia ny olona marary. Maro ireo izay tsy zakan’ny havany ka tsy misy mpikarakara. Ao koa ireo nanoka-tena hanampy amin’izany fikarakarana ny marary izany. Ny tena nanamarika ahy dia ireo izay narary saina. Tena sarotra ny fikarakarana. Hitanao fa na ny any amin’ny hopitaly psychiatrique aza tena sahirana nefa afaka mampiasa fanafody mampitony na mampatory. Fa tany amin’ny Toby tsy misy izany.

Taty aoriana moa dia nisy ny Toby teny Ambohibao ary nisy dokotera nianatra tamin’ny Oniversité tao Antananarivo nanampy tao. Ary tena nilaina izany.

Ny fahadisoan-kevitra dia ny fiheverana fa tsy maintsy sitrana na inona na inona aretina mahazo. Anefa misy na dia tena mivavaka aza tsy mahazo izany fahasitranana ara-nofo tadiavina izany. Hany ka misy ny diso fanantenana.

Ny fahadisoan-kevitra koa dia ny fiheverana fa ireo Toby ireo ihany no tany masina. Raha izay dia very izao tontolo izao. Satria tsy omby handray ny marary rehetra eran-tany ny Toby.

Taloha elabe, araka ny filazan’ny mponina tao Farihimena indray dia nisy olona tsy nety nitsabo tena tamin’ny dokotera ary nandro tamin’ny loharano mangatsiaka ary nitombo ny aretina ka niafara tamin’ny fahafatesana. Araka ny fitantaran’ny olona tao dia notenenin’i pastora Daniela Rakotozandry mafy ny olona satria ilaina ny dokotera ary mitandrina rehefa mitsabo marary.Taty aoriana dia samy nitandrina sy nanadiady vao manao an’itsy sy iroa. Indraindray dia misy mbola mihevitra fa raha tsy any amin’ireny Toby ireny dia tsy ho sitrana. Anefa Andriamanitra manome fahaizana sy fanomezam-pahasoavana ho an’izay hanatanteraka izany . Toy ireo mpitsabo marobe nianatra momba izany. Na dia tsy fifohazana aza izy dia Andriamanitra no mitahy ny asany ary nantsoina ho amin’izany asa izany izy ireny.

Misy olona tsy ho sitrana mihitsy na hivavahana na homena fanafody aza.Saingy kosa raha mametraka ny fiainany amin’Andriamanitra izy dia hahita fifaliana ao am-po. Satria ny fahasitranana ara-panahy kosa dia horaisiny ary hiteraka fiadanam-po ho azy.

Ankehitriny ny Toby dia azo lazaina amin’ny teny Frantsay hoe « Centre d’Accueil ».

Ny any Ankaramalaza dia azo hampitahina amin’ny Fondation John Bost aty Frantsa. John Bost izay mpitandrina sy Eugénie vadiny dia nanokana ny tenany sy ny zanany hiaraka hikarakara maimaim-poana  ny sembana marobe tao an-tokantranony aloha.  Misy ny toeram-piangonana ao. Isaky ny volana Jona no mankalaza ny fihaonam-be. Ny Fiangonana protestanta eto Frantsa no manohy ny asa sy miantoka izany. Misy eo amin’ny 2000 mahery eo ny olona karakaraina. Nisy efa ho 60 taona no taonany satria vao teraka izy dia noraisina tao amin’izany toerana izany. Taorian’ny nahafatesan’i John Bost sy Eugénie vadiny dia nisy mpitandrina nanohy ny asa. Amin’izao fotoana izao dia nomena ny anarana hoe : « aumônier » no manatanteraka izany satria ny rafitra dia efa manaraka ny lalàna eto amin’ny fanjakana. Nisy malagasy efa niasa tao amin’izany toerana izany. Ary nanokatra toeram-pitaizana sembana « La Source » izy mivady taty aorina rehefa nody taty Madagasikara. Ary mitohy izany asa izany hatramin’izao. Vao nitondra ny olona taizana ao izy ireo tany Morondava haka rivotra tamin’ity volana Jolay ity.Nefa tsy atao hoe Toby ny toerana misy azy. Tsy manakana azy ireo tsy hivavaka izany.

Natao hilasiana ny Toby: hitokanana. Tsy manao afa tsy ny vavaka rehefa any amin’ny Toby. Io no atao hoe « pélérinage » amin’ny teny frantsay. Ny « pèlerin » dia ny olona mandeha amin’ny toerana iray mba hitokana. Ny toerana hivavahana koa dia mahafinaritra satria tsy misy tabataba na zavatra manelingelina. Amin’ny lafiny iray dia azo lazaina fa asa sosialy ataon’ny Fiangonana ny fisin’ny olona taizana ao amin’ny Toby. Tsy mifaninana amin’ny asa sosialim-panjakana akory izany.

Noho izany any amin’ny toerana rehetra hahafahana manao izany dia afaka hihaonana amin’Andriamanitra. Na dia ao an-tokan-tranonao aza. Satria ny olona tsy afaka mivavaka any amin’ny Toby ve dia tsy mivavaka.Tsia ! Izany no hisin’ny Fiangonana eran-tany. Ary afaka mivavaka na an-kalamanjana aza.

Misy olona izay eo amin’ny fiainany hoy Nenilava  no natao hahita izao toerana izao fa  misy eo aminy ihany dia efa ampy ho azy ny hahitany ny fahavelomana omen’Andriamanitra azy. Tsy ny olona rehetra no mankany amin’ny hopitaly, tsy ny marary rehetra no atao « évacuation sanitaire »  aty an-dafy  fa araka izay tandrifiny.

Tsy misy izay maharatsy ny Toby ary misy maromaro eran’ny Nosy. Na dia ao aza ny fivavahana izay ankahasitrahana dia ilaina koa ny fiofanana ho an’izay mikarakara ny marary na dokotera na mpitsabo na mpiandry na mpitandrina.