Voninahitra no atolotra an’Andriamanitra ny amin’ny nahatratrana izao fotoana 14 aogositra 2017. Andro fahatsiarovana ny nandefonana an-dRASALAMA nahatonga azy ho maritiora kristiana malagasy.

Tsy hamerina ny tantarany eto aho fa misy ny boky efa voasoratra momba izany. Ary raha tsy fantatrao dia manadiadia ny manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana na katolika na protestanta na koa ny mpanoratra tantara na ny mpampianatra fa afaka hamaly anao izy.Tsara ny mikaroka ary indrindra ny ahafahana miresaka ilay tantara amin’ny olona mivantana.

Ny tiako ho marihina dia izao

 180 taona lasa izay no nandefonana an’i RASALAMA. Fotoana isaorana an’Andriamanitra koa noho ny nahazony nijoro ho vavolombelon’i Kristy na dia nihatra tamin’ny fahafatesana aza izany. Fivavahana nentin’ny misionera no narahany. Tsy nihemotra  teo anatrehan’ny fanenjehana RASALAMA satria nazava taminy izay inoany. Jesosy Kristy no heveriny ho Tompony. Teraka tao am-pon’i RASALAMA ny fanekena fa tsy hivadika amin’ Andriamanitra na dia sarotra aza ny làlana hizorany.

Izany no nahatezitra ny dadatoany fa tsy hanjaitra ny alahady RASALAMA. Io fanekena hanara-dia an’Andriamanitra io no zava-dehibe aminy. Ary nataony voalohany teo amin’ny fiainany.Tovovavy nahatohitra ny zavatra nampanaovina azy. Heveriko fa toa fandrika mba hivadihany amin’ilay Andriamanitra. Nahafikitra tanteraka tamin’ny fanekeny na dia tao aza ny fandrahonana. Niandry azy ny fahafatesana satria tsy nanana antra ny mpitondra tamin’izany.

Apetrao kely RASALAMA fa andeha hitodika amin’ny izay zava-misy amin’izao fotoana izao.

Misy fanekena maro eo amin’ny fiainana : eo amin’ny fianakaviana, eo amin’ny asa, na eo amin’ny  fivavahana, na ny fiainana andavan’andro fotsiny izao aza.Tsy voatanisa. Fa voafitin’ny didy 10 (folo) izany.

Azonao jerena ao amin’ny Eksodosy 19 ny antony nanomezan’Andriamanitra ireo didy ireo. Izay toa fanekena tamin’Andriamanitra sy ny Zanak’Israely tamin’izany fotoana izany. Ary nolovan’ny fivavahana kristiana koa. Tsy hadino fa avy amin’ny Abrahama sy ny fireneny no hitahina ny firenena rehetra. Izay no ara-tSoratra Masina fa mety misy hevitra hafa amin’ny mpandinika na filozofa hafa izay mety tsy hanaiky izany.

Rehefa tonga eo amin’ny Eksodosy faha-20 dia hita ny zavatra mahavariana amin’izao fotoana hiainantsika izao.Voatana ve ny fanekena ?

And 1, 2 : milaza fa Andriamanitra irery ihany no Andriamanitra. Fa niova izany fa lasa ny harena sy ny vola no naka ny toerany. Io no lolohavin’ny sasany ka na hahafaty olona aza tsy mampaninona azy. Nivadika tamin’ny fanekena . Indrisy !

And 4,5 : tsy ny sarin-javatra voasikotra intsony no hivavahana fa miverina eto ny vola , ary ny voninahitra indrindra .Io dia maro ny miady fo amin’io ary mila tsy hahita tory aza noho ny fitadiavana azy. Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

And 7 : ny fanononana foana ny anaran’ny Tompo. Tsy niova akory ny anaran’Andriamanitra fa hampiasaina amin’ny fanaovana finihanana mba hanamarinan-tena. Indrisy !

And 8 : Ny fanajana ny andro Sabata (fialan-tsasatra izay tsy voatery ho ny alahady). Io aloha dia efa voasolo amin’ny fiasana andro aman’alina.Tsy misy fitsaharana na ho an’ny tena, na ny nofo, na ny saina, na ny fanahy.Tsy misy fotoana hatokana hitodihana amin’Andriamanitra. Tsy ny asa no ratsy fa ny fanadinoina an’Andriamanitra.Nivadika tamin’ny fanekena . Indrisy !

And 12 : Ny fanajana ny ray sy reny dia mihalesoka koa. Misy aza ny mampijaly ny ray amandreniny, ny maniratsira azy, ny manompa azy aza, ny mamono aza.Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

And 13 : Ny famonona olona dia efa mampikolay ny besinimaro. Tahotra isan’andro no iainana.Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

And 14 : Ny fijangajangana dia tsy mahataitra intsony fa lasa fomba mahazatra aza .Ary miteraka ady mahatsiravina tsy hampoizina. Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

And 15 : Ny fangalarana dia tahaka ny asa tsy maintsy ataon’ny mpangalatra isan’andro. Lasa fahazarana mapihori-koditra aza. Nipoitra ny kolikoly any amin’ny fiasana sy fifandraisan’ny maro.Tsy misy mahamenatra intsony.  Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

And 16 : Ny fijorona ho vavolombelona mandainga. Tsy mampaninona intsony ny mandainga. Indrindra raha misy ny vola hampiasaina amin’izany. Nipoitra ny tapi-maso, ny tsolotra mba hampanginana ny marina. Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

And 17 : Aza mitsiriritra. Ny zavatra rehetra no voalaza eto : na olona na fananana. Fa saingy ny efa manana dia manararaotra ny fahamemen’ny mahantra ka mambotry azy. Ny fialonana sy ny fanaovana ny haren’ny tany ho solon’Andriamanitra no mahatonga izany. Nivadika tamin’ny fanekena. Indrisy !

Hoy ianao angamba hoe : be moraly ny zavatra lazaina eto.Nefa izany no zava-misy.

Ny an’i RASALAMA dia fantany fa raha tsy mivadika izy ( migonsy no ilazana izany tamin’izany fotoana izany) dia fahafatesana no hianjady aminy nefa nihazona ny marina izy satria efa azony ny famonjena.

Ny fanajan’i RASALAMA ny fanekeny nataony tamin’Andriamanitra sy nanekeny Azy hanjaka ao amin’ny fiainany dia lesona ho antsika tsirairay.

Hadinoy kely aloha ny hafa fa mijere ny tena aloha. Ahoana no mba hanatanterahiko ny fanekena nataoko tamin’Andriamanitra. Misy olona izay miteny amiko matetika hoe : ny maso mijery tsy mitondra mody. Dia hoy aho mantsy azy : Tsy mibata ilay olona na ny hareny fa  dia misaintsaina izany andro aman’alina ka miteraka sain-dratsy.

Ny fotoana hankalazana anAndriamanitra tsy ho fomba fanao fotsiny fa hampanontany tena anao mpamaky sy izaho mpanoratra : Ahoana ny amiko ?