TENY HO VAKIANA

2 SAMOELA 7 : 1-5, 8-11, 16

ROMANA 16 : 25-27

LIOKA 1 : 26-38

Miditra amin’ny alahady faha-efatry ny Advento isika. Efa miamanatomotra ny fiavin’i Kristy. Raha ho tonga Izy dia tsy maintsy ho amin’ny fomba manetriketrika. Raha any Palestina noho nofidiny hahatongavana dia asa na hisy lapa antonina Azy. Ary raha nifidy ho teraka tahaka ny olombelona Izy dia ho ny vadin’ny mpanjaka na ny zanaky ny mpanjaka noho hitondra azy folo volana. Raha vao nitranga tany an-dafin’i Jordana Jaona Mpanao Batisa dia efa samy niandry ny hiaviany daholo ny rehetra. Eny fa na dia ny magy izay olo-kendry avy any Antsinanana aza dia nihevitra izany.

Hafa noho izany anefa no nitranga. Raha naniraka ny anjely Andriamanitra tsy tany Jerosalema no nanirahany azy fa tany Galilia ary tsy tany amin’ny tanan-dehibe tahaka an’i Kapernomy akory fa tany amin’ny tanana kely tsy dia makaiza loatra dia Nazareta. Iza moa tamin’ny izany fotoana izany no tsy milaza fa tsy dia misy zava-tsoa loatra nivoaka avy any Nazareta. Ary raha tany Nazareta aza no nalehany dia tsy tany amin’ny olom-be tao an-tanana akory . Ny voalazan’i Lioka dia tany amin’ny tovovavy iray. Ny tombony hananany dia izy taranaky i Davida Mpanjaka ary izy virjiny. Zazavavy tambanivohitra tsy dia mba nanana akory eritreritra mihoatra ny tananany. Nefa raha vao nahita azy ny anjely Gabriela dia nanome azy anaram-boninahitra. « Arahaba ry ilay nasoavina ny Tompo momba anao ». Lioka 1 :28 Izany hoe izay hitranga aminy tsy noho ny izy loatra fa ny fahasoavan’Andriamanitra noho nahatonga izany.

Lehibe tokoa ny zavatra nolazain’ny anjely satria nambara taminy fa izy no hitondra ny Zanaky ny Avo ny taranak’i Davida. Na dia ity faha-roa fotsiny aza dia efa tena lehibe satria ny Mpanjakan’Israely izany. Vaovao tsy mihoatra izany, tsy maintsy mitaky fanotaniana izany. Amin’ny fotoana tahaka izao ny fametraka dia ny hoe : Nahoana « . Nahoana no izaho no .. ? Nahoana no tsy i …fa izaho ? i Maria kosa ny napetrany dia ny hoe « Ahoana  » Ahoana no hahatongavan’izany amiko ? Asa lehibe no napetraka tamin’i Maria ny fanotaniany dia ny hahazoany manatanteraka izany. Tsy izany kosa matetika no ataontsika. Ny nahoana no fanotaniana mibosesika ary nahoana tsy fitiavan-kafantatra fotsiny fa fialana andraikitra mihintsy. Lehibe loatra io asa apetrakao amiko io Jesosy nahoana noho izaho fa tsy i Pasitera ?

Asa raha azotsika an-tsaina ny fanotanian’i Maria : « Hanao ahoana re no hantanteraka izany amiko satria tsy mahalala lahy aho ? » Lioka 1 : 34 Zavatra tsy mety ho tanteraka mihintsy raha ny sain’ olombelona fotsiny no nambara taminy. Ny fanotanian’i Maria tsy avy hatrany dia nibasy maty fa nanotany ny fomba ataony hahatanteraka izany. Tsy mino matetika isika fa mahavita izay tsy vitan’ny olombelona Andriamanitra. Efa nisy ny olona izay efa tsy nantenain’ny Dokotera ho velona intsony saingy, dia velona ihany avy eo. Ho an’ny sasany dia nisy olona nivavaka ho azy tany ho any.

Olombelona ihany moa i Maria fa nisy ihany ny fisalasalana . Fantatr’Andriamanitra izany hany ka nomeny porofo izy fa ho tanteraka izany. Elizabeta havany izay efa antitra nefa nitoe-daza no nambarany taminy. Izany hoe raha nitoe-jaza i Elizabeta na dia efa nitsa-jaza aza dia ho tanterahiko aminao izay rehetra nolazaiko taminao. Impiry moa no efa nasehon’ny Tompo taminao ny toky tahaka izany tamin’ny asa lehibe napetrany taminao ry havako.

Mametraka asa lehibe ho antsika Jesosy dia ny hanambara amin’izao tontolo izao ny fitiavany azy ka nahatongavany tety ambonin’ny tany. Raha milaza izao tontolo izao isika, dia na ny mpino na ny tsy mpino, na ny kristiana na ny jiosy na ny slamo. Lehibe izany andraikitra izany, nefa raha manaiky tahaka an’i Maria isika dia ho tanterakitsika izany.