TENY HOVAKIANA

AMOSA 6 : 1-7

I TIMOTY 6 : 6-19

LIOKA 16 : 19-31

Ny fanoharana nataon’i Jesosy eto dia hahitatsika zavatra roa izay mifameno. Ny voalohany dia miresaka ny fahantrana ary ny faharoa dia ny fiovana ilaina ho an’ny rehetra. Ary raha mijery izay voalaza ao amin’ny bokin’i Amosa isika dia mampitandrina ny amin’ny harena izay voalaza ao.

Ny fanotaniana voalohany dia ny hoe : ataotsika ahoana ny tsy fitoviana hitatsika eo amin’ny fianana. Raha ny fanoharana no jeretsika dia tantaran’ny mpanakarena iray izay niakanjo tsara sady nanara-po tamin’ny zavatra rehetra etsy andaniny kosa dia nisy malahelo iray izay nipetra teo am-bahavadiny mba naniry hahazo ny potiny latsaka avy eo amin’ny latabatra. Ilay mpanakarena dia tsy nomen’ny Tompo anarana, izany hoe azo solotsika anarana hafa ka mety ho isika aza io mpanakarena io. Tsy voalaza fa tsy mino an’Andriamanitra akory io mpanakarena io. Ilay mahantra kosa manana anarana izany hoe : fatatr’Andriamanitra izy. Ny anarana hoe Lazarosy nomen’i Jesosy an’iay malahelo dia midika hoe « Andriamanitra mamonjy. » Nampitomboina be ny mahasamihafa azy ireo mba hampivoatra ny tiana ho lazaina.

Mipetraka ao amin’ny lapa iray izay tsy hahita afatsy famirapiratana ilay mpanakarena. Ao ivelany kosa dia fahantrana tsy hay lazaina ary tsy fantatry ny mpanakarena na ny marimarina kokoa hodiny tsy fanatatra no hita. Iny Faritr’i Afrika andrefana iny dia misy ireo toerana nanatobiana ireo mainty hahondrana any Amerika. Mazàna any anaty lavaka no hasina azy ireo. Mahantra, sady nampijaliana tsy nisy ohatr’izany izy ireo alohan’ny hanondranana azy. Eo ambonin’io lavaka io dia misy trano ary ireo fotsy hoditra izay mpanondraka mainty makany amerika, izay kristiana no betsaka amin’izy ireo no mipetraka ao. Isan’alahady dia henoy izy ireo manao fanompom-pivavahana ao amin’izany trano izany.

Miampita aty amin’ny taon-jato faha 21 indray isika. Angamba tsy mivandravandra tahaka izay voalaza akory no hita nefa jereo ihany. Firy ireo sakafo ariana fotsiny aty amin’ny tany mandroso nefa tsy tambo ho isaina ny tsy mihina-kanina any Sahel, Darfour any atsimon’i Madagasikara aza. Firy no matin’ny SIDA eran’izao tontolo izao nefa misy ny fanafody mananaivana izany izay fihin’ny laboratoire ny tany mandroso. Hita izany fa toa misy hantsana manasaraka ny manana sy ny mahantra. Fa ndeha ho teretsika ihany ka isika mihitsy no raisina. Dia hoy isika :  » Izaho angaha manakarena. » Marina angamba izany saingy manana ny ampy ihany hianao ka afaka mihinana isan’andro Ny nifanolo-bodirindrina anefa misakafo tapa-kibo, misy aza tsy mihinana akory in-dray mandeha isan’andro. Raha eto Madagasikara no jerena dia hita mihalehibe ny hatsaka manasaraka ny mahantra sy ny manana.

Rehefa maty ilay manakarena sy Lazarosy ilay tsy fitoviana dia hita ihany fa niova kosa ny rasa. Tsy hiady hevitra ny momba ny fisin’ny afobe na tsia isika. Fa ilay resaka nifanaovan’iilay mpanakarena sy Abrahama no ho jerena. Nolazain’i Abrahama fa ny fahorian’ilay mpanakarena rehefa maty izy dia noho ny hareny. Ny harena no nanampina ny masony tsy hahita ny fahantran’i Lazarosy. Raha nanisy hantsana taminy sy I Lazarosy izy ka tsy nijery akory io mahantra io dia efa nanameloka ny tenany izy. Ilay hantsana misy eo aminy sy I Abrahama ary Lazarosy dia tahaka ilay hantsana nisy tamin’ny fahavelony.

Ny fangatahan’ilay mpanakarena no namaranan’i Jesosy ny fanoharana. Firy tamitsika no tsy efa nisaina ny hahafantatra izay tian’Andriamanitra hatao. Dia hoy isika hataovy misy an’izao Andriamanitra raha izay no tianao hatao. Abrahama anefa dia milaza amitsika hoe : Manana an’i Mosesy sy ny mpaminany, izany hoe ny baiboly, isika izay manoro antsika amin’ny lalana aleha. Satria tsy hino isika na dia hisy aza hitsangana amin’ny maty hiteny amitsika. Ny Soratra Masina no aro-fanina hahazotsika mandeha amin’izao fiainana izao ary hitondratsika hihaona amin’ireo Lazarosy mipetraka eo ambavahaditsika.