TENY HOVAKIANA

MPITORITENY 1 : 1 -2, 2 : 21-23

KOLOSIANA 2 : 20 -23, 3 : 1-17

LIOKA 12 :13-32

Zava-misy hatram’izao ny raharaha ny lova. Misy fianakaviana tena potika noho izany. Tafiditra amin’izany Jesosy amin’ity tantara voarakitra amin’ny Filazantsaran’i Lioka ity. Tsara ihany ny mampatsiahy ny lalàna Jiosy momba ny fandovana mba hahazotsika mamantatra ny valiteni’i Jesosy. Ny Deotornomia 21/17 dia milaza fa ny tany sy ny trano dia an’ny lahimatoa. Mbola mandova koa ny atsasaky ny zavatra hafa izy. Ny zanaka lahy ihany no mandova. Eto dia efa azon’ilay zokiny ny anjarany nefa dia mbola bodony koa ny sisa rehetra, izany no nahatonga ity lehilahy ity niangavy an’i Jesosy hiteny ny rahalahiny satria tsy rariny ny hataony. Valiteny tsotra no andrasatsika satria rariny ny fangatahana araka ny eritreritsika. Hafa anefa ny zanatra nitranga. Fanotaniana no napetraky Jesosy : « Iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo.  » Fandavana mazava loatra no nasetry. Noho izany dia handeha no jeretsika inona no antony nahatonga Azy handaha.

Voalohany : araka ny voalazan’i Lioka eo an-dalana hankany Jerosalema Jesosy ary dia hiafara amin’ny fahafatesana izany fiakarana izany. Noho izany dia tsy dia niraika loatra tamin’ity ady ity Izy izay mety hiravona ihany aoriana.

Faharoa : Mazàna dia fanotaniana foana no avalin’i Jesosy ny fanotaniana apetraka aminy, fanotaniana izay mitarika fampiheritreretana ho an’izay miresaka aminy. Efa Izy vao feno roa ambin’ny folo taona no hahitatsika izany. « Nahoana no nanao izao aminay Hianao ? »hoy Maria reniny. Valiny dia fanotaniana : « Nahoana hianareo no mitady Ahy ? » Eto izany ny fandavana nataony tsy midika hoe : tsy te-hiresaka an’io ady io Izy, ny tohin’ny tantara no manambara antsika izany.

Fahatelo ny antony ity fandavana tsy hiandany amin’ny atsy sy aroa ity, dia tiany ny ilaza fa ny zavatra ivelany sy ny zavatr’izao tany izao toa ny vola sy ny harena dia tsy zava-dehibe taminy. Zavatra mpahazo antsika ry havana ny mitady teny ao amin’ny Soratra Masina hanamarinana ny eritreritsika. Tsy tia koa ny Tompo hiditra amin’ny anjaratsika ka handray ny andraikitsika hitondra valiny ho antsika. Jesosy aza nilaza izany, koa ny mpitandrina sy ny mpitondra fivavahana tsy afaka koa hanome valiny ho anao eo no eo. Mazàna isika dia mitaky azy ireny handray ny vaha-olana izay tokony hataotsika.

Na izany aza tsy navelan’i Jesosy handalo fotsiny izao zava-nitranga izao fa dia nampianatra Izy. Hoy indrindra Izy : » Mitandrema ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fiheremana hianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany ».Tahaka ny fanaony dia fanoharana no nanohizany ny fampianarany. Tantara ny lehilahy iray izay nanankina ny fianany tamin’izao fiainana izao no noresahan’i Jesosy. Tena ilay olona tsy mahita afatsy ny tenany. Miverimberina ao amin’ity fanoharana ity ny « izaho ». Ny hahabetsaka ny fananana no naha-maika ary rehefa hitany fa nanana ny rehetra izy dia ny manao fety, ka nisotro sy ny nihinana. Ary sahiny koa ny nilaza fa ny fanahiny dia mandry fehizay ka afaka mipetraka sy miadana. Jesosy dia nanakilasy izany lehilahy izany ho « adala » Ny tetik’ady hahazoana harena mazàna dia mitondra fahoriana fa tsy fiadanana . Tsy misy hifandraisany ny fananana harena be sy fiadanana. Ny fiainan’ny olona tsy miankina amin’ny harena ananany. Tsy afaka mividy na dia minitra iray monja amin’ny fiainany ny olona.

Betsaka ny tantara voarakitra amin’ny Soratra Masina mampitaha ny adala amin’ny hendry. Ny virjina folo, ny lehilahy manorona trano eo amin’ny fasika sy ny vatolampy ary ity fanoharana ity koa. Mazàna ny adala dia tsy nijery afatsy izao fiainana izao sy ny harenany fa tsy nitsinjo ny tsaratsara kokoa. Nafatony tamin’izao fiainana izao ihany ny fijery fa tsy tazany kosa ilay tsaratsara kokoa. Ary io no antony faha-efatra. Nandaha ny hitondra vaha-olona amin’ny zavatra mitranga eo amin’izao fiainana izao Jesosy satria Aminy ny fiainanan’ny olona tsy mijanonana eto amin’izao fiainana izao akory. Jesosy izay efa akaiky ny hahafatesany dia nandaha ny hampanakarena ilay lehilahy nangataka taminy na dia manana ny rariny aza izy. Io fizarana lova io tsy io no tena hitondra fiadanana ho azy. Dia aiza izany ny rariny ireo mpangoro-karena ve tsy hangoro-karena foana. Diso ihany Jesosy hoy isika. Nefa rehefa mandinika isika dia misy feo malefaka ao anaty ao milaza hoe : Marina ihany izay naton’ny Tompo. Tsy hoe ratsy akory ny harena anie ! Izay maharatsy azy dia noho izy ho ny hany tadiavitsika eto an-tany, ka himatimatesatsika mihoatra ny fiandrandratsika ny fiainana mandrakizay.