Ny volana Jolay ka hatramin’ny novambra eo no fotoana hamangian’ny kristiana maro ny Toby misy eto Madagasikara. Voaomana mialoha ny fandaharana momba izany satria maharitra andro vitsivitsy. Ny any Farihimena ohatra dia ny 20 ka hatramin’ny 26 aogositra. Ny ankamaroan’ny mpivory mankany dia mandry ao an-toerana. Ny tao Ankaramalaza moa dia vao tamin’ny fiandohan’ny volana jolay teo no nisin’ny fivoriana. Ireo toerana hafa toy Manolotrony, Vatotsara, Soatanana, Anosivavaka dia samy manana ny datiny koa.
Hanao inona amin’ireny toerana moa ny krsitiana ?
Manerana ny Nosy no nihavin’izy ireo ka hiara-mivavaka, sy hifampahery amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. An-koatry ny fanompoam-pivavahana dia hita ao koa ny fijorona ho vavolombelona,sy ny fizarana samihafa.
Ireo mpitarika (na leader charismatique) dia efa nody mandry avokoa.Tsy misy olona afaka milaza fa izy no voatendry hisolo an’i Nenilava satria samy manana ny fanomezam-pahasoavany avy ny tsirairay. Ny zavatra nitranga teo aminy tsy hitranga amin’izay mihevitra fa misolo azy. Fa ny fiandraiketana ny fampandrosoana ny asa no tsy maintsy misy mitarika.
Moa ve any an-kafa tsy afaka manao izany ?
Tena afaka tokoa. Ny fanompoam-pivavahana rehetra dia fankalazana sy fisaorana an’Andriamanitra n’aiza n’aiza hanaovana izany. Ary samy mandray hery ny mpihaino mandritra izany fotoana izany na dia tsy misy aza ny fotoana fampaherezana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana.
Rehefa manokatra ny fonao ho an’Andriamanitra dia misy hery izay raisinao avy Aminy. Misy koa ny maharay izany nefa tsy dia mazava aminy ka mahatonga azy hametra-panontaniana ny amin’ny finoany. Tsy maninona ny fisin’ny fisalasalana satria anisan’ny fiainan’ny olombelona izany. Tsy misy izay maharatsy azy akory. Fomba samihafa mantsy no entin’Andriamanitra hanehon’ny heriny.Ary tsy hampoizina akory izany.
Inona no mahasamihafa ireny fotoana ireny sy ny any amin’ny Toby ?
Saika ny kristiana ao amin’ny sampan’ny Fifohazana no mankany amin’ireny Toby ireny. Misy Toby hafa koa izay niorina na aty Frantsa aza. Tsy manakana ny kristiana rehetra ho any izany. Ary tsy hisy tokony ho kihanina.
Betsaka ve ny olona mankany amin’ny Toby ?
Talohan’ny 1980 dia vitsy ny olona namonjy ireny toerana ireny izay antsoina hoe :Toby. Ankehitriny moa dia misy manao hoe : Toby lehibe. Nefa heveriko fa tsara ny mijanona eo amin’ny hoe : Toby. Rehefa Toby dia Toby satria samy natao hiasana sy hihainona ny Tenin’Andriamanitra. Tsy mety koa ny hoe : asa madinika ny an’ny sasany, nefa asa niantson’Andriamanitra. Na hoe : mafana ny fitoriana ny Filazantsara atsy na aroa nefa samy Tenin’Andriamanitra iray ihany no henoina. Na koa hoe : atsy be mpanaraka, aroa vitsy ka mampisalasala ny olona. Heveriko koa fa miteraka fanavakahana sy fifanolanana ny filazana ny Toby lehibe, na fitoriana ny Filazantsara mafana. Satria tahaka ny hoe : mifidifidy izao Andriamanitra izao. Fa isika kristiana ihany no mahatonga izany olana eo amintsika raha misy izany. Mety ho tsara angamba ny eritreritra fa lasa misy fifaninanana vokatr’izany.Moa ve izany ankahasitrahan’Andriamanitra ?
Iza no olona ao amin’ny Toby ?
Samy mahalala isika fa ny niorenan’ny Toby dia ny nanatobina ny olona tsy nisy mpikarakara ary narian’ny havany. Ka ny toerana toy Ankaramalaza ohatra dia nanokatra izany toerana handraisana ny olona toa izany. Raha tsy diso ny fitadidiko dia tamin’ny herintaona lasa no nankalazaina ny faha-75 taona ny Toby Ankaramalaza. Nisy fandaharana niseho tamin’ny TVM : Televisiona malagasy tamin’izany nitantara ny amin’io Toby io. Maro dia maro ny olona hita tamin’ny fahita lavitra.
Tany Farihimena dia natao ny fotoana hivoriana fotsiny. Ary tsy ny volana Aogositra ihany fa ny herinandron’ny Paska, na ny Pentekostra dia misy rodobe mankany.
Any amin’ireny Toby ireny dia misy ny tompon-tany izay mandray ny vahiny marobe tokoa. Misy ny tsy salama maro. Ary amin’ireny fotoana ireny matetika no hanokanana ny mpiandry.
Mahafinaritra daholo ny asa sy ny fanambarana ny Tenin’Andriamanitra. Fa saingy tsy hadino koa eo amin’ny tantara ary tsy azo hafenina fa nisy ireo izay nisaraka ary mampalahelo. Heveriko fa ilay fitadiavana fahefana no nahamaika ny olona. Hadinony fa tsy tompon’ny asa izy fa an’ny Fanahy Masina izany.
Nanomboka oviana no niroborobo ny Fifohazana ?
Tany amin’ny 1972*(raha tsy diso ny fitadidy) no hita ny tena fitomboany.Asa na noho ny nahazoana fotoana tao amin’ny Radio indray mandeha isan-kerinandro. Ary nanaitra ny olona izany. Ny hira « He ny andon’ny maraina » no fampahafantarana (générique) io fotoana io. Ny fandinihina io ampahana fotoana io dia mitondra fanazavana ara-tsosiolojia, sy teolojia ary ekkleziolojia raha misy afaka manao izany.
Ary taty Frantsa dia nitombo tsikelikely izany teo amin’ny 1990 teto Paris. Na dia somary mbola nalemilely aza. Ankehitriny dia mitombo izany saika amin’ny fiangonana rehetra.
Inona no antony ity fampahatsihahivana ity ?
Natao hitarihana ny saintsika handalina ny Tantaram-piangonana eto amin’ny firenena. Saika tsy dia mahamaika ny maro ny Tantaram-piangonana.Zava-dehibe ny miangona sy mivavaka fa ilaina koa ny fahafantarana ny tantara. Hahitanao koa ny toerana nihavin’izany teny ao amin’ny Soratra Masina izany. Indrindra moa rehefa mamaky ny Baiboly satria tsy teny malagasy no niandohany na dia teny malagasy aza no hamakintsika azy. Satria koa manana andraikitra eo amin’ny fandrosoana ara-tsaina sy ara-panahy ny Fiangonana. Maro no manome tsiny ny Fiangonana noho ny tsy fahalalana. Nefa ilaina koa ny fanakianana fa mampandroso izany raha toa ka tsy atao hanakorontanana. Indraindray koa anefa ny filazana ny zavatra niseho dia tsy tanty satria manana izay mahalesoka azy ny Fiangonana. Ka ny tantara dia azo entina hanitsina izay tsy mety any aoriana. Izany tsy milaza hoe : tsy miasa ny Fanahy Masina.
Ny tsy fahalalana ny tantaram-piangonana indrindra ary ny tsy fandalinana ny Soratra Masina fa mionona fotsiny amin’ny famakiana izany dia miteraka fivakisan’ny Fiangonana.Satria maka toerana ny fahefan’ny mpitarika.
Fa inona no tiana ambara ?
Na eto Madagasikara na any Frantsa dia marobe ny karazampiangonana.
Eto Madagasikara fotsiny dia efa misy eo amin’ny protestanta ny hoe Fiangonana zokiny, Fiangonana zandriny. Amiko manokana dia tsy mitoetra izany. Ny Fiangonana zandriny dia ireo izay manana firehena « évangélique » ? Nefa samy ny « Filazantsara » iray ihany no torina na dia eo aza ny tsy hitovizana eo amin’ny lafin’ny batisa ohatra. Somary manakaiky kokoa ny Sampana Fifohazana ny « évangélique ».Fa ny Fifohazana dia manaiky ny batisan’ny zaza madinika.
Tsy eto amintsika ihany no misy Fiangonana isakarazany fa eran-tany dia maniry ohatrin’ny anana amin’ny tany mandray ny fivavahana kristiana. Ny any Amerique Latine dia saika ny « évangélique » no betska any.
Tsy voajery eto daholo ny Fiangonana rehetra eran-tany.Fa angamba any aoriana mety ho azo atao izany. Ny tokony ho tandremana dia ny tsy hiteraka fisarahana, na olana ao amin’ny Fiangonana. Satria mety hanasaraka koa ny fianakaviana.
Raha mijery ny tamin’ny andron’i Ranavalona II isika dia mpanjaka niova ho kristiana izy. Ary nahajoro tsara tamin’izany. Izany hoe niova fo tanteraka izy satria namela ny sampy rehetra ary nasainy nodorana aza izany. Nisy koa kristiana marobe tamin’ny androny. Niely eran’ny Nosy koa ny fiezahana hitory ny Filazantsara ary maro no nandray izany. Efa maro no nifoha tao Madagasikara taloha ela raha izany no jerena.Taty aoriana ry Nenilava sy Mamabe Ravelonjanahary, dia tao amin’ny fanompoam-tsampy koa no niala ary niova ho kristiana . Izaho sy ny mpiray tam-po tamiko moa dia anisan’ny nahatratra azy mianaka ireo.Na dia tsy nifankahita intsony aza izahay taty aoriana dia ny fotoana niharahana tamin’izy ireo dia ampy ho lesona lehibe sy fitiavana noraisina avy amin’Andriamanitra ny amin’izay inoana.Tsy hadinoko ny hafatr’izy mianaka rehefa miresadresaka amin’ny olona eo am-pisakafoanana, na ny filazany koa tao amin’ny toriteniny fa ny fifohazana dia eo ambanin’ny fahefan’ny Fiangoanana fa tsy mifanohitra amin’izany. Izay mbola velona ka nahare izany dia tsy afaka handa izany teny voalaza izany. Raha tsy hoe : te hanodina ny sain’ny kristiana ka mihevitra fa izy olombelona no tompon’ny Fiangonana.
Fotoana maro teo amin’ny fahazazana sy naha adoletsento nifaneraserana tamin’izy ireo izay dia fotoam-pianarana maro ary tsy azo vidim-bola. Vao dimy taona lasa izay nahita olona iray teto Paris izay niaraka taminay tany Farihimena aho. Dia samy nahatsiaro ny fotoana niainanay maro tany Farihimena.Samy nahatsiaro ny hafatrafatra sy indrindra ny teny nomena. Izay sarobidy tokoa.
Teny famaranana.
Rehefa niditra tao am-ponao Kristy dia nomeny anao ny Famonjena. Tsy ampoizinao akory aza ny hahatongavan’izany. Fahasoavana lehibe ny an’ny Malagasy indrindra raha mbola kely izy dia notezain’ ny ray amandreniny tamin’izany. Adi-hevitra lehibe ho an’ny sasany ny hoe : tsy maintsy fifohazana ve vao tena nandray an’i Kristy. Ary tsy maintsy voatery ho fifohazana ve ? Io adi-hevitra io dia noho ny zavatra nitranga tamin’ny fiovam-po araka ny olona avy. Ary indraindray mety hitsaratsarana foana ny hafa. Na dia misy aza ao amin’ny Soratra Masina ny hoe « mifohaza ianao izay matory » dia tsy raisina ara-bakiteny fa ny toko iray manontolo no jerena sy ny fiainan’ny mpiara-monina sy ny tantara tamin’izany fotoana izany.
Ao amin’ny epistily ho an’ny Korintiana rehefa niditra tao amin’ny Fiangonana ny olona ka nahatsiaro fa nahalala na nandray an’i Jesosy Kristy ny raim-pianakaviana dia natao batisa daholo ny tokatrano iray manontolo niaraka tamin’ireo mpanompo.Tsy nanontaniana ny hevitry ny tsirairay. Izany hoe : noho ny finoan’ny iray monja dia nandray fahasoavana ny rehetra. Ary tsy nisy nanaisotra na nanala izay nanaraka ny finoan’ilay raim-pianakaviana.
Koa atao zava-dehibe ny fiheverana fa misy kristiana ao amin’ny Fiangonana ny iray izay ambony, ary ny iray ambany satria tsy mitovy ny nandraisana an’i Kristy. Nefa inona marina moa no dikan’io ? Satria io koa no miteraka fisarahana. Lasa misy ny hoe : ity kristiana ity ambony, ary iry kosa ambany.
Ny olombelona no te-hanapaka sy haka ny safidin’Andriamanitra ka mampiasa izany amin’izay itiavany azy. Nefa Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona. Samy zanany daholo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy na dia izay heverina ho tena mpanota be indrindra aza.
Comments by Julia DARSOT