TENY ho vakiana

Jeremia 33 : 12-17

I Tesaloniana 3 : 12-13

Lioka 21 : 25-38

Miditra amin’ny taom-baovao Kristiana isika androany dia ilay fotoana mialoha ny Krismasy antsoina hoe Advento. Fotoana hiandradran’ny Kristiana ny fiavian’ ny Tompo. Ny tantara dia milaza fa tonga sy teraka tany Betlehema ny Tompo tamin’ny alin’ny Noely. Nefa dia tonga sy teraka ao amin’ny fiainantsika hatrany Izy. Ary araka ny Soratra Masina dia ho avy indray amin’ny andro farany.

Fa andeha ho jeretsika izay voalazan’i Lioka ao amin’ ny Filazantsara. Manaitra be izay voambara satria raha fahasambarana sy fifaliana no nandrasana amin’ny fiavian’ny Tompo dia loza no hita betsaka eto mialoha izany. Angamba tsara ihany ny hijerena ny toe-tsaina tamin’izany fotoana izany. Diso fanatenana tamin’izay rehetra nolazain’ny mpaminany ny vahoaka. Nampanatena mpamonjy azy mantsy ny mpaminany nefa hatramin’izay dia mbola eo ambany ziogan’ny Romana ihany ny jiosy. Tsy vitan’izany fa i Lioka dia manamafy ireo loza voa-janahary ka mahatonga ny olona ho fatin’ny tahotra aza. Betsaka ny olona no niozongozona ny finoany ka nihevitra fa tsy voafehin’ Andriamanitra intsony ny tantara. Ary ny mpanoratra tahaka an’i Lioka dia teha-hampahatsiaro fa mbola Andriamanitra ihany no mitondra ny tantaran’izao tontolo izao.

Tsy tamin’izany fotoana izany ihany fa na dia amin’ izao misy antsika izao aza. Firifiry no mikiaka hoe : « Tsy misy Andriamanitra ary raha tahina aza nisy Izy dia maty Izy ». Mananotanina an’izao tontolo izao ny faharavana. Saika manana baomba atomika daholo na dia ny firenena kely aza hany ka tsy voafehy intsony ny ho avy. Manampy izany koa noho ny tsy fitoviam-pijery amin’ny fivavahana dia mampiasa hery hamonoana ny olona na dia samy milaza ho mivavaka amin’Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao aza. Ary ny loza voa-janahary. Tondra-drano atsy sy aroa, horohorotany mandripaka olona maro ary ny fanahiana ny taikitana (meteorite) mety hanapotika ao anatin’ny indray mipia maso monja izao tontolo izao sy ny sisa sy ny sisa.

Fa Jesosy tsy mandranitra ny tahotra fa niezaka kosa hampitony azy. Hoy ny voalazan’i Lioka. Hoy Jesosy « Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’Olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy. Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandra, ka asandrato ny lohanareo ; fa manakaiky ny fanavotana anareo. » Ireo loza voalaza teo aloha izay noheverina fa fandravana dia fiatomboan’ny fanavotana. Mifanohitra amin’ny horohoron’ny tsy mpino ny fiohiran’ny mpino. Ny tsy mpino ho fatin’ny tahotra fa ny mpino kosa hampitraka ny lohany. Izay noheverin’ny rehetra fa faharesena ( ny nahafatesan’ny Tompo teo ambony hazo fijaliana ohatra ) ka ny faharavan’ny fanatenanana no fiantomboann’y fanavotana kosa.Ny Advento dia ny fiantombohan’ny famonjena ho avy.

Fa tsy nijanona teo ny Tompo fa rehefa namelona ny fanatenana Izy dia nampitandrina koa. Nampitandrina sao varinan’izao fiainana izao isika ka hanadino ilay fiavin’ny Tompo. Nolazainy ao ireo izay mety hanavesatra ny fiainantsika ka hanadinoantsika ny fiandrasana ny Tompo. Notsindriny ny fiahiana izao fiainana izao. Ny fiahiana izay ho hanina, ny fahatahorana, ny fizahozahoana mamevesatra antsika izany ka raha tonga ny Tompo hitana antsika tsy hitsena Azy izany. Hialao daholo izany rehetra izany amin’izao fotoanan’ny advento izao. Ary aoka isika samy hiteny hoe : Maranatha Avia Jesosy Tompo.